Hira
Aza miahiahy
Mahazoa tonon-kira sy ny taratasy misy ny mari-peon’ity hira avy amin’ny angon-kira momba ny Teny filamatry ny Zatovo ho an’ny taona 2025 ity.
‘Ndraindray ‘sika toa tsy mino ilay finoana—
Ny fiainana etoana dia tsy ilaina.
Kanefa ireo fahatsapana izay inoana
dia re sy tsaroana
ka hiainana hatrany.
Tsarovy fa misy lehibe noho ‘sika izao—
Raha sendra ahiahy dia mitrakà.
Minoa.
Aza miahiahy,
matanjaha,
atreho ny ampitso.
Aza miahiahy fa minoa
dia ho hitanao ‘lay fahagagana.
Tsara toerana ianao.
Minoa.
‘Ndraindray dia tiantsika ho hay ny valin-teny
‘zay ao an-tsaina ao. Ka tiana ho azo.
Fa mianatra anie ‘sika ety ny hahatoky Azy,
hino, ary hankatò
ireo lalàny.
Tsarovy fa misy lehibe noho ‘sika izao—
Raha sendra ahiahy dia mitrakà.
Minoa.
Aza miahiahy,
matanjaha,
atreho ny ampitso.
Aza miahiahy fa minoa
dia ho hitanao ‘lay fahagagana.
Tsara toerana ianao.
Minoa.
Indray andro any ho hainao koa izay hainy,
ka tsy mila manontany intsony.
F’izao aloha,
minoa.
Aza miahiahy,
matanjaha,
atreho ny ampitso.
Aza miahiahy fa minoa
dia ho hitanao ‘lay fahagagana.
Tsara toerana ianao.
Tsara toerana ianao.
Minoa.