Toko 3
Nifindra monina tany amin’ny tany andafiavaratra ny Nefita maro—Nanorina trano tamin’ny simenitra sy nitana rakitsoratra maro izy ireo—An’alina no niova fo sy natao batisa—Nitarika ny olona hankamin’ny famonjena ny tenin’ Andriamanitra—Nipetraka teo amin’ny toeram-pitsarana i Nefia, zanakalahin’i Helamàna. Tokony ho 49–39 taona talohan’i Kristy.
1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahatelo amby efapolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia tsy nisy fifandirana teo anivon’ny vahoakan’i Nefia afa-tsy fiavonavonana kely izay tao amin’ny fiangonana, izay nahatonga tsy fifanarahana kely sasantsasany teo anivon’ny vahoaka, dia raharaha izay voalamina tamin’ny fiafaran’ny taona fahatelo amby efapolo.
2 Ary tsy nisy fifandirana teo anivon’ny vahoaka tamin’ny taona fahefatra amby efapolo; sady tsy nisy koa fifandirana firy tamin’ny taona fahadimy amby efapolo.
3 Ary ny zava-nitranga, tamin’ny taona fahenina amby efapolo, eny, dia nisy fifandirana be sy fiendahana maro; tamin’izany dia nisy maro izaitsizy tokoa no niainga niala ny tanin’i Zarahemlà sy nankamin’ny tany andafiavaratra handova ny tany.
4 Ary nandeha tamin’ny halavirana lehibe izaitsizy tokoa izy mandra-pahatongany teo amin’ny vondron-drano midadasika sy ny renirano maro.
5 Eny, ary niely patrana izy na dia tany amin’ny faritry ny tany rehetra aza, na taiza na taiza faritra ka tsy efa rava sy tsy nisy vatan-kazo, noho ny mponina maro izay efa nandova ny tany teo aloha.
6 Ary ankehitriny dia tsy nisy faritry ny tany izay rava, raha tsy noho ny tsy fisiana vatan-kazo; nefa noho ny halehiben’ny famongorana ny vahoaka izay efa nonina teo amin’ny tany teo aloha dia nantsoina hoe rava izany.
7 Ary tsy nisy afa-tsy vatan-kazo vitsy teo amin’ny faritry ny tany, kanefa ny vahoaka izay nandeha tany dia nanjary havanana izaitsizy tokoa tamin’ny fampiasana simenitra; koa naoriny tamin’ny simenitra ny trano izay nitoerany.
8 Ary ny zava-nitranga dia nitombo sy niely patrana izy ary nandeha avy tany amin’ny tany andafiatsimo ka hatrany amin’ny tany andafiavaratra ary niely patrana hany ka nanomboka nandrakotra ny lafin-tany manontolo, hatrany amin’ny ranomasina atsimo ka hatrany amin’ny ranomasina avaratra, hatrany amin’ny ranomasinaa andrefana ka hatrany amin’ny ranomasina atsinanana.
9 Ary ny vahoaka izay tao amin’ny tany andafiavaratra dia nitoetra tao anaty lay sy tao anaty trano vita tamin’ny simenitra ary namela rehefa mety ho hazo rehetra izay tokony haniry eto ambonin’ny tany izy ny hitomboany, mba hahazoany manana, amin’ny fotoana, vatan-kazo hanorenana ny tranony, eny, ny tanànany sy ny tempoliny ary ny sinagogany sy ny fitoeramasiny ary ny karazana fanorenany rehetra.
10 Ary ny zava-nitranga, satria nahalana izaitsizy tokoa ny vatan-kazo tao amin’ny tany andafiavaratra dia nanondrana betsaka tamin’ny sambo izy.
11 Ary dia toy izany no nahavitan’ny vahoaka tao amin’ny tany andafiavaratra nanorina tanàna maro, sady tamin’ny hazo no tamin’ny simenitra.
12 Ary ny zava-nitranga dia nisy maro tamin’ny vahoakan’i Amôna, izay Lamanita ara-pahaterahana, no nandeha koa nankamin’izany tany izany.
13 Ary ankehitriny dia misy maro ny rakitsoratra tanana momba ny zava-bitan’ity vahoaka ity, tanan’ny maro amin’ity vahoaka ity momba azy, izay amin’ny an-tsipiriany sy tena makadiry.
