Fivoriana sabotsy tolakandro
Mampifanaraka ny sitrapontsika amin’ny Azy
Sombin-dahatsoratra
Ry namako malala, raha misafidy ny hamela an’ Andriamanitra ho ilay hery mitarika mahery vaika eo amin’ny fiainantsika isika eo anatrehan’ireo fikatsahan-javatra feno fitiavan-tena ataontsika, dia afaka mivoatra isika amin’ny maha-mpianatra antsika ary afaka mampitombo ny fahafahantsika mampiray ny saintsika sy ny fontsika amin’ny Mpamponjy. Etsy ankilany, rehefa tsy avelantsika hanjaka eo amin’ny fiainantsika Andriamanitra, dia ho tavela irery isika, ary rehefa tsy manana ilay fitarihana feno fitaomam-panahy avy amin’ny Tompo dia afaka manamarin-tena eo anatrehan’ny ankamaroan’ny zavatra izay ataontsika na tsy ataontsika isika. Afaka manao fialana fondro ho an’ny tenantsika koa isika eo anatrehan’ny fanaovan-javatra araka ny fombantsika amin’ny alalan’ny filazana hoe, raha ny marina dia “Manao zavatra araka ny fombako fotsiny aho”. …
… Na dia eo aza ireo toe-javatra iainana toy ireo olana ara-pototarazo, ara-jeôgrafika, sy ara-batana ary ara-tsaina izay misy fiantraikany eo amin’ilay dia ataontsika, raha ny mahakasika ireo zavatra manan-danja indrindra, dia misy toerana ao anaty ao izay ahafahantsika misafidy na hanapa-kevitra hanaraka ilay lamina izay nomanin’ny Tompo ho an’ny fiainantsika isika na tsia. …
Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia maniry ny handeha eo amin’ilay lalana izay nosoritany ho antsika nandritra ny asa fanompoany teto an-tany isika. Tsy maniry fotsiny ny hanao ny sitrapony sy hanao ny zavatra rehetra izay hahafaly Azy isika fa hikatsaka ny haka tahaka Azy. …
Mijoro ho vavolombelona aminareo aho fa ny fanarahana ny sitrapon’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika dia hanome fahafahana antsika hahita ilay vatosoa faran’izay sarobidy, dia ny fanjakan’ny lanitra izany. Mivavaka aho mba rehefa tonga ny fotoanantsika sy ny anjarantsika, dia ho afaka isika tsirairay ny hanambara amin’ny Raintsika any An-danitra sy i Jesoa Kristy Mpamonjy, miaraka amin’ny fananana fahatokiana ny fanekempihavanana natao, hoe “izay mety Aminao dia mety amiko”.