Seminera
Apokalypsy 21–22


Apokalypsy 21–22

“Izay maharesy no handova izany zavatra izany”

Sary
Olona iray mijoro eny an-tampon’ny tendrombohitra iray

Azonao sary an-tsaina ve hoe manao ahoana izany fiainana miaraka amin’ Andriamanitra any amin’ny fanjakana selestialy izany? Tao amin’ireo seho farany tamin’ny fanambarana lehibe nataony dia nahita “lanitra vaovao sy tany vaovao” ary tanàna masina iray nidina avy tany an-danitra i Jaona (jereo ny Apokalypsy 21:1–2). Nijoro vavolombelona izy fa Andriamanitra dia “hitoetra eo aminy, ary izy ireo ho olony” (Apokalypsy 21:3). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra fa ny fahafahana miaina miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ao amin’ny fanjakana selestialy dia mendrika ny hanaovana ny ezaka rehetra.

Manampy ny mpianatra hamantatra ny herin’ny Tompo sy ny famindram-pony ary ny fitaomany. Ampio ny mpianatra mba hahita ny tanan’ny Tompo tamin’ny nitahiana ny olona ao amin’ny soratra masina. Rehefa mahita izany izy ireo, dia ho afaka hahatsapa bebe kokoa ny fitiavan’ny Tompo, ny heriny ary ny famindram-pony eo amin’ireo toe-javatra izay iainany manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina hoe mety ho tahaka ny ahoana izany fanjakana selestialy izany ary nahoana izy ireo no te handova izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny vokatra farany

Sary
Ny manaraka dia ny fankalazan’ilay ekipa ny baolina maty.

Alaivo sary an-tsaina hoe mpikambana ao amin’ny ekipa mpanao fanatanjahantena iray ianao ary efa fantatrao mialoha fa hahazo ny anaram-boninahitra maha-tompondaka ny ekipanao amin’ny faran’ny taom-pilalaovana. Na izany aza, tsy fantatrao hoe haharitra hafiriana ny fotoam-pilalaovana, ary ny mpanazatra dia manantena ny mpilalao rehetra mba hanao ny ezaka tsara indrindra avy any amin’izy ireo mba hijanonana ao amin’ny ekipa.

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahalalana izany amin’ny fomba fiomananao sy ny fanatontosanao ny lalao tsirairay? Nahoana?

  • Ahoana no mety ho fihetsikao raha toa ka resy amin’ny lalao vitsivitsy misesy ny ekipanao? Ahoana no mety hampaherezanao ny mpiara-milalao aminao ao aorian’ireo faharesena ireo?

Zao dia makà fotoana kely hieritreretana momba ny andro farany sy ny Fiaviana Fanindroany.

Omeo fotoana hisaintsainana ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra. Araho ny bitsiky ny Fanahy mba hamaritana raha mety hanampy ny mifanakalo hevitra amin’ny feo avo momba ireo fanontaniana.

  • Manao ahoana ny fahatokianao fa ny fahamarinana dia tsy maintsy handresy ny ratsy? Inona no mety hanampy anao hampitombo ny fahatokisanao?

  • Tsapanao ve fa mendrika ny ezaka tsara indrindra izay ataonao tsy tapaka ny fanarahana ny Mpamonjy? Fa nahoana?

Ny fiafaran’ny ady eo amin’ny tsara sy ny ratsy dia nambaran’ny Tompo tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny fa: ny ankolafin’i Jehovah no handresy. Mandritra ny Arivo Taona, dia hofatorana i Satana ary i Jesoa Kristy dia hanjaka amim-piadanana eto an-tany (jereo ny Apokalypsy 20:1–4). Aorianan’io arivo taona io dia “hatsipy any amin’ny farihy afo sy solifara” mandrakizay i Satana, ary hisy ny Fitsarana Farany (jereo ny Apokalypsy 20:7–15). Aorian’ny Fitsarana Farany dia handova ny fiainana mandrakizay any amin’ny fanjakana selestialy ny olo-marina sy mahatoky.

