Zatovo
Topimaso


“Topimaso,” Mandray andraikitra amin’ny teknôlôjia (2025)

“Topimaso,” Mandray andraikitra amin’ny teknôlôjia

Topimaso

vehivavy anankiroa mitsiky eo am-pampiasana teknôlôjia

Tanjona—Afaka mampiasa teknôlôjia ho amin’ny tanjona iray aho. Tsy mifehy ahy izany.

“Fa Izaho Tompo dia manana asa lehibe hataonao” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 112:6).

Drafitra—Rehefa manomana mialoha aho dia mahazo aina kokoa ary manao safidy tsara kokoa.

“Izao fiainana izao no fotoana ho an’ny olona mba hiomanana hihaonana amin’ Andriamanitra” (Almà 34:32).

Miato—Tsy maninona raha miato kely aho ary maka aina.

“Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16).

Tanjona, Drafitra, Miato

Tanjona

Drafitra

Miato

Afaka mampiasa teknôlôjia ho amin’ny tanjona iray aho. Tsy ataoko manandevo ahy izany

Rehefa manomana mialoha aho dia mahazo aina kokoa ary manao safidy tsara kokoa.

Tsy maninona raha miato kely aho ary maka aina.

Fanontaniana ho eritreretina

Tanjona

Drafitra

Miato

  • Nahoana aho no mampiasa teknôlôjia amin’izao fotoana izao?

  • Manana fahatsapana tsara ve aho amin’ny zavatra ataoko?

  • Hafiriana no hampiasako teknôlôjia?

  • Inona no fikasako amin’ny fampiasana teknôlôjia?

  • Inona no famantarana asehoko an’ Andriamanitra amin’ny fomba fampiasako ny fotoanako?

  • Moa ve aho misoroka ireo votoatin-javatra izay fantatro fa tsy mety na tsy misy tanjona?

  • Moa ve aho mahatsapa ny Fanahy Masina mandao ahy?

Soso-kevitra azo ampiharina

Tanjona

Drafitra

Miato

  • Mandefasa hafatra tsara amin’ny olon-kafa.

  • Mihainoa mozika manampy anao hahatsapa fiadanana.

  • Mamoròna votoaty anao manokana.

  • Minia mampiasa teknôlôjia hianaran-javatra.

  • Manome fetra isan’andro ny tenako amin’ny fotoana hijerena efijery.

  • Ireo fianakaviana sy namana akaiky ihany no “araho” sy ifandraiso.

  • Manàna faritra tsy ampiasana finday ao an-trano.

  • Manangana toerana hamenoan’ny fianakaviana ny vatoaratra.

  • Mampiasà sivana.

  • Apetraho ilay fitaovana ary mialà teo.

  • Mivavaha hahazoana hery.

  • Miresaha amin’olona.