Institiota
Fampahafantarana ny Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana institiota


Fampahafantarana ny Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana institiota

Tsindrio eto mba hakana ity boky torolalana ity amin’ny endrika PDF.

Ny tanjon’ny Asondroty ny Traikefa amin’ny Fianarana (ATF) dia ny hanomezana ny mpianatra fahafahana hanana traikefa manan-danja momba ny tenin’ Andriamanitra. Ho tratran’ny mpianatra kokoa io tanjona io rehefa mahatakatra bebe kokoa, sy mampihatra, ary mizara ny fampianaran’i Jesoa Krisy izy ireo. Takina ny hahavitana ny iray amin’ireto ATF telo manaraka ireto mba hahazoana ny isa tratrarina ho an’ny fandaharam-pianarana tsirairay:

  1. Ireo fanontaniana momba ny Asondroty ny Traikefan’ny Fianarana: Ny mpianatra dia mandinika sy mamaly fanontaniana hoenti-mandalina mandritra ny fandaharam-pianarana. Misy ireo fanontaniana manokana ho an’ny tsirairay amin’ireo fandaharam-pianarana Vatofehizoro efatra ary koa fanontaniana ankapobeany azo safidiana hatao na tsia ho an’ireo fandaharam-pianarana hafa rehetra. Ireto eto ambany ireto ireo rohy ahitana ireo fanontaniana hoenti-mandalina.

    Ny fianakaviana mandrakizay (Fianarana ny filazantsara faha-200)

    Ireo fototry ny Famerenana amin’ny laoniny (Fianarana ny filazantsara faha-225)

    I Jesoa Kristy sy ny filazantsara maharitra mandrakizay (Fianarana ny filazantsara faha-250)

    Ireo fampianarana sy fotopampianaran’ny Bokin’i Môrmôna (Fianarana ny filazantsara faha-275)

    Ireo taranja ankapobeny azo safidiana hatao na tsia

  2. Diary fandalinana soratra masina: Iraketan’ny mpianatra tsy tapaka ny zavatra izay ianarany, sy ny fomba hampiharany izany, ary ny fomba nanatanjahan’ny traikefa nananany ny finoany an’i Jesoa Kristy.

  3. Tetikasa fianaran’ny tena manokana: Manao drafitra ary mamita drafitrasa fianaran’ny tena manokana izay nankatoavin’ny mpampianatra azy ireo ny mpianatra. Ahitana soritra ny fianarana sy ny fampiharana ny fotopampianarana ary ny fitsipika resahina ao amin’ny fandaharam-pianarana ilay drafitrasa ary mamintina ihany koa ny fomba nampatanjahana ny finoan’ny mpianatra an’i Jesoa Kristy.

Ho fanazaran-tena amin’ny fomba fampiasana ireo fanontaniana ao amin’ny Asondroty ny traikefa amin’ny fianarana dia jereo ilay horonantsary “How to Use the Elevate Learning Experience” (LDS.org).

Hahazo tombony bebe kokoa avy amin’ity traikefa ity ny mpianatra raha toa ka manomboka aloha, manao izany matetika, sy mikatsaka ny hahazo tatitra, ary mizara ny traikefan’izy ireo amin’ny fianakaviany sy ny namany, na mivantana na amin’ny tambazotra ifaneraserana. Azo arindra ny fotoam-pianarana mba hanomezana fahafahana ny mpianatra hanazava, hizara, ary hijoro ho vavolombelona momba ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Aorian’ny fotoam-pianarana tsirairay, dia azon’ny mpianatra atao ny manampy na manitsy ny drafitrasa amin’ny fianaran’izy ireo manokana mba hanehoana ny fahatakarana sy ny fampiharan’izy ireo manokana ny fitsipiky ny filazantsara izay noresahana.

Misy fanazavana fanampiny azo jerena ao amin’ny Ireo fanontaniana apetraka matetika (Frequently Asked Questions na FAQ) mahakasika ny Asondroty ny Traikefan’ny Fianarana ho an’ny Institiota.

Alefaso any amin’ny la-feedback@ChurchofJesusChrist.org azafady ny fanamarihana avy aminao.