Ny soratra masina
1 Nefia 16


Toko 16

Ny mahasarotra ny fandraisan’ny olon-dratsy ny fahamarinana—Nanambady ny zanakavavin’i Ismaela ny zanakalahin’i Lehia—Nitarika ny diany tany an-tany foana ny Liahônà—Nosoratana ombieny ombieny teo amin’ny Liahônà ny hafatra avy tamin’ny Tompo—Maty Ismaela; nimonomonona ny ankohonany noho ny fahoriany. Tokony ho 600–592 taona talohan’i Kristy.

1 Ary ankehitriny ny zava-nitranga, izaho Nefia rehefa avy namarana ny firesahana tamin’ny rahalahiko, dia indro hoy ireo tamiko: Nilaza zavatra henjana taminy ianao mihoatra noho izay hainay zakaina.

2 Ary ny zava-nitranga dia nolazaiko azy ireo fa fantatro fa efa niteny zavatra henjana nanohitra ny olon-dratsy aho araka ny fahamarinana; ary ny olo-marina dia efa nohamariniko sy nambarako fa hasandratra amin’ny andro farany; koa sarotra ho an’ny olo-meloka ny mandray ny fahamarinana, satria manatrobaka azy hatrany anatiny izany.

3 Ary ankehitriny ry rahalahiko, raha marina ianareo ary te hihaino ny fahamarinana sy hitandrina izany mba hahazoanareo mandeha amin’ny fahitsiana eo anoloan’ Andriamanitra, dia tsy himonomonona noho ny fahamarinana ianareo amin’izany ka hiteny hoe: Miteny zavatra henjana mamely anay ianao.

4 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nandrisika ny rahalahiko tamin’ny fahazotoana rehetra mba hitandrina ny didin’ny Tompo.

5 Ary ny zava-nitranga dia nanetry tena teo anoloan’ny Tompo izy ireo; hany ka nahazo fifaliana sy fanantenana lehibe ny aminy aho fa handeha amin’ny lalan’ny fahamarinana izy ireo.

6 Ankehitriny, ireo zavatra rehetra ireo dia nolazaina sy nitranga raha nonina tao an-day ny raiko tao an-dohasaha izay nantsoiny hoe Lemoela.

7 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nampakatra ny anankiray tamin’ny zanakavavin’i Ismaela ho vady; ary nampakatra ny zanakavavin’i Ismaela ho vadiny koa ny rahalahiko; ary nampakatra ny vavimatoan’i Ismaela ho vadiny koa i Zôrama.

8 Ary dia toy izany no nahatanterahan-draiko avokoa ny didin’ny Tompo izay efa nomena azy. Ary izaho Nefia koa dia efa notahian’ny Tompo fatratra tokoa.

9 Ary ny zava-nitranga dia niteny tamin-draiko ny feon’ny Tompo nony alina sy nandidy azy hizoran’ny diany mankany an-tany foana ny ampitso.

10 Ary ny zava-nitranga raha nifoha ny raiko ny maraina sy nandeha hivoaka ny tokonan’ny lay, dia hagagana lehibe ny azy nahatazana teo amin’ny tany bola boribory iray izay araka ny fahaizana asa kanto; ary izany dia vita tamin’ny varahina tsy misy fangarony. Ary nisy sahaza roa tanatin’ny bola; ary ny iray nanondro ny lalana izay tokony hizoranay mankany an-tany foana.

11 Ary ny zava-nitranga dia nangoninay miaraka avokoa ny zavatra tokony hoentinay mankany an-tany foana sy ny ambiny rehetra tamin’ny vatsinay izay efa nomen’ny Tompo anay; ary nakanay ny voa isan-karazany izay azonay entina mankany an-tany foana.

12 Ary ny zava-nitranga dia nentinay ny lainay ary lasana tany an-tany foana izahay, niampita ny reniranon’i Lamàna.

13 Ary ny zava-nitranga dia nandeha nandritra ny hefarana izahay nizotra saiky nianatsimo-atsimo atsinanana ary natsanganay indray ny lainay; ary nantsoinay hoe Sazera ny anaran’ny toerana.

