2024
Soratra masina, ilay fototry ny finoana
Nôvambra 2024


Fivoriana alahady tolakandro

Soratra masina, ilay fototry ny finoana

Sombin-dahatsoratra

petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Vao haingana izaho sy i Mary vadiko no nahita T-shirt nisy sarina boky niaraka tamin’ny hafatra teo aminy nivaky hoe: “Boky: ilay maodelina finday nisy voalohany.” …

Na vimbinina na amin’ny endriny nomerika, Ny Baiboly Masina sy Ny Bokin’i Môrmôna: Testamenta iray hafa momba an’i Jesoa Kristy dia manome fitarihana sy fampianarana avy amin’i Jesoa Kristy, ilay Mpamonjy an’izao tontolo izao. …

Araka ny efa voalazako teo, dia talanjona aho tamin’ilay hevitra hoe ny maodelina finday nisy voalohany—dia ny boky izany. Na izany aza dia ekeko ny lanja lehiben’ny internet eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. … Fitaovana mahery vaika ho an’ny fandalinana ny filazantsara ny internet. Ankehitriny dia olona marobe no mizara ny soratra masina amin’ireo namana amin’ny fampiasana ny teknôlôjia. …

Mampianatra antsika hampiasa fandanjalanjana sy ho hendry amin’ny zava-drehetra ny soratra masina. Azo ampiasaina amin’ny fomba tsara na amin’ny fomba izay manimba ny internet. …

… Aza mieritreritra ny hampiasa zavatra feno fahavetavetana na tsy marin-toetra na tsy marina. … Fenoy foto-kevitra tsara sy marina ny fiainanao, aoka ho feno fifaliana, ankafizo ny fiainana kanefa ialao ny adalana. Misy fahasamihafana. … Ambonin’izany rehetra izany, milofosa amin’ny fandalinana matetika tsy tapaka ny Bokin’i Môrmôna, izay hitondra ny Fanahy ho eo amin’ny fiainanao ary hanampy anao hanavaka ny fahamarinana amin’ny hadisoana.

Ny torohevitro ho an’ireo izay mety ho nivily niala tamin’ny lalan’ny fanekempihavanana dia ny miverina mitodika amin’ny soratra masina, ny fitarihan’ireo mpaminany, ny fiainana ny filazantsara ao an-tokatrano, ary ny hiran’ny finoana. Sarobidy amin’ Andriamanitra ny fanahy tsirairay. Mila anao izahay! Mila anao ny Tompo, ary mila Azy ianao! Ho raisina amim-pitiavana hatrany ianao.