2025
Talenta miafina
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Talenta miafina

zatovovavy iray mijery solaitrabe fametraham-baovao

Misy fampisehoana talenta!

zatovovavy miresaka

Oay, jereo hoe firy ny olona efa nisoratra anarana? Raha izaho mantsy no mba nanana talenta.

Inona no tianao holazaina?

zatovovavy miaraka amina taratasy mirakitra naotina mozika, sy baolina basikety ary gazetin’ny sekoly

Tsy mahay mihira aho. Tsy misy fanatanjahan-tena manavanana ahy. Tsy mba mahazo naoty tsara mihitsy aho. Tsy misy zavatra mba haiko.

zatovovavy mihiakiaka

Nahoana aho no tsy afaka ny ho tonga lafatra amin’ny zava-drehetra, tahaka an’i Jesoa?

zatovovavy mandeha an-tongotra sy miresaka

Hitanao, raha ny fantatsika aloha dia tsy nandihy na nitendry zava-maneno i Jesoa.

zatovovavy miresaka eny am-pitaingenana bisikileta

Mmm, tsy nieritreritra izany mihitsy aho. Indrisy fa tsy afaka mampitombo isan’ny trondro aho.

Saingy mbola manana ny talenta sasany izay ananany ianao.

zatovovavy mankahery, manolotra fanampiana, ary mampifaly olona iray
zatovovavy miresaka

Namana tsara i Jesoa Kristy, ary toy izany koa ianao. Iray amin’ireo talenta lehibe indrindra anananao izany.