Seminera
Tombano ny fianaranao 1: 1 Nefia 1–15


“Tombano ny fianaranao 1: 1 Nefia 1–15” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Tombano ny fianaranao 1: 1 Nefia 1–15” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tombano ny fianaranao 1

1 Nefia 1–15

Sary
Mamaky ny soratra masina any Afrika

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao hatreto nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.

Halalino isan’andro ny Bokin’i Môrmôna

  • Inona avy no zavatra ataonao isan’andro na isan’alina?

  • Inona no mety hitranga raha hadinonao ao anatin’ny indray andro na mihoatra ireo zavatra ataonao ireo?

  • Nahoana no zavatra tokony hoezahintsika atao ny fandalinana soratra masina isan’andro?

Misafidiana iray amin’ireto manaraka ireto mba hamaritana ny fandehan’ny fandalinanao isan’andro ny Bokin’i Môrmôna:

  1. Tsapako ho manan-danja ny fandalinako ary tsy tapaka.

  2. Tsara ny fandalinako rehefa mitranga izany saingy tsy mitranga matetika izany.

  3. Tsy tapaka mihitsy aho manao ny fandalinako saingy tsy dia mahazo zavatra betsaka amin’izany.

  4. Sahirana mafy aho manakatra ny zavatra vakiko ary mahalana vao mianatra irery.

  5. Tsy mbola nanao zavatra hiezahana manatratra ny tanjoko amin’ny fandalinana soratra masina aho.

  6. Hafa: hazavao ny valinteninao.

Tsy mahagaga raha misy sakana mipoitra amin’ny tanjona isan’andro toy izany. Ny zava-dehibe dia ny fanohizana manandrana foana.

  • Inona no nety tsara tamin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna? Inona no tianao hatao tsara kokoa na amin’ny fomba hafa?

Eritreritra sy fahatsapana manokana momba ny Bokin’i Môrmôna

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ny iray farafahakeliny amin’ireto sahanasa manaraka ireto:

Sahanasa 1: Fivoriana fijoroana ho vavolombelona

Raha hijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ao amina fivoriana fanasan’ny Tompo ianao, dia inona no holazainao mba hampitana ny fahatsapanao?

Sahanasa 2: Nahoana ianao no mandalina?

Alaivo sary an-tsaina hoe eo am-pandalinana ny Bokin’i Môrmôna ianao no misy zandrinao mpiray tampo aminao miditra ary manontany hoe: “Inona no vakinao?” Mamaly ianao hoe “Ny Bokin’i Môrmôna.” Manontany ilay mpiray tampo aminao hoe: “Fa nahoana?” Manorata fehezan-teny roa na telo manoritsoritra ny zavatra azonao lazaina amin’ny zandrinao mba hanampiana azy hahatakatra ny antony isafidiananao ny handalina ny Bokin’i Môrmôna.

Sahanasa 3: Zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera

Nanoratra izao zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera izao ny namana iray: “Nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna aho tato ho ato ary tiako ilay izy! Ho anareo rehetra izay efa namaky ny Bokin’i Môrmôna tany aloha, azonareo zaraina amiko ve azafady ny andininy tianareo indrindra sy fanazavana fohifohy momba ny antony itiavanareo azy?”

Ny nofin’i Lehia

Makà iray minitra hijerena ireo fanehoana ny hazon’aina ireo sy hisaintsainana ny zavatra nianaranao.

Sary
Ny fahitan’i Lehia momba ny hazon’aina miaraka amina hazo volamena mamiratra, sy olona mihazona mafy ilay anja-by, ary ilay trano lehibe sy malalaka.
Sary
Ny nofin’i Lehia
Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Inona avy ireo ampahany sy sariohatra samihafa tadidinao tamin’ilay nofy?

    • Inona tamin’ireo sariohatra no nanan-danja indrindra taminao? Nahoana?

    • Ahoana no itovitovian’ny nofin’i Lehia amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Hevero ny fomba mety hanampian’ny ampahany isan-karazany tamin’ny nofin’i Lehia ny isam-batan’olona ao amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto:

  • Mandany fotoana miaraka amina vondron’olona izay misafidy ny handika ny Tenin’ny Fahendrena sy manery azy hanao toy izany ny zatovolahy iray.

  • Mieritreritra hanao ny fandalinany soratra masina matotra kokoa ny zatovovavy iray rehefa mitony ny fiainany feno adin-tsaina.

  • Manomboka mahatsapa ho menatra ny amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny zatovolahy iray rehefa maheno olon-kafa maniratsira ny olona mpivavaka.

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra
  1. Valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

    • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny nofin’i Lehia hisahanana ny rafi-tantara tsirairay?

    • Fampianarana na fahamarinana inona avy amin’ny nofin’i Lehia no tsapanao fa afaka manampy anao hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Afaka mitandrina ny didy ianao.

Nandritra ny lesona momba ny 1 Nefia 3, mety nametraka tanjona iray hankatò kokoa ny didy iray izay sarotra notandremana ianao. Saintsaino ny fandrosoanao ho amin’io tanjona io, ary raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na diarinao manokana ny eritreritrao. Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa misaintsaina sy manoratra ianao:

  • Manao ahoana ny fandehan’ny ezaka ataonao hankatoavana io didy io?

  • Fahombiazana na sakana inona avy no efa niainanao?

  • Ahoana no mety hanitsianao ny drafitrao?

  • Ahoana no nitahiana anao noho ireo ezaka nataonao?

  • Ahoana no nanomanan’ny Tompo làlana mba hankatoavanao?

Raha mbola tsy nieritreritra didy iray izay mety ho sarotra aminao ny mitandrina azy ianao, dia mieritrereta iray izao. Tapaho hoe inona no asa azonao atao mba hitandremana izany feno kokoa.

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa ny fahatokian’i Nefia ny Tompo dia afaka manome fampaherezana antsika rehefa hitantsika fa sarotra ny mankatò ireo didin’ny Tompo:

I Nefia ilay tovolahy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mamporisika antsika mba hanam-paniriana ny hampivelatra fahatokiana ny Tompo mba hankatò ny didiny, na dia toa sarotra amintsika aza izy ireo. Niatrika loza ary mety ho fahafatesana mihitsy i Nefia raha niteny ireto teny maneho fahatokiana ireto izay afaka sy tokony hohazonintsika mafy ao am-pontsika: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ ny zanak’ olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy” [1 Nefia 3:7]. (Henry B. Eyring, “Trust in God, Then Go and Do,” Ensign na Liahona, nôv. 2010, 71)