Fivoriana sabotsy maraina
Manàna fiainana mendrika ireo tombontsoa natao ho anao
Sombin-dahatsoratra
Mamela an’ Andriamanitra hanamasina antsika sy hanatanteraka fahagagana eo amin’ny fiainantsika ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana. Fa ahoana no hitrangan’izany?
Voalohany, mba hahatonga ny ôrdônansy iray hampiharihary ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, dia mila tanterahina amin’ny fahefana avy amin’ny Zanak’ Andriamanitra izany. …
Faharoa, tsy manao fampanantenan’ny fanekempihavanana fotsiny isika, fa tsy maintsy tandremantsika koa izy ireny. …
Nandritra ny fotoana nampianarana ny Mpaminany Joseph ny amin’ireo fanalahidy, ny anjara fanompoana, ny ôrdônansy sy ny fomba fanampiana amin’ny asa fanompoana ataon’ny fisoronana, dia ny Tompo mihitsy no nanome fanambarana ho an’i Emma tamin’ny alalan’ny mpaminaniny. …
Raha vakintsika tsara ny fizarana faha-25 dia ho hitantsika fa misy fivoarana manan-danja miseho ao. I Emma dia niainga avy tamin’ny naha-zanakavavin’ny fanjakana azy ho amin’ny “vehivavy nofinidy” ary lasa mpanjakavavy. Ireo ôrdônansin’ny Fisoronana Aharôna sy Melkizedeka omban’ny fitandremany ireo fampanantenan’ny fanekempiavanany dia hampitombo ny fananany ny Fanahy miaraka aminy sy ny fanatrehan’ireo anjely azy, mba hanome hery azy hamakivaky ny fiainany omban’ny fitarihana avy amin’ Andriamanitra. …
… Izany dia tiako ho takatry ny zazavavy tsirairay ato amin’ny fanjakana.
“Manàna fiainana mendrika ireo tombontsoa natao ho anao.”
Ianaro hoe ahoana ny fomba hamelan’ireo ôrdônansin’ny fisoronana sy ireo fampanantenan’ny fanekempihavanana ny herin’ Andriamanitra hikoriana eo amin’ny fiainanao amin’ny fomba mahomby kokoa, ary miasa ao aminao sy amin’ny alalanao, ary manome hery sy fampitaovana anao mba hahatratra ny tanjonao feno sy izay mety hahatongavanao. …
Afaka mahazo ny fanomezana ny herin’ Andriamanitra avokoa isika rehetra.
Isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo isika.
Isaky ny mandingana ny tokonam-baravaran’ny tempoly isika.
Izany no fotoana manan-danja indrindra amin’ny Sabatako. Izany no antony ankamamiako ny fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izay hazoniko.
“Miharihary … ny herin’ny toetra araka an’ Andriamanitra” [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:20] ao amin’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansin’ny tempoly.