Zatovo
Miato


Miato

Hand holding a smartphone

Tsy maninona raha miato kely aho ary maka aina.

Indraindray aho dia toa mila mampiasa teknôlôjia mba hahatsapana fifaliana na fifandraisana amin’ny olona hafa. Na milalao ny efijeriko aho satria mahatsapa ho manirery na monamonaina. Indraindray aho dia sendra ny zavatra feno herisetra, na mampatahotra, na maneho fahalotoana ara-pitondrantena ka tsy fantatro ny fomba hiatrehana izany.

Nianatra aho fa tsy maninona raha miato kely aho ary maka aina. Hitarika sy hampitandrina ahy ny Fanahy, ary hanampy ahy hieritreritra momba ny zavatra ataoko sy tsapako izany. Avy eo aho afaka manapa-kevitra raha te hanao safidy hafa.

Hitako fa nanampy ahy ny:

  • Milaza izany: Rehefa mahita votoatin-kevitra tsy mendrika aho na mahatonga ahy halahelo, na ho manirery, na ho tsy mahazo aina, dia afaka miteny aho hoe, “Tsy mety ity.”

  • Manao safidy tsara kokoa: Azoko atao ny mamono ilay fitaovana na mampangina ireo hafatra fampandrenesana. Afaka mivoaka any ivelany aho na mifindra any amin’ny efitrano hafa, ka tsy entiko manaraka ahy ilay fitaovana.

  • Mifandray amin’olona: Azoko atao ny miresaka amin’ny namana na olona ao amin’ny fianakaviako momba ny zavatra tsapako. Indraindray aho dia mila mifandray mivantana amin’ny olona iray fa tsy amin’ny alalan’ny efijery akory.

3:45

Tanjona. Drafitra. Miato. Afaka mitondra fiovana lehibe ny teny kely telo.

Inona no fikasanao momba ny fampiasana ny teknôlôjia? Azonao ampiasaina ity pejy ity mba handraisana an-tsoratra na hanoratana fampahatsiahivana vitsivitsy.

Icons