Seminera
Apokalypsy 15–19


Apokalypsy 15–19

“Ary ny Zanak’ondry haharesy azy”

Sary
“He Comes Again to Rule and Reign” by Mary R. Sauer. Jesus Christ is descending to Earth at his Second Coming. There are men, women, and children surrounding him. He is wearing a red robe and is looking down at those who are gathering.

Inona ny zavatra tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra ny andro farany izay efa nambara mialoha ianao? I Jaona ilay Mpanambara dia nanao sary hosodoko mazava iray momba ny fandringanana sy ny faharatsiana izay hameno izao tontolo izao. Saingy tsy haharitra ireo toe-javatra ireo. I Jesoa Kristy dia “haharesy azy … fa Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka Izy” (Apokalypsy 17:14). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hiantehitra amim-pahatