Seminera
1 Nefia 13:20–42: Fahamarinana tsotra sy sarobidy


“1 Nefia 13:20–42: Fahamarinana tsotra sy sarobidy” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“1 Nefia 13:20–42: Fahamarinana tsotra sy sarobidy” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 13:20–42

Fahamarinana tsotra sy sarobidy

Sary
Bokin’i Môrmôna

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’ny Tompo dia fitahiana amin’ny lafiny maro be. Fitahiana iray ny hoe mampiseho fahamarinana tsotra sy sarobidy maro izay very tao amin’ny Baiboly izy io. I Nefia dia nahita ireo zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny efa ela talohan’ny nitrangan’izy ireo ary nahatakatra ny anjara toerana manan-danja hohazonin’ny rakitsoratra nataony amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina nambara hafa mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

Fanamarinana ny maha-azo antoka

Ny bisikilety dia fomba fitaterana tsotra sy mahomby. Ny fitaingenana bisikilety dia afaka ny ho zavatra mahafinaritra sy mahafa-po ihany koa. Inona avy ireo ampahany manan-danja sasany izay manome fahafahana ny olona iray hitondra bisikilety am-pilaminana sy amin’ny fomba mahomby? Alaivo sary an-tsaina hoe manana bisikilety ianao ary nisy olona nanao fanahy iniana nanongotra ampahany tena ilaina tamin’izany.

  • Inona no mety hambaran’ny ireo fihetsika ireo momba ny fihetseham-pony aminao?

  • Inona no mety hiseho raha andramanao entina ilay bisikilety nefa misy ampahany tsy eo?

  • Iza no mety hantsoinao hanamboatra sy hamerina amin’ny laoniny ny bisikiletinao mba hiasa tsara?

Mitovitovy amin’izany, i Satana dia nikatsaka izay hanimbana sy hanakorontanana ireo zanak’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanesorana sy fanovàna ampahany manan-danja tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny 1 Nefia 13 ianao, dia mitadiava zavatra nataon’ny Mpamonjy mba hanampiana antsika handresy ireo sakana ataon’i Satana.

Betsaka ireo izay tafintohina

Nampisehoana tranga manan-danja amin’ny andro farany tao anaty fahitana i Nefia, tao anatin’izany ny boky izay nentin’ny Jentilisa ho any amin’ilay tany nampanantenaina. Vakio ao amin’ny 1 Nefia 13:20–25 ny momba ilay boky ary jereo ny zavatra tao anatiny.

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’ny zavatra novakianao?

Hevero ny handray naoty ao amin’ny andininy 20 fa ilay boky tazan’i Nefia dia manondro ny Baiboly Masina. Ny fandraisana naoty ao amin’ny soratra masinao dia afaka manampy anao hanao azy ireny ho anao manokana sy mampitombo ny fahombiazan’ny fandalinanao soratra masina. Ohatra hoe, ny fandraisana naoty ao amin’ny soratra masinao dia mety hanampy anao hitadidy hevi-baovao ara-panahy amin’ny ho avy na ho fitahiana ho anao na ny hafa amin’ny fotoana mahasahirana.

  • Inona no tsikaritrao momba ny fomba namaritana ny Baiboly?

Vakio ny 1 Nefia 13:26–29, hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’ny Baiboly taorian’ny nialany tamin’ireo “apôstôlin’ny Zanakondry.”

  • Inona no nitranga tamin’ny Baiboly?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanesorana ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy avy tao amin’ny Baiboly hanafintohina ara-panahy ny olona?

  • Inona no itovitovian’ireo andininy ireo amin’ny fanoharana momba ny bisikilety?