14 Nefa indro, ny ampahazaton’ny zava-bitan’ity vahoaka ity, eny, ny fitantarana ny amin’ny Lamanita sy ny amin’ny Nefita ary ny adiny sy ny fifandirany ary ny fisaraham-bazany ary ny fitoriany sy ny faminaniany, ary ny fanondranany amin’ny sambo ary ny fanamboarany sambo ary ny fanorenany tempoly sy sinagoga ary fitoeramasiny, ary ny fahamarinany sy ny faharatsiany ary ny famonoany olona ary ny fandrobany sy ny famaboany fananana ary ny karazana fahavetavetana sy fijangajangana rehetra, dia tsy hita hotanana ao amin’ity asa soratra ity.
15 Nefa indro, misy boky maro sy rakitsoratra maro isan-karazany, ary ireny dia efa notanan’ny Nefita ny ankabeazany.
16 Ary ireny dia efa natolotry ny Nefita ny taranaka ho an’ny iray hafa, ambara-pahalavo azy tao amin’ny fandikan-dalàna ka efa namonoina, nandrobana, ary nihazana sy nandroahana, ary nandringanana sy nanelezana azy tambonin’ny tany, ary nampifangaroana azy tamin’ny Lamanita ambara-piantso azy tsy ho Nefita intsony, satria tonga ratsy sy baribariana ary lozabe izy, eny, nanjary Lamanita mihitsy.
17 Ary ankehitriny dia iverenako indray ny fitantarako; noho izany, izay efa noteneniko dia efa nitranga taorian’ny efa nisian’ny fifandirana lehibe sy fikorontanana ary ady sy fisaraham-bazana, teo anivon’ny vahoakan’i Nefia.
18 Nifarana ny taona fahenina amby efapolon’ny fitondran’ny mpitsara;
19 Ary ny zava-nitranga dia mbola nisy fifandirana be teo amin’ny tany, eny, na dia tamin’ny taona fahafito amby efapolo aza, ary koa tamin’ny fahavalo amby efapolo.
20 Na dia teo aza izany, dia nitondra ny toeram-pitsarana tamin’ny rariny sy ny hitsiny i Helamàna; eny, niezaka izy ny hitandrina ny fitsipika sy ny lalàna ary ny didin’ Andriamanitra; ary nanao izay marina teo imason’ Andriamanitra lalandava izy; ary izy dia nandeha tamin’ny làlan-drainy, hany ka dia niroborobo teo amin’ny tany.
21 Ary ny zava-nitranga dia nanana zanaka roa lahy izy. Nomeny ny anarana hoe Nefia ny lahimatoa ary i Lehia ny zandriny. Ary nanomboka nitombo tao amin’ny Tompo ireo.
22 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka nitsahatra kely ihany ny ady sy ny fifandirana teo anivon’ny vahoakan’ny Nefita, tamin’ny tapany farany ny taona fahavalo amby efapolon’ny fitondran’ny mpitsara teo amin’ny vahoakan’i Nefia.
23 Ary ny zava-nitranga tamin’ny taona fahasivy amby efapolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia nisy fandriampahalemana lalandava niorina teo amin’ny tany manontolo, raha tsy teo ny tsikombakomba miafina izay efa naorin’i Gadiantôna ilay jiolahy tamin’ny faritry ny tany be mponina kokoa, izay tsy fantatr’ireo izay lohan’ny governemanta tamin’izany fotoana izany; noho izany dia tsy nofongorana ho foana tamin’ny tany izy ireo.
24 Ary ny zava-nitranga, tamin’izany taona izany ihany, dia nisy fandrosoana lehibe izaitsizy tokoa tao amin’ny fiangonana, hany ka nisy an’arivony no nikambana tamin’ny fiangonana sy natao batisa ho amin’ny fibebahana.
25 Ary lehibe tokoa ny fandrosoan’ny fiangonana, ka maro tokoa ny fitahiana izay nirotsaka tamin’ny vahoaka, ka na dia ny tenan’ny mpisorona avo sy ny mpampianatra aza dia nitalanjona nihoa-pampana.
