Tanjona
Afaka mampiasa teknôlôjia ho amin’ny tanjona iray aho. Tsy ataoko manandevo ahy izany
Mampifandray ahy amin’ny olona mahatalanjona ny teknôlôjia (ary amina horonan-tsary 2 tapitrisa momba ny saka). Saingy indraindray aho dia tratran’ny filalaovana ny efijeriko na ny famaliana ny olona. Isaky ny mitranga izany dia manampy ahy ny mahatsiaro fa mifehy ny teknôlôjia aho. Tsy mifehy ahy izany. Afaka mampiasa izany aho amin’ny zavatra ilaiko ary avy eo manao zavatra hafa.
Ireto misy fanontaniana vitsivitsy izay manampy ahy:
-
Nahoana aho no mampiasa ity fitaovana elektrônika ity?
-
Manana fahatsapana tsara ve aho amin’ny zavatra ataoko?
-
Hafiriana no holaniako amin’ny fampiasana ity fitaovana eletrônika ity?
Sarotra amiko indraindray ny mamariparitra ny zavatra tsapako. Nanampy ahy hamadika izany ho teny ity horonan-tsary ity. Mety hanampy anareo koa angamba izany.