Rehefa mandalina ny Apokalypsy 21–22 ianao, dia mitadiava ny fanampian’ny Ray any An-danitra mba hampitomboana ny fanirianao hanao ny ezaka tsara indrindra amin’ny fiezahana hahazo ny fiainana mandrakizay sy ny voninahitra selestialy.

Ny fiandohana sy ny fiafarana

Iray amin’ireo zava-nitranga manan-danja izay hitan’i Jaona tao amin’ny fahitany ny fandresen’i Jesoa Kristy an’i Satana any amin’ny faran’izao tontolo izao. Ao amin’ny Apokalypsy 21–22, i Jaona dia namariparitra ny anjaran’ireo izay niara-niady tamin’ny Mpamonjy mba handresy ny faharatsiana.

Vakio ny Apokalypsy 21:1–7, ary tadiavo ireo fitahiana izay homen’ Andriamanitra ny mahatoky. Azonao atao ny manisy marika ireo fitahiana izay manan-danja aminao.

Raha te hianatra misimisy kokoa momba an’i Jerosalema Vaovao izay voalaza ao amin’ny andininy 2 ianao, dia hevero ny hijery izany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

Marihina fa ao amin’ny andininy 2, ny mpampiakatra dia tandindon’ny Mpamonjy, ary ny ampakarina dia tandindon’ny Fiangonana, na ireo izay manaraka Azy amim-pahatokiana.

Ao amin’ny andininy 7, ny zanakalahy na zanakavavin’i Kristy dia olona iray izay nitandrina ny fanekempihavanana nataony taminy.

Hevero ny haneho ireto fanontaniana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe. Asao ireo mpianatra izay mazoto mba hizara ny heviny amin’ny iray kilasy.

  • Inona amin’ireo fitahiana izay homen’ Andriamanitra an’ny mahatoky no tena manan-danja aminao? Nahoana?

  • Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo? Nahoana no zava-dehibe aminao ny mahatakatra ireo zavatra momba Azy ireo?

Rehefa mamaly ny mpianatra, dia hevero ny hametraka fanontaniana toy izao manaraka izao: Amin’ny fomba ahoana no “hanavaozan’ny Mpamonjy ny zavatra rehetra”? (Apokalypsy 21:5). Amin’ny fomba ahoana no maha- “fiandohana sy fiafarana” Azy? ( Apokalypsy 21:6). Inona no dikan’ny hoe amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia afaka mandresy sy “mandova ny zavatra rehetra” isika?( Apokalypsy 21:7).

Mandova ny fanjakana selestialy

Asao ireo mpianatra mba hizara ireo fahamarinana momba ny fanjakana selestialy izay hitany ao amin’ny Apokalypsy 21:1–7. Mety hahita fitsipika maro samihafa ireo mpianatra. Hevero ny hanoratra eny amin’ny tabilao ireo fahamarinana izay nolazain’izy ireo. Aza misalasala maka fotoana hiresahana ny iray na maromaro amin’ireo fahamarinana ireo.

Anisan’ireo fahamarinana maro ampianarina ao amin’ireo andininy ireo ireto manaraka ireto: Ao amin’ny fanjakana selestialy, Andriamanitra dia hiara-hitoetra sy hampionona ny olony, ary tsy hiaina fahafatesana, alahelo, na fanaintainana intsony izy ireo; ary ireo izay maharesy amim-pahatokiana ireo fitsapana eo amin’ny fiainana an-tany dia handova fitahiana mandrakizay ao amin’ny fanjakana selestialy.

Hevero ny haneho ireto loharanom-pahalalana sy fanontaniana manaraka ireto na omeo ho taratasy zaraina izany. Rehefa mandalina ireo loharanom-pahalalana sy mamaly ireo fanontaniana ireo mpianatra dia fantaro ireo izay mety mila fanampiana na fitarihana fanampiny.

