Ny soratra masina
Abrahama 4


Toko 4

Novolavolain’ireo Andriamanitra ny fahariana ny tany sy ny aina rehetra eo aminy—Aroso etoana ny drafiny nandritra ny enina andro nahariana izao tontolo izao.

1 Ary hoy ny Tompo tamin’izay: Andeha isika hidina. Dia nandeha nidina izy ireo tany aam-piandohana, ary izy ireo, izany hoe ireo Andriamanitra, dia bnahary sy namorona ny lanitra sy ny tany.

2 Ary ny tany, taorian’ny namoronana azy, dia foana sy tsy nisy mponina, satria tsy mbola namorona na inona na inona afa-tsy ny tany izy ireo; ary haizina no nanjaka tambonin’ny lalina ary ny Fanahin’ireo Andriamanitra no ananomba tambonin’ny rano.

3 Ary hoy Izy ireo (Ireo Andriamanitra): Aoka hisy hazavana; dia nisy hazavana.

4 Ary hitan’izy ireo (ireo Andriamanitra) ny hazavana, fa mamirapiratra izany; ary nosarahin’izy ireo ny hazavana, na nampisaraka izany tamin’ny haizina Izy ireo.

5 Ary ireo Andriamanitra nanao ny hazavana hoe Andro, ary ny haizina dia nataony hoe Alina. Ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny hariva ka mandra-maraina no nataony hoe alina; ary hatramin’ny maraina ka mandram-pahahariva no nataony hoe andro; ary izany no voalohany na fiandohan’izay nataony hoe andro sy alina.

6 Ary hoy koa ireo Andriamanitra: Aoka hisy ahabakabaka eo afovoan’ny rano ary hampisaraka ny rano amin’ny rano.

7 Ary nodidian’ireo Andriamanitra ny habakabaka, ka dia nampisaraka ny rano izay ambanin’ny habakabaka amin’ny rano izay ambonin’ny habakabaka izany; dia to izany, araka izay nandidian’izy ireo.

8 Ary ireo Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe aLanitra. Ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny hariva ka mandra-maraina no nataony hoe alina; ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny maraina ka mandra-pahahariva no nataony hoe andro, ary izany no bfotoana faharoa izay nataony hoe alina sy andro.

9 Ary ireo Andriamanitra dia nandidy, nanao hoe: Aoka ny arano ambanin’ny lanitra hiara-hiangona amin’ny btoerana iray ary aoka hiseho ny maina; dia to araka izay nandidian’izy ireo izany.

10 Ary ireo Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny fiarahan’ny rano miangona dia nataony hoe aRano Lehibe; ary hitan’ireo Andriamanitra fa nankatoavina Izy ireo.

11 Ary hoy ireo Andriamanitra: Aoka isika hanomana ny tany hamoazany aahitra sy anana mamoa; hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka ny voany ao aminy dia mamoa ny iray tarika aminy ihany eto an-tany; ary izany dia to araka izay nandidian’izy ireo.

12 Ary ireo Andriamanitra dia nahary ny tany mba hamoazany ahitra avy amin’ny voany ihany sy ny anana hamoazany anana avy amin’ny voany, sady manana voa samy araka ny karazany avy; ary ny tany mba hamoazany hazo avy amin’ny voany ihany, sady manana voa, ka ny voany dia tsy mamoa afa-tsy izay iray tarika aminy ihany, samy araka ny karazany avy; ary hitan’ireo Andriamanitra fa nankatoavina Izy ireo.

13 Ary ny zava-nitranga dia nisain’izy ireo ny andro; hatramin’ny hariva ka mandra-maraina, dia nataony hoe alina; ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny maraina ka mandra-pahahariva no nataony hoe andro; ary izany no fotoana fahatelo.

14 Ary ireo Andriamanitra dia nandamin’ny ireo ahazavana teny amin’ny habakabaky ny lanitra ka nahatonga azy ireo hampisaraka ny andro amin’ny alina; nandamin’ny azy ireo mba ho famantarana sy ho tonontaona ary ho andro sy ho taona;

15 Ary nandamin’ny azy ireo mba ho fahazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra, hanome hazavana ny tany; dia to izany.