26 Ary ny zava-nitranga dia nandroso ny asan’ Andriamanitra tamin’ny fanaovana batisa sy ny fampiraisana tamin’ny fiangonan’ Andriamanitra, fanahy maro, eny, an’alina mihitsy.
27 Dia toy izany no ahazoantsika mahita fa ny Tompo dia feno famindram-po amin’ireo rehetra izay hiantso ny anarany masina amin’ny fahatsoran’ny fony.
28 Eny, dia toy izany no ahitantsika fa ny vavahadin’ny lanitra dia mivoha ho an’ny rehetra, dia ho an’ireo izay hino ny anaran’i Jesoa Kristy izay Zanak’ Andriamanitra.
29 Eny, hitantsika fa izay rehetra manaiky dia mahazo mihazona ny tenin’ Andriamanitra, izay mailaka sy mahery, izay hampisaratsaraka ny hafetsena rehetra sy ny fandrika ary ny famitahan’ny devoly sy hitarika ny olon’i Kristy amin’ny lalana ety sy tery mamakivaky ny tevan’ny fahoriana maharitra mandrakizay, izay voaomana hitelina ny olon-dratsy—
30 Ary hametraka ny fanahiny, eny, ny fanahiny tsy mety maty eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra mba hiara-mitoetra amin’i Abrahama sy i Isaka ary miaraka amin’i Jakoba sy miaraka amin’ny razantsika masina rehetra, ka tsy hivoaka any ivelany intsony.
31 Ary tamin’izany taona izany dia nisy haravoana lalandava tao an-tanin’i Zarahemlà sy tamin’ny faritra rehetra manodidina, dia tamin’ny tany rehetra izay nozakain’ny Nefita.
32 Ary ny zava-nitranga dia nisy fandriampahalemana sy fifaliana lehibe izaitsizy tokoa tamin’ny tapany farany ny taona fahasivy amby efapolo; eny, ary nisy koa fandriampahalemana lalandava sy fifaliana lehibe tamin’ny taona fahadimampolon’ny fitondran’ny mpitsara.
33 Ary tamin’ny taona fahiraika amby dimampolon’ny fitondran’ny mpitsara dia nisy fandriampahalemana koa, raha tsy teo ny fiavonavonana izay nanomboka niditra tao am-piangonana—tsy tao amin’ny fiangonan’ Andriamanitra, fa tao am-pon’ny olona kosa izay nihambo ho isan’ny fiangonan’ Andriamanitra—
34 Ary efa tafasondrotra tao amin’ny avonavona izy, hatrany amin’ny fanenjehana ny maro tamin’ny rahalahiny. Ankehitriny, izany dia faharatsiana lehibe izay nahatonga ny ampahany nanetry tena kokoa tamin’ny vahoaka hiaritra fanenjehana lehibe sy handeha mamakivaky fahoriana be.
35 Na dia teo aza izany, dia nifady hanina sy nivavaka matetika izy, ary nihanahery kokoa hatrany hatrany tao amin’ny fietreny sy nihamafy kokoa hatrany hatrany tao amin’ny finoana an’i Kristy, hany ka heniky ny fifaliana sy ny fiononana ny fanahiny, eny, na dia hatramin’ny fanadiovana sy ny fanamasinana ny fony aza, izay fanamasinana tonga noho ny nanolorany ny fony ho an’ Andriamanitra.
36 Ary ny zava-nitranga dia nifarana tao amin’ny fandriampahalemana koa ny taona faharoa amby dimampolo, raha tsy teo ny avonavona lehibe izaitsizy tokoa izay efa niditra ny fon’ny vahoaka; ary izany dia noho ny hareny lehibe izaitsizy tokoa sy ny firoboroboany teo amin’ny tany; ary nitombo teo aminy isan’andro isan’andro izany.
37 Ary ny zava-nitranga tamin’ny taona fahatelo amby dimampolon’ny fitondran’ny mpitsara, dia nodimandry i Helamàna, ary i Nefia zanany lahimatoa no nitondra teo amin’ny toerany. Ary ny zava-nitranga dia nitondra ny toeram-pitsarana tamin’ny rariny sy ny hitsiny izy; eny, nitandrina ny didin’ Andriamanitra sy nandeha tamin’ny lalan-drainy izy.