Drafitra
Rehefa manomana mialoha aho dia mahazo aina kokoa ary manao safidy tsara kokoa.
Tiako ny milalao gitara ary tena mahay izany aho. Isaky ny misy fampisehoana dia fantatro fa mila manao fanazaran-tena sy manao drafitra mialoha aho. Mitovy amin’izany koa ny momba ny teknôlôjia: rehefa manao drafitra mialoha aho dia mahazo aina kokoa ary manao safidy tsara kokoa.
Nahita fitsipika tsotra vitsivitsy aho izay manampy ahy hanaraka ny drafitro:
-
Omeko fetra isan’andro ny tenako amin’ny fotoana hijerena efijery.
-
Ireo fianakaviana sy namana akaiky ihany no “arahako” sy ifandraisako.
-
Manana faritra tsy ampiasana fitaovana elektrônika aho ao an-trano toy ny efitrano fatoriako na ny toerana fidiovana.
-
Nanangana toby hahafahan’ny fianakaviana mamahana ny vatoaratra aho ka ny fitaovana rehetra dia mitsatoka eo avokoa ary tsy azo kasihana izany mandritra ny alina.
-
Mampiasa sivana aho mba hanakana ireo applications sy votoatin-javatra tsy mety na tsy azo antoka.
Tsy misy fanapahan-kevitra mazava izay tsara na ratsy ho an’ny safidy rehetra azoko atao amin’ny teknôlôjia. Saingy manampy ny fanaovana drafitra mialoha. Ary afaka miresaka amin’ireo namako sy ny fianakaviako momba ny hevitr’izy ireo koa aho.
Ho zatovo mahery: Torolalana amin’ny fanaovana safidy