16 Ary ireo Andriamanitra dia nandamin’ny ireo hazavana lehibe roa, ny ahazavana lehibe kokoa hanapaka ny andro, ary ny hazavana kelikely kokoa hanapaka ny alina; miaraka amin’ny hazavana kelikely kokoa no nametrahana ireo kintana ihany koa;

17 Ary ireo Andriamanitra dia nametraka azy ireo teny amin’ny habakabaky ny lanitra, mba hanome hazavana ny tany ary hanapaka amin’ny andro sy amin’ny alina, ka hampisaraka ny hazavana amin’ny haizina.

18 Ary ireo Andriamanitra dia nanara-maso ireo zavatra izay efa nodidiany ireo ambara-pankatoavan’izy ireny.

19 Ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny hariva ka mandra-maraina no alina; ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny maraina ka mandra-pahahariva no andro; ary izany no fotoana fahefatra.

20 Ary hoy ireo Andriamanitra: Aoka isika hanomana ny rano mba ho sesehena ny voary mihetsika izay manana aina haterany; ary ny vorona, mba hahazoany manidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaka malalaky ny lanitra.

21 Ary nanomana ny rano ireo Andriamanitra mba hahazoan’izany mamoaka ireo atrozona lehibe sy ireo voary manana aina rehetra, izay mihetsika, izay sesehena natao havoaky ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny vorona manan’elatra rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ireo Andriamanitra fa nankatoavina Izy ireo, fa tsara ny drafiny.

22 Ary hoy ireo Andriamanitra: Hitahy azy ireo Isika ka hahatonga azy ho maro anaka sy hihabetsaka ary hameno ny rano ao amin’ny ranomasina na ireo arano lehibe; ary hahatonga ny vorona hihamaro eo amin’ny tany.

23 Ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny hariva ka mandra-maraina no nataony hoe alina; ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny maraina ka mandra-pahahariva no nataony hoe andro; ary izany no fotoana fahadimy.

24 Ary nanomana ny tany ireo aAndriamanitra mba hamoahan’izany ireo voary manana aina samy araka ny karazany avy, biby fiompy sy zava-mandady ary biby ny tany, samy araka ny karazany avy; ary izany dia to araka izay nolazainy.

25 Ary ireo Andriamanitra dia nahary ny tany mba hamoahan’izany ireo biby, samy araka ny karazany avy, sy biby fiompy samy araka ny karazany avy, ary ny zavatra rehetra mandady amin’ny tany, samy araka ny karazany avy; ary hitan’ireo Andriamanitra fa hankatò izy ireo.

26 Ary anifampidinika ireo Andriamanitra ka nanao hoe: Andeha Isika hidina ary hamorona bolona tahaka ny dendritsika, araka ny tarehintsika; ary homentsika azy ireo ny hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy amin’ny voron’ny habakabaka ary amin’ny biby fiompy sy amin’ny tany manontolo ary amin’ny zava-mandady rehetra, izay mandady amin’ny tany.

27 Dia nidina ireo aAndriamanitra mba hamorona ny olona tahaka ny endriny, tahaka ny endrik’ireo Andriamanitra no namoronany azy, lahy sy vavy no namoronany azy ireo.

28 Ary hoy ireo Andriamanitra: Hitahy azy ireo Isika. Ary hoy ireo Andriamanitra: Isika dia hahatonga azy ireo ho maro fara sy hihabetsaka ary hameno ny tany ka hampanompo azy, ary hanjaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy amin’ny voron’ny habakabaka ary amin’ny zavatra velona rehetra izay mihetsika eo amin’ny tany.

29 Ary hoy ireo Andriamanitra: Indro, homentsika azy ireo ny anana rehetra manintsam-boa izay maniry eto ambonin’ny tany manontolo sy ny hazo rehetra izay misy voa; eny, ny voan’ny hazo rehetra manintsam-boa no homentsika azy ireo; izany no ho afihinany.

30 Ary ny biby rehetra eto an-tany sy ny voron’ny habakabaka ary ny zavatra rehetra izay mandady amin’ny tany, indro, homentsika aina ireo, ary homentsika azy ireo koa ny anana maitso ho fihinany, ary ireo zavatra rehetra ireo dia hohariana toy izany.

31 Ary hoy ireo Andriamanitra: Hanao ny zava-drehetra izay efa nolazaintsika isika ary hahary azy ireo; ary indro, ho tena mpankatò izy ireo. Ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny hariva ka mandra-maraina no nataony hoe alina; ary ny zava-nitranga dia hatramin’ny maraina ka mandra-pahahariva no nataony hoe andro; ary nisainy ny fotoana afahenina.