Alaivo sary an-tsaina hoe tsy mihevitra ny iray amin’ireo namanao fa ny fiezahana hahazo ny fanjakana selestialy dia mendrika ny hanaovana ny zavatra rehetra takin’izany.

Manomàna valiny fohy izay azonao zaraina amin’ny namanao ka afaka manampy azy ireo hahatakatra fa ny fanjakana selestialy izay mendrika ny ezaka rehetra ilaina mba hiainana ny filazantsara. Azonao atao ny mampiasa ny sasany amin’ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hanomana ny valinteninao:

Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona L. Tom Perry tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 30 mey 2015.

Mino aho fa raha afaka mamorona sary mazava tsara sy marina momba ny fiainana mandrakizay ao an-tsaintsika isika, dia hanomboka hanana fitondrantena tena hafa mihitsy. Tsy mila amporisihina isika hanao ireo zavatra maro izay tafiditra ao amin’ny faharetana hatramin’ny farany, toy ny [fanompoana], fanatrehana ireo fivoriantsika, fandehanana any amin’ny tempoly, ny fananana fiainana madio ara-pitondran-tena, ny fanaovantsika vavaka, na ny famakiana soratra masina. Maniry hanao ireo zavatra rehetra ireo sy ny maro hafa koa isika, satria tsapantsika fa hanomana antsika fahafahana handeha amin’ny toerana izay irintsika haleha izy ireo.

(L. Tom Perry, “L’evangile de Jésus Christ,” Liahona, Mai 2008, 44)

Apokalypsy 7:13–17

Apokalypsy 21:22–27

Môzià 2:41

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 76:51–52, 59–60, 69–70

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:2

Ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy amin’ny fitarihana ny eritreritrao rehefa mandinika ny valinteninao ianao:

  • Inona no mahafaly anao rehefa mieritreritra momba izany hoe hiaina ao amin’ny fanjakana selestialy izany?

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy izay mamporisika anao hanaraka Azy sy hiezaka hahazo ny fanjakana selestialy?

  • Inona no zavatra niainanao niaraka tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy izay nampitombo ny fanirianao hiara-hiaina amin’Izy ireo indray?

  • Ahoana ny fomba nahafahan’ny fitiavan’izy ireo anao nanampy anao hahatsapa fa azo atao tsara ny miditra ao amin’ny fanjakana selestialy?

Sary
New Testament Seminary Teacher Manaul - 2023

Soraty ao anatin’ny fehezanteny efatra na dimy ny zavatra mety holazainao amin’ny namanao.

Avelao ny mpianatra hizara izay zavatra nosoratany amin’ny vondrona kely na amin’ny iray kilasy. Mety hanampy ny mametraka fanontaniana fanaraha-maso toy ny hoe “Nahoana no zava-dehibe aminao io fitahiana io?” “Nahoana araka ny eritreritrao no mety hamporisika ny namanao hiezaka ho amin’ny fanjakana selestialy izany?” ary “Inona no zavatra henonao tamin’ny mpiara-mianatra iray ka manan-danja aminao?”

Saintsaino mandritra ny minitra vitsivitsy ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanirian’izy ireo mba hahazoanao ny fiainana mandrakizay. Eritrereto ny fomba ahafahanao maneho fankasitrahana noho ny famindram-pony sy ny fahasoavany.

Raha ampy ny fotoana, dia asao ireo mpianatra mba hizara ny eritreriny. Hevero ny hizara fijoroana vavolombelona manokana momba ireo fahamarinana izay nampianarina ato amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Moa ve ny Ray any an-danitra tena nanao izay hahatonga ahy ho any amin’ny fanjakana selestialy?

Ny valiny tsotra sady marina dia ny hoe eny tanteraka! Fa raha te-hianatra misimisy kokoa ianao dia hevero ny hamaky ny “You Can Make It!” izay nosoratan’i Eric B. Murdock, ny volana jolay 2021, ao amin’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! (pejy 24–26).

