2025
Miala voly kely
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Miala voly kely

Miala voly kely

Hisintona ny endrika PDF

Fehin-tanana Banjino i Kristy

Efa hitanao ve ilay fehin-tanana ao amin’ilay horonan-tsary momba ny teny filamatry ny zatovo ho an’ny taona 2025? Afaka manamboatra iray tahaka ilay izy ianao!

Jereo ilay fampianarana mba hanamboarana ny vatan’ilay fehin-tanana amin’ny endriny tsotsotra. Dia tonga amin’izay avy eo ny fotoana hanampiana ilay ampahany manan-danja indrindra, ilay masoandro, mba hampahatsiahivana anao hibanjina an’i Kristy. Inona avy ireo fomba azo foronina hahafahana manampy masoandro eo amin’ny fehin-tananao? (Eritrereto ny taratasy, kofehy, vato, na zavatra hafa!)

Alefaso mailaka aminay ao amin’ny ftsoy.ChurchofJesusChrist.org ny sarin’ny fehin-tanana vitanao mba hahafahana mamoaka izany.

Fampianarana manamboatra fehin-tanana

Horonan-tsary ho an’ny teny filamatry ny zatovo

Aza mety hohajambain’ny famitahana

Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:75 dia milaza fa ireo izay mankany amin’ny fanjakana terestrialy (fa tsy any amin’ny selestialy) dia “nohajambain’ny famitahan’ny olona.” Ity misy kilalao mahafinaritra izay mety ho sarotra kokoa noho ny fahitana azy.

Ireto sary “mamitaka” ireto dia mety ho tena maneho izay hita eo na mety ho sary mamitaka maso izany. Afaka mamantatra ny marina ve ianao?

1. Mitovy loko ve ny farany sisiny anankiroa amin’ity tsipika ity sa loko samy hafa?

Mitovy

Tsy mitovy

Torohevitra: Aforeto ilay pejy mba hifanakaiky ireo sisiny farany, na hetezo hiala eo amin’ilay lafika ilay tsipika mba hanamarinana izany.

2. Sarina vehivavy tanora ve io sa vehivavy zokiolona?

Vehivavy tanora

Vehivavy zokiolona

Torohevitra: Jereo akaiky. Mety ho fanontaniana misy fandrika ity.

3. Mivilambilana ve ireo tsipika miloko volon-davenona, sa mahitsy hatramin’ny farany?

Mivilambilana

Mahitsy

Torohevitra: Saròny ireo taila mainty sy fotsy mba hanamarinana izany.

Fampifandraisana zavatra mikorontana

Tadiavo ny Laharana 1 tsirairay avy (misy telo amin’izany ao). Manaova tsipika avy eo amin’ny 1 tsirairay avy mankeny amin’ny Laharana 2 mifandray amin’izany. Dia ampifandraiso amin’ny Laharana 3 mifandray aminy ny Laharana 2 tsirairay avy. Rehefa mifandray daholo ny zavatra rehetra, dia jereo ny sary noforoninao ary manapaha hevitra hoe fanjakam-boninahitra inona no asehon’izany.

1. Fanjakana selestialy

2. Voninahitry ny masoandro

3. Azy ireo ny zavatra rehetra

1. Fanjakana terestrialy

2. Voninahitry ny volana

3. Olom-banona fa nohajambaina

1. Fanjakana telestialy

2. Voninahitry ny kintana

3. Nanana fahafahana nefa tsy nandray ny filazantsara

Sary farany: Fanjakana __________________________

Mila torohevitra ve ianao?

Fanjakana selestialy: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:50–70

Fanjakana terestrialy: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:71–80

Fanjakana telestialy: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:81–88

Hatsikana

hatsikana

Nampiasa fomba fahandroan-tsakafo ve ny reninao sa nampiasa tsikombakomba miafina?

Val Chadwick Bagley

hatsikana

Hita ho matahotra be mihitsy ianao ny handray fitenenana ao am-piangonana. Izao ve no fotoana voalohany hanaovanao izany?

Tsia! Efa im-betsaka aho no natahotra.

Derek L. Smith

Valiny

Aza mety hohajambain’ny famitahana: 1. Mitovy, 2. Izy roa, 3. Mahitsy

Fampifandraisana zavatra mikorontana: 1. Fanjakana selestialy, 2. Voninahitry ny masoandro, 3. Azy ireo ny zavatra rehetra; 1. Fanjakana terestrialy, 2. Voninahitry ny volana, 3. Olom-banona fa nohajambaina; 1. Fanjakana telestialy, 2. Voninahitry ny kintana, 3. Tsy nandray ny filazantsara. SARY FARANY: Fanjakana telestialy