Fivoriana Asabotsy hariva
Hamasinina ho an’ny [Tompo] amin’ny fiainana andavanandro
Sombin-dahatsoratra
Feno zavatra manome fahafahana hihomehy sy hifaly ary hijery amin’ny maso feno fankasitrahana eny amin’ny manodidina antsika. Ny filazantsarantsika dia filazantsaran’ny fifaliana sy fahamasinana amin’ny fiainana andavanandro. Ny fanamasinana dia fanokanana zavatra ho amin’ny tanjona masina. Fa ny hoe hamasinina ihany koa dia manasa antsika hampiditra ao amin’ny fiainantsika andavanandro ny zavatra masina, dia ny fifaliana noho ny mofo azontsika isan’andro, ao anatin’ny rarin-tsaina sy ny fanamby eto amin’izao tontolo izao. Mba handehanantsika miaraka amin’ny Tompo, dia tsy maintsy miova ho masina isika, satria masina Izy, ary mba hanampiana antsika ho lasa masina, dia manasa antsika ny Tompo hiara-handeha Aminy.
Ny mpianakavin’ny finoana sy ny fivondronan’ny Olomasina dia miady amin’ny fahatsapana ho mitoka-monina sy ny fahatsapana ho irery anaty olona maro. Ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo dia mandà ny tsy fahamasinana, mandà ny hafetsifetsena miteraka fahavoazana ho an’ny hafa, mandà ireo algorythmes izay mampiasa fahatezarana sy fisaraham-bazana ho fitadiavam-bola. Ny hoe hamasinina ho an’ny Tompo dia manaiky izay masina sy maneho fanajana, manaiky ny fiovantsika ho olona afaka indrindra, faly indrindra, tsisy fitaka, ary olona tsara indrindra eo am-panarahantsika Azy am-pinoana.
Mahatonga ny fiainana andavanandro ho masina ny hoe hamasinina ho [an’ny Tompo]. Izany dia mampanakaiky kokoa antsika amin’ny Tompo sy amin-tsika samy isika, mitondra fifaliana kokoa ary manomana antsika mba hiaina miaraka amin’ Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy ary ireo olona akaiky ny fontsika.
Afaka mahatsapa ny fitiavany isika rehefa manao ny fahamasinana ho an’ny Tompo ho fiainantsika isan’andro, ka ho sambatra mandrakizay.