14 Ary ny zava-nitranga dia nentinay ny tsipikanay sy ny zana-tsipikanay ary lasana tany an-tany foana izahay hiremby hanina ho an’ny ankohonanay; ary rehefa avy niremby hanina ho an’ny ankohonanay izahay dia niverina indray tany amin’ny ankohonanay tany an-tany foana, tany amin’ilay toerana nantsoina hoe Sazera. Ary izahay dia nandeha indray tany an-tany foana, nanaraka araka ny lalana teo ihany, nandia ny faritry ny tany foana lonaka indrindra, izay tao amin’ny sisin-tany akaikin’ny Ranomasina Mena.

15 Ary ny zava-nitranga dia nandeha nandritra ny andro maro izahay, niremby hanina teny an-dalana tamin’ny tsipikanay sy ny zana-tsipikanay ary ny vatonay sy antsamotadinay.

16 Ary izahay dia nanaraka ny torolalan’ny bola, izay nitondra anay tany amin’ny faritra lonaka indrindra tamin’ny tany foana.

17 Ary rehefa avy nandeha nandritra ny andro maro izahay dia natsanganay ny lainay nandritra ny fotoana fohy mba hahazoanay miala sasatra indray sy mitady hanina ho an’ny ankohonanay.

18 Ary ny zava-nitranga rehefa nandeha hiremby hanina izaho Nefia dia nahatapaka ny tsipikako izay vita tamin’ny tsy tsy misy fangarony; ary nony efa nahatapaka ny tsipikako aho, dia indro, tezitra tamiko ny rahalahiko noho ny famoizana ny tsipikako, satria tsy nahazo remby izahay.

19 Ary ny zava-nitranga dia tsy nahita hanina izahay raha niverina tany amin’ny ankohonanay izay reraka fatratra noho ny diany ka nijaly tokoa noho ny filany hanina.

20 Ary ny zava-nitranga dia nanomboka nimonomonona izaitsizy tokoa i Lamàna sy i Lemoela ary ny zanakalahin’i Ismaela noho ny fijaliany sy ny fahoriany tany an-tany foana; ary nanomboka nimonomonona tamin’ny Tompo Andriamaniny koa ny raiko; eny, ary feno halahelo izaitsizy tokoa izy rehetra hany ka nimonomonona tamin’ny Tompo.

21 Ankehitriny ny zava-nitranga, izaho Nefia, rehefa niara-nijaly tamin’ny rahalahiko noho ny fahaverezan’ny tsipikako, ary satria efa very ny vimiaina tamin’ny tsipikany, dia nanomboka ho nanano-sarotra fatratra tokoa ny fihazana, eny, ka dia tsy nety nahazo hanina izahay.

22 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia niteny betsaka tamin’ny rahalahiko, satria efa nanamafy ny fony indray izy ireo, na dia hatrany amin’ny faniniana ny Tompo Andriamaniny aza.

23 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nanao tsipika tamin’ny hazo sy zana-tsipika tamin’ny tapakazo mahitsy; noho izany aho dia nampirongo tsipika sy zana-tsipika ary antsamotady sy vato ny tenako. Ary hoy aho tamin-draiko: Aiza no halehako hahazoana hanina?

24 Ary ny zava-nitranga dia nanadina ny Tompo izy, satria efa nanetry tena izy ireo noho ny teniko; fa izaho dia nilaza zavatra maro tamin’izy ireo tamin’ny herin’ny fanahiko.

25 Ary ny zava-nitranga dia tonga tamin-draiko ny feon’ny Tompo; ary voalevilevy marina tokoa izy noho ny fimonomonomany tamin’ny Tompo, hany ka nentina nidina tany amin’ny halalin’ny alahelo izy.

26 Ary ny zava-nitranga dia hoy ny feon’ny Tompo taminy: Jereo eo amin’ny bola ary zahao ny zavatra izay voasoratra.

27 Ary ny zava-nitranga nony nizaha ny zavatra izay voasoratra teo amin’ny bola ny raiko, dia raiki-tahotra sy tora-kovitra fatratra tokoa izy ary koa ny rahalahiko sy ny zanakalahin’i Ismaela ary ny vadinay.

