2025
Mizara ny filazantsara … any amin’ny toerana fialana voly hoe e?
Ho zatovo mahery! Jolay 2025


Fampiasana ilay torolalana

Mizara ny filazantsara … any amin’ny toerana fialana voly hoe e?

Vao haingana aho no nandeha tany amin’ny toerana fialana voly iray niaraka tamin’ny namana vitsivitsy tao am-piangonana. Raha mbola nilahatra hitaingina montagnes russes iny izaho sy i Evie namako, dia nanomboka niresaka taminay momba ny fantsom-baovao YouTube noforoniny ny zatovolahy iray antsoina hoe Erik. Niresaka nandritra ny 15 minitra teo angamba izy mikasika ny nihomehezan’ny olona sasany tao amin’ny sekoliny azy sy nitenenan’izy ireo azy hamafa ny fantsom-baovaony.

Tany am-piangonana dia nampanao fanamby anay ireo mpitarika anay mba haka torolalana Ho zatovo mahery! ary hizara izany amin’ny olona iray. Toa nanana olana tamin’ireo namany i Erik, ka noho izany dia nihevitra aho fa mety afaka hanampy azy ilay torolalana.

Navoakako ilay izy dia nasaiko notehiriziny. Nanontany izy hoe inona ilay izy, dia nohazavaiko fa avy amin’ny Fiangonako izany ary afaka manampy azy handray fanapahan-kevitra tsara sy hampianatra azy zavatra hafa mahafinaritra. Nolazaiko azy fa tokony hamaky izany izy rehefa manana fotoana. Eny hoy izy, dia natsofony tao am-paosiny ilay izy, ary nanohy niresaka momba ny fantsom-baovao YouTube noforoniny izy.

Tsy fantatro raha mba efa namaky ilay torolalana izy na tsia, fa io zavatra niainana io dia nampianatra ahy fa afaka ny ho misiônera ianao amin’ny sokajin-taona rehetra sy any amin’ny toerana rehetra, na dia any amin’ny toerana fialana voly aza.