Fivoriana sabotsy hariva
Ny fifaliana noho ny fanavotana antsika
Sombin-dahatsoratra
Ny fibebahana dia manome fahafahana antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy hahafantatra Azy ary hitia Azy amin’ny fomba izay tsy ho fantatsika mihitsy raha tamin’ny fomba hafa. …
Fantatro fa i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika dia mahery ka mahavonjy. …
Mety mahatsapa ianao indraindray fa angamba tsy afaka ny hahazo anjara amin’ny fitiavan’ Andriamanitra na ny herin’ny sorompanavotan’ny Mpamonjy noho ny zava-manahirana anao na noho ny zavatra nataonao. Saingy mijoro ho vavolombelona aho fa afaka ny hanakatra anao foana ny Mpampianatra. …
Rehefa miaina ireo fanekempihavanana nataontsika isika, dia afaka manome antsika ny fanampiana sy ny hery ilaintsika hamantarana sy handresena ny fahalementsika ny Tompo, ka ao anatin’izany ilay bibikely manimba ny ara-panahy dia ny avonavona. …
… Ny filantsika fanasitranana sy fanampiana dia tsy enta-mavesatra ho Azy fa izany no tena antony nahantongavany. …
Mahita anao ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika. Fantany ny ao am-ponao. Miraharaha ny zavatra izay raharahainao Izy ireo, ka tafiditra ao anatin’izany ireo olona akaikin’ny fonao. …
Raha toa ianao ka sahirana eo anatrehan’ny toe-javatra iray izay heverinao fa tokony ho efa mba nilamina raha amin’izao fotoana izao, dia aza milavo lefona. Manàna faharetana amin’ny tenanao, hajao ny fanekempihavanana nataonao, mibebaha matetika, mitadiava fanampiana avy amin’ny mpitarika anao raha ilaina izany ary mandehana tsy tapaka any amin’ny tranon’ny Tompo araka izay azonao atao. Henoy sy araho ireo bitsika alefany aminao. Tsy hiala amin’ny fifandraisana ara-panekempihavanana nataony taminao Izy. …
Ny andro tsirairay dia andro vaovao feno fanantenana sy fahafahana manao zavatra azo araraotina noho i Jesoa Kristy.