28 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nahita fa ireo sahaza izay tanatin’ny bola dia nihetsika arakaraka ny finoana sy ny faharisihana ary ny fitandremana nasehonay azy ireo.

29 Ary nisy koa voasoratra teo amin’ireo, soratra vaovao iray izay mora vakiana; izay nanome anay ny fahatakarana ny momba ny lalan’ny Tompo; ary nosoratana sy niovaova ombieny ombieny izany arakaraka ny finoana sy ny faharisihana nasehonay izany. Ary dia toy izany no ahitantsika fa afaka manatanteraka zava-dehibe amin’ny alalan’ny zava-madinika ny Tompo.

30 Ary ny zava-nitranga, izaho Nefia dia nandeha niakatra teo an-tampon-tendrombohitra araka ny torolalana izay nomena teo amin’ny bola.

31 Ary ny zava-nitranga dia nahafaty bibidia aho ka nahazo hanina ho an’ny ankohonanay.

32 Ary ny zava-nitranga, dia niverina tany amin’ny lainay aho, nitondra ny biby izay efa novonoiko; Ary ankehitriny, nony nahita izy ireo fa efa nahazo hanina aho dia akory ny halehiben’ny fifaliany! Ary ny zava-nitranga dia nanetry tena teo anatrehan’ny Tompo izy ireo sy nanolotra fisaorana ho Azy.

33 Ary ny zava-nitranga dia nizotra indray ny dianay, saiky nanaraka ny dia teo am-piandohana ihany; ary rehefa avy nandeha nandritra ny andro maro izahay dia nanangana ny lainay indray mba hahazoanay mitoetra mandritra ny fotoana fohy.

34 Ary ny zava-nitranga dia nodimandry i Ismaela ary nalevina teo amin’ny toerana izay nantsoina hoe Nahôma.

35 Ary ny zava-nitranga dia nitomany izaitsizy tokoa ny zanakavavin’i Ismaela noho ny famoizana an-drainy, sy noho ny fijaliany tany an-tany foana; ary ireo dia nimonomonona ny tamin-draiko noho ny nitondrany azy ireo niala ny tanin’i Jerosalema, nanao hoe: Efa maty ny rainay; eny, ary efa nirenireny fatratra taty an-tany foana izahay sy efa niaritra fahoriana, hanoanana, hetaheta ary havizanana betsaka; ary rehefa izany fijaliana rehetra izany, dia tsy maintsy ho faty aty an-tany foana izahay noho ny hanoanana.

36 Ary dia toy izany no nimonomononany tamin-draiko sy tamiko koa; ary naniry ny hiverina indray any Jerosalema izy ireo.

37 Ary hoy i Lamàna tamin’i Lemoela ary koa tamin’ny zanakalahin’i Ismaela: Indro, andeha hovonointsika ny raintsika ary koa i Nefia rahalahantsika izay nanao ny tenany ho mpanapaka sy mpampianatra antsika izay zokiny.

38 Ankehitriny dia milaza izy fa efa niresaka taminy ny Tompo ary koa efa nampianatra azy ny anjely. Nefa indro fantatsika fa mandainga amintsika izy; ary milaza ireo zavatra ireo amintsika izy sy mamita zavatra maro noho ny fahaizany mametsifetsy mba hahazoany mamitaka ny masontsika noho ny fiheverany angamba fa azony entina mankany an-tany foana hafahafa isika; ary rehefa tongany any isika dia mihevitra izy ny hanao ny tenany ho mpanjaka sy ho mpanapaka amintsika mba hahazoany mitondra antsika araka ny sitrapony sy ny nahim-pony. Ary dia toy izany no fomba nentin’i Lamàna rahalahiko namoky ny fon’ireo ho tezitra.

39 Ary ny zava-nitranga dia nomba anay ny Tompo, eny, na ny feon’ny Tompo aza dia tonga sy nilaza teny maro tamin’izy ireo sy nandevilevy azy ireo fatratra tokoa; ary rehefa avy nolevileven’ny feon’ny Tompo izy ireo dia nitony ny fahatezerany, ary nibebaka tamin’ny fahotany izy ireo, hany ka notahian’ny Tompo tamin’ny hanina indray izahay, mba tsy ho faty.