“Ny fanomezam-pahasoavana sy fahefan’ny Zanakondry”

Rehefa avy nahita maso i Nefia fa novana na nesorina tao amin’ny Baiboly ny fahamarinana tsotra sy sarobidy, dia nianatra izy fa tsy hamela izao tontolo izao hijanona ho sahiran-tsaina na jambena ny Tompo amin’ny famindram-pony (jereo ny 1 Nefia 13:30–34). Nahita i Nefia fa ny filazantsara dia haverina amin’ny laoniny amin’ny fahafenoany amin’ny alalan’ny “fanomezam-pahasoavana sy ny fahefan’ny Zanakondry.” (1 Nefia 13:35).

Mba hahalalana ny fomba nahatanterahan’ny Mpamonjy izany, dia vakio ny 1 Nefia 13:35–39 ary hevero ny hanamarika ireto andian-teny manaraka ireto sy handray an-tsoratra ny hevitr’izy ireo ao amin’ny soratra masinao na diary fandalinanao.

Toko sy andininy sy andian-teny ao amin’ny soratra masina

Fanazavana

Toko sy andininy sy andian-teny ao amin’ny soratra masina

1 Nefia 13:35 “ireo zavatra ireo”

Fanazavana

Ny Bokin’i Môrmôna

Toko sy andininy sy andian-teny ao amin’ny soratra masina

1 Nefia 13:39 “boky hafa”

Fanazavana

Ahitana ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy, ary ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith.

Toko sy andininy sy andian-teny ao amin’ny soratra masina

1 Nefia 13:39 “rakitsoratry ny mpaminany sy ny an’ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanakondry”

Fanazavana

Ny Baiboly Masina

Vakio ny 1 Nefia 13:40–41, hitadiavana famaritana momba ny zavatra hampahafantarin’ireo soratra masin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny olona.

  • Inona no zavatra hitanao?

Hevero ny hirakitra an-tsoratra ity fahamarinana manaraka ity ao amin’ny soratra masinao na ny diary fandalinanao: Ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masina hafa dia mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy manangana ny fahafenoan’ny filazantsarany maharitra mandrakizay.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no faritana ho tsotra sy sarobidy ireo fahamarinana avy ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy?

  • Inona no ianaranao momba ny Tompo avy amin’ny anjara asany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy?

  • Inona no fahamarinana iray na fampianarana avy amina soratra masin’ny andro farany izay tsotra sy sarobidy aminao?

  • Ahoana no nanampian’ilay fahamarinana anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Fahamarinana tsotra sy sarobidy naverina tamin’ny laoniny

Ireto manaraka ireto dia ohatra sasany amina fahamarinana tsotra sy sarobidy izay naverina tamin’ny laoniny. Misafidiana lohahevitra roa farafahakeliny izay tianao hohalalinina. Vakio ireo toko sy andininy ao amin’ny Baiboly ao anatina fononteny ary alaivo sary an-tsaina hoe ny zavatra ao anatin’ilay andininy na ireo andininy ihany no zavatra fantatr’olona momba io resaka io. Inona no fanontaniana mety haterak’izany aminao? Manaraka izany, vakio ireto toko sy andininy ao amin’ny soratra masina fanampiny avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, na Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, na ny Voahangy Lafo Vidy ireto. Raketo an-tsoratra ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy hitanao avy ao amin’ny lohahevitra nosafidinao.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Raketo an-tsoratra ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy hitanao avy ao amin’ny lohahevitra nosafidinao. Ampidiro ao anatin’ny valinteninao ny antony ankasitrahanao ny namerenan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ireo fahamarinana ireo tamin’ny laoniny.

    Ny Andriamanitra (Matio 3:16–17)

    Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Lioka 22:41–44)

    Fiainana talohan’ny nahaterahana (Jeremia 1:5)

    Ny fanasan’ny Tompo (Matio 26:26–28)

    Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (Marka 1:14–15)

    • 3 Nefia 11:31–35; 27:13–21

    • Fanekem-pinoana 1:4.

    • Inona no nianaranao momba ny lohahevitra nosafidinao?

    • Ahoana no ahafahan’io fahamarinana io manampy anao hifaly sy hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy?

    • Inona no antony ankasitrahanao ny namoahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy soratra masina fanampiny sy ny namerenan’izy ireo tamin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy?