2024
Manara-dia an’i Kristy
Nôvambra 2024


Fivoriana sabotsy maraina

Manara-dia an’i Kristy

Sombin-dahatsoratra

petadrindrina

Hisintona ny endrika PDF

Tsy zavatra ataotao fahatany na tsindraindray ny fanarahana an’i Kristy. Fanolorantena tsy tapaka sy fomba fiaina izay tokony hitarika antsika amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny toerana rehetra izany. Mamaritra ny lalana ho an’ny mpianatr’i Jesoa Kristy tsirairay avy ny fampianarany sy ny ohatra nasehony. …

Ny didin’ Andriamanitra dia manome hery fitarihana sy mampiorim-paka ho an’ny fiainantsika. …

Ny fampianaran’ny Mpamonjy anankiray hafa koa dia toa mila fanantitranterana indray manoloana ny zava-misy amin’izao androntsika izao.

Izao dia fotoana ilazan’ny olona teny mahery sy mandratra maro eo amin’ny sehatry ny fifandraisana ifanaovana ampahibemaso ary indraindray eny amin’ny fianakaviantsika mihitsy aza. …

Inona no tokony hampianarin’ny mpanara-dia an’i Kristy sy hataony eo anatrehan’izao tontolon’ny fifandraisana manapoizina izao? Inona avy ireo fampianarana sy ohatra nasehony? …

… Mila mitia sy manao ny tsara amin’ny rehetra isika. Mila misoroka ny fifandirana ary ho mpampihavana amin’izay fifandraisana rehetra ataontsika isika. Tsy midika izany fa mampandefitra ireo fitsipika sy laharam-pahamehantsika isika, fa atsahatsika kosa ny fanafihana amin’ny fomba mahery ny hafa noho ny azy ireo. Izany no nataon’ilay Ohatra fakan-tahaka tonga lafatra ho antsika fony Izy nanompo tety an-tany. Izany no ohatra napetrany ho antsika, raha nanasa antsika hanara-dia Azy Izy. …

Amin’ny maha-mpanara-dia an’i Kristy antsika dia mampianatra sy mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy, ilay Ohatra fakan-tahaka tonga lafatra ho antsika isika. Koa dia aoka isika hanara-dia Azy ka hisoroka ny fifandirana. Rehefa miady ho an’ireo lalàna tiantsika eo amin’ny sehatry ny fifampiraharahana amin’ny hafa isika dia andeha isika ho mendrika ireo fitahiany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fiteny sy fomba fiasan’ny mpampihavana. Ao amin’ny fianakaviantsika sy ireo fifandraisana manokana hafa misy eo amin’ny fiainantsika, dia aoka isika hisoroka izay mety ho zavatra mahery sy feno fankahalana.