Mianatra mampiasa ny teknôlôjia amin’ny fomba azo antoka
Isaky ny mampiasa teknôlôjia aho dia manao safidy.
J’aime. Manaraka. Misoratra anarana. Manakisaka.
Isaky ny mampiasa teknôlôjia aho dia manao safidy. Afaka mampiasa izany aho mba hanampiana ahy hivoatra, hianatra fahaiza-manao vaovao, ary hifandray amin’ny olona hafa – na afaka milatsaka anaty fahazarana tsy mahasoa aho.
Izany no antony hizarako ny zavatra manampy ahy handray andraikitra amin’ny fampiasana ny teknôlôjia: Tanjona, Drafitra, ary Miato. Ny fahatsiarovana ireo teny telo ireo dia manampy ahy hanana fifandraisana azo antoka sy maneho fanohanana. Mizara izany aho satria mieritreritra aho fa afaka manampy anao ihany koa izy ireo.
Tsarovy:
-
Manana tanjona ny teknôlôjia.
-
Manana drafitra aho amin’ny fampiasana ny teknôlôjia.
-
Afaka miato kely aho sy maka aina.