Rehefa toa goavana be ireo fitsapana
Tsy maintsy mandalo olana eo amin’ny fiainana. Saingy rehefa misy manampy isika dia afaka mahita izany amin’ny alalan’ny fomba fijerin’ Andriamanitra.
Ny Tendrombohitra Timpanogos dia tendrombohitra iray any Utah, Etazonia, izay mirefy 3.353 m ny haavony ary feno rian-drano, rindrim-bato, sahan’ahimaitso, ary ala voajanahary sy bibidia. Mety hahatonga anao hahatsapa ho bitika ny fijoroana eo amin’ny fototry ny tendrombohitra tahaka izany. Tsy afaka mahita ny any an-tampony na ny manodidina izany ianao. Mety ho toy ny goavana be sy tsy azo ihoarana izany.
Na izany aza, ny fandehanana fiara 10 mn miala avy eo amin’ny Tendrombohitra Timpanogos dia mamela anao hahita izany amin’ny fomba hafa. Raha tazanina avy eny dia afaka mahatsikaritra lalan-kely sy lalana namboarina mamakivaky ilay tendrombohitra ianao. Maneho izany fa efa nisy olona hafa tonga teny teo aloha ary misy lalana azo antoka mankeny an-tampon’ny tendrombohitra sy manodidina izany.
Mety ho toy izany koa ireo fitsapana eo amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao. Ny fiatrehana olana tena sarotra dia mety ho toy ny manomboka mihanika tendrombohitra goavambe izay tsy hitanao ny any an-tampony, eny fa na ny manodidina azy aza. Mety ho toy ny goavana be izy ireny ary tsy azo heverina ny hihoarana azy. Mety hahatonga anao hahatsapa ho bitika, sorena, matahotra, na irery mihitsy aza ireo fitsapana ireo.
Kanefa misy zavatra hafa azo andramana ity. Miverena kely dia ezaho jerena amin’ny fomba fijery hafa ireo fitsapana lalovanao, dia ny fomba fijerin’ Andriamanitra izany.
Raha manana io fomba fijery io ianao dia mety ho tsapanao koa fa tsy avela irery hamaha ny olanao ianao. Manana Ray any An-danitra izay tia anao sy hanampy anao ianao. Ny hafa, indrindra fa ny Mpamonjy dia efa nandia fotoan-tsarotra ary nivoaka ho mpandresy ihany koa. Te hanome anao ny fitarihana ilainao izy ireo mba handresena ireo fitsapana lalovanao, eny fa na dia ireo fitsapana lehibe aza.
Ahoana no ahafahantsika manova ny fomba fijerintsika?
1 Araho ny drafitry ny Ray any An-danitra.
I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra ho antsika. Tsotra sy mahery vaika ary mora takarina ireo fitsipika nampianariny. Midika ve izany fa mora arahina foana izy ireo? Raha ny marina, dia tsia. Tsy voatery ho izay foana. Kanefa isaky ny tena manaraka Azy amim-pinoana isika dia manomboka miova ny fomba fijerintsika. Manomboka mahita ny olana ho toy ny fahafahana manatona ny Mpamonjy mba hahazoana ny fanampiany isika fa tsy mahita izany ho toy ny famaizana, fandrika, na sakana manalavitra antsika Aminy.
2 Mangataha fanampiana amin’ Andriamanitra.
Rainao any An-danitra Andriamanitra. Mahafantatra anao sy tia anao Izy ary vonona ny hanampy anao amin’ny fotoana rehetra angatahanao. Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson fa “mihoatra lavitra noho ny fahendrenao amin’ny maha olona mety maty anao ny fomba fijerin’ny Tompo. Mety hahagaga anao ny fomba hamaliany ny vavakao ary hanampy anao hisaina amin’ny fomba selestialy.”
Rehefa mivavaka ianao dia afaka manampy anao hahita ireo zavatra tsy afaka ny ho hitanao amin’izao fotoana izao Andriamanitra. Afaka mitarika anao ao anatin’ireo fitsapana lalovanao Izy ary manome fiadanana sy tanjaka anao mihitsy aza rehefa manaraka Azy ianao.
3 Mangataha fanampiana amin’ny hafa.
Nametraka olona tsara eo amin’ny fiainanao izay afaka manampy anao ny Ray any An-danitra. Rehefa mitolona amin’ny olana izay toa mandondona eo anoloanao ianao, dia hevero ny hiresaka amin’ny olona iray azo itokisana ao amin’ny fianakaviana, na namana iray, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na ny evekanao.
Ny fangatahana mpihazona fisoronana mendrika iray mba hanome tsodrano fampaherezana sy fitarihana dia fomba iray hafa mahatalanjona hahitanao ny tenanao sy ny fiainana amin’ny alalan’ny fomba fijerin’ Andriamanitra.
Mahita mazava tsara
Tahaka ny tendrombohitra goavana iray izay mijoro eo amin’ny lalanao, dia mety ho tsapanao ho goavana be ireo fitsapana lalovanao. Kanefa rehefa miaina ny drafitr’ Andriamanitra ianao ary mamela Azy sy ny hafa hanampy anao, dia afaka mahita ireo olanao amin’ny fomba hafa ianao.
Afaka miverina kely ianao dia mahita fa misy fomba ahafahanao mandresy ireo fitsapana lalovanao. Manome lalana izay azonao aleha i Jesoa Kristy. Na toy ny ahoana na toy ny ahoana ny mety ho haben’ny fitsapana lalovanao, dia mahery kokoa noho izany Andriamanitra.