Ahoana no ahafahako mianatra misimisy kokoa momba ny atao hoe fanjakana selestialy?

Azonao atao ny mijery ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina “Fanjakana selestialy” (topics.ChurchofJesusChrist.org). Azonao atao ihany koa ny mamaky ny “Tahaka ny ahoana ny Fanjakana selestialy?ao amin’ny laharan’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! volana jolay 2021 (pejy 31).

Apokalypsy 21:6. Inona no tiany hotenenina rehefa niantso ny tenany hoe “Alfa sy Omega” i Jesoa?

Alfa dia litera voalohan’ny abidia Grika. Ny Alfa dia midika hoe “ny voalohany” na “ny fiandohana.” Ny Omega dia midika hoe “farany amin’ny andiany rehetra”, na “farany.” Rehefa atambatrao ireo teny roa ireo, ny Alfa sy Omega, rehefa miaraka dia midika hoe “hatrany am-piandohana ka hatrany am-piafarana,” na “hatramin’ny voalohany ka hatramin’ny farany.” Rehefa antsoina hoe Alfa sy Omega i Jesoa, dia midika izany fa efa hatramin’ny voalohany Izy ary ho any amin’ny farany amin’ny zava-drehetra; mandrakizay izy.

(Dorothy Leon, “By These Names,” Liahona, Aprily. 1996)

Iray amin’ireo fomba ahafahantsika mahita an’i Jesoa Kristy ho Alfa sy Omega ny maha-mpikambana Azy ao amin’ Ny Andriamanitra sy ny maha-mpahary izao tontolo izao Azy (jereo ny Môzià 3:8; Mosesy 1:33; 2:1). Nanaiky ho Mpamonjy antsika tany amin’ny tontolo talohan’ny nahaterahana ihany koa Izy (jereo ny Mosesy 4:2). Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty isika (jereo ny 1 Korintiana 15:20–22; Almà 11:42–44), ary Izy no ho Mpitsara sy Mpisolovava antsika eo anatrehan’ny Ray (jereo ny Romana 14:10–12; Almà 33:22; 3 Nefia 27:14–16; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:3–5).

Moa ve ny Apokalypsy 22:18–19 midika fa tsy afaka ny hisy soratra masina fanampiny intsony ankoatra ny Baiboly?

Ny olona sasany dia mampiasa ny Apokalypsy 22:18–19 ho antony handavana ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina hafa an’ny andro farany. Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy dia nanazava ny antony mahadiso io hevitra io ao amin’ny hafany hoe “My Words … Never Cease” (Ensign na Liahona, Mey 2008, 91–94).

Sahanasa fianarana fanampiny

Hanao ahoana izany ao amin’ny tanànan’ Andriamanitra izany?

Hevero ny hanasa ny mpianatra mba hamaky ny Apokalypsy 21:10–11, 23–27. Rehefa avy namaky ny filazalazana momba ny tanàna sy ny olona ho ao ianao, dia resaho ny fanontaniana toy ny hoe “Inona no niavaka indrindra taminao tao amin’ireo andininy ireo?” na “Araka ny hevitrao, hanao ahoana ny fiainana ao amin’izany tanàna izany?”

“Avia, [Jesoa] Tompo” (Apokalypsy 22:20)

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hamaky ny Apokalypsy 22:12–14 ary hieritreritra ny fomba mety hampiharana ireo teny ireo amin’izy ireo.

Ho valin’ilay fanambarana farany nataon’ny Mpamonjy hoe “Ho avy faingana tokoa Aho,” dia namaly ity fanasana ity i Jaona hoe: “Avia, [Jesoa] Tompo” (Apokalypsy 22:20). Nitalaho tamin’ny Tompo mba hiverina haingana eto an-tany i Jaona. Asao ireo mpianatra hieritreritra hoe nahoana izy ireo no maniry ny Mpamonjy “ho avy faingana.”

Ampifandimbiaso ny fiantombohan’ny lesona