Seminera
1 Nefia 16–17: Manao asa ami-pinoana amina toe-javatra sarotra


“1 Nefia 16–17: Manao asa ami-pinoana amina toe-javatra sarotra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 16–17: Manao asa ami-pinoana amina toe-javatra sarotra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 16–17

Manao asa ami-pinoana amina toe-javatra sarotra

Sary
Manamboatra ny sambo

Eritrereto ireo fanamby natrehin’i Lehia sy ny fianakaviany taorian’ny nialan’izy ireo tany Jerosalema sy tamin’ny nitoerany tany an-tany foana. Ny fihetsika nasetrin’i Nefia ireo fanamby natrehiny dia manome antsika ohatra momba ny fomba hamaliana ireo fitsapana eo amin’ny fiainana. Afaka manampy anao hianatra ny fomba ampiharana ny soratra masina amin’ny tenanao sy iatrehana ireo fanamby am-pinoana ity lesona ity.

Sahanasa fianarana azo atao

Mitady heviny ao amin’ny soratra masina

Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona iray mizara aminao fa tsy mieritreritra izy hoe mendrika ny fotoany ny famakiana soratra masina. Mahatsapa izy ireo fa tsy tena ilaina amin’ireo fanamby sy olana amin’izao androntsika izao ny soratra masina.

  • Ahoana no mety hamalianao ny olan’izy ireo?

Saintsaino ny fandalinanao manokana ny soratra masina ary ny lanjany sy ny fampiasanao ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Mieritrereta zavatra izay nahatonga ny fanomezan-danja ny soratra masina ho sarotra sy ny zavatra izay nanampy anao handresy ireny sakana ireny.

Mba hanampiana ireo rahalahiny hianatra zavatra avy amin’ny soratra masina sy hampiasa izany tamin’ny andron’izy ireo, dia nampianatra lesona manan-danja izay afaka manampy antsika amin’ny fandalinantsika ny soratra masina ihany koa ny mpaminany Nefia.

Vakio ny 1 Nefia 19:23 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia.

  • Ahoana no hamaritanao amin’ny teninao manokana ny fahamarinana ampianarin’i Nefia?

Mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika

Fahamarinana iray mety hitanao tao amin’io andininy io ny hoe rehefa mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika isika, dia mianatra sy mahazo tombony avy amin’izany.

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny fampiharana ny soratra masina?

  • Inona avy ireo zavatra efa niainanao mahakasika ny fampiharana ny soratra masina?

  • Araka ny andininy 23, inona no tanjon’i Nefia tamin’ny famakiana sy fampiharana ny tenin’i Isaia?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fampiharana ny soratra masina manampy anao hahalala sy hino an’i Jesoa Kristy feno kokoa?

Ny hoe mampihatra ny soratra masina dia midika hoe mampifandray ny zavatra voarakitra ao aminy amin’ny fiainantsika manokana.

Ity dingana manaraka ity dia afaka manampy anao amin’ireo ezaka ataonao hampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Raketo ao anaty diary fandalinanao ireto dingana ireto.

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana amin’ny fiainanao.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Fariparito ny fomba fampiharana azonao atao manokana.

Ao amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hizatra mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao rehefa mandalina tranga maromaro niseho tamin’ny fianakavian’i Lehia tany an-tany foana.

Nahatapaka ny tsipìkany i Nefia

Dingana 1: Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja

Ampiharo io dingana io amin’ny alalan’ny fandalinana ny 1 Nefia 16:17–25, 30–32 sy ny fitadiavana ireo antsipiriany manan-danja. Mety ho isan’ireny antsipiriany ireny ny olona, na toerana, na zavatra, na fihetsika, na trangan-javatra.

  • Inona avy ireo antsipiriany manan-danja hitanao?

