Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 1: Mariho sy ianaro tsianjery


“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 1: Mariho sy ianaro tsianjery,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 1: Mariho sy ianaro tsianjery,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 1

Mariho sy ianaro tsianjery

Sary
Mpianatra

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny fototra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahita sy hanisy marika ary hanazatra tena amin’ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny fototra ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Sahanasa fianarana azo atao

Toko sy andinin-tsoratra masina ary andian-teny fototra ao anatin’ny soratra masina

  • Nahoana no ilaina ny mahafantatra ireo toko sy andinin-tsoratra masina ary ireo andian-teny fototra ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana?

Mba hanampiana anao hianatra ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany, dia hevero ny handikana ity tabilao manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao na ampidiro ao anatin’ny findainao ny application Maîtrise de la doctrine ary ampiasao ireo sahanasa ao amin’ilay application mba hanampiana anao hianatra tsianjery.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny fototra

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Avereno jerena ary asio marika ao amin’ny soratra masinao ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotompampianarana miisa 12 sy andian-teny fototra ao amin’ireo soratra masina ireo. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka amin’ireo marika izay efa nataonao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Misafidiana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana roa farafahakeliny ary ataovy izao manaraka izao:

  • Soraty araka ny fahafahanao mitadidy ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny fototra anatin’ny soratra masina.

  • Zarao ny mety haha-fitahiana eo amin’ny fiainanao ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ireo andininy ireo.

Mandritra ny andro vitsivitsy manaraka, dia miezaha manao tsianjery toko sy andininy ary andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Manohiza mieritreritra fomba ahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo mitahy ny fiainanao sy ny fiainan’ireo olona fantatrao.