Ny antsipiriany mety ho voamarikao dia ahitana an’i Nefia nahatapaka ny tsipìkany; ny fimonomononan’i Lehia, i Lamàna, i Lemoela ary ireo zanak’i Isimaela; i Nefia nanamboatra tsipìka vaovao; ary i Nefia niverina tany amin’ny rainy mba hahazoany fitarihana momba ny fahazoana sakafo.

Sary
Nahatapaka ny tsipìkany i Nefia
Dingana 2: Manaova fampitahana amin’ny fiainanao

Mieritrereta lafiny eo amin’ny fiainanao izay mifandray amin’ireo antsipiriany hitanao tao amin’ny dingana teo aloha. Afaka manampy anao hanao izany ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona avy ireo zava-misy eo amin’ny fiainako mitovy amin’ireo zava-misy ao amin’ireo andininy ireo?

Mety ho nampitaha ny nahatapahan’i Nefia ny tsipìkany amina zava-tsarotra tsy ampoizina eo amin’ny fiainanao ianao. Mety ho nampitaha ny teny sy fihetsik’i Nefia sy ny olona ao amin’ny fianakaviany amin’ny fihetsiky ny olona rehefa miatrika toe-java-tsarotra ihany koa ianao.

Dingana 3: Fantaro ireo lesona sarobidy

Eritrereto ny zavatra nianaranao tao amin’ny soratra masina izay afaka mihatra aminao. Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy.

  • Inona no lesona nianaranao avy tamin’ny tantaran’ny nahatapahan’i Nefia ny tsipìkany sy ny nanamboarany izany ka afaka mihatra amin’ny fiainanao?

  • Inona no ampianarin’io tantara io anao momba an’i Jesoa Kristy?

Ohatra iray mety ho hitanao tao amin’io tantara io ny hoe Raha manao ezaka manokana isika ka mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo, dia hanampy antsika amin’ny zava-tsarotra lalovantsika Izy.

Dingana 4: Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana
  • Farito amin’ny alalan’ny fisaintsainana ny fiainanao ny fampiharana ataonao manokana.

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahanao mampihatra io fahamarinana io amin’ny fiainanao?

Amin’ireo fomba maro ahafahana mampihatra io fahamarinana io dia azonao atao ny mihevitra ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’i Nefia rehefa miatrika fanamby tsy nampoizina ianao na mahatsapa ho mihitsoka amin’ny fiainana. Aleo mandray andraikitra sy miroso amim-pinoana sy amim-patokiana hoe hanampy anao i Jesoa Kristy, toy izay mimonomonona na tsy manao na inona na inona.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fanarahana ity lamina fandalinana ity anao hahita ny dikany tao anatin’ity tantara ao amin’ny soratra masina ity?

Nodidina hanamboatra sambo i Nefia

Rehefa avy nandeha tany an-tany foana nandritra ny valo taona i Lehia sy ny fianakaviany, dia tonga tao amin’ny tany iray amoron-dranomasina izay nantsoin’izy ireo hoe Soafeno noho ny habetsahan’ny voankazo sy tantely tany (jereo ny 1 Nefia 17:4–6).

Vakio ny 1 Nefia 17:5–20, 48–55; 1 Nefia 18:1–4, ary ampiasao ireo dingana efatra teo aloha hanampy anao hampihatra io tantara io eo amin’ny fiainanao. Avelao hitarika ny eritreritrao sy ny fandalinanao ny Fanahy. Miatoa matetika mba hieritreretana ny fomba azo ampiharana ny zavatra ianaranao amina toe-javatra manokana eo amin’ny fiainanao. Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo antsipiriany manan-danja hitanao avy amin’io tantara io?

    • Inona avy no fampitahana maromaro nataonao tamin’ireo antsipiriany ireo sy ireo lafin-javatra miseho eo amin’ny fiainanao?

    • Inona avy no lesona nianaranao avy amin’io tantara io ka afaka mihatra amin’ny fiainanao? Inona no zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy?

    • Ahoana no ahafahanao mampihatra io fahamarinana io eo amin’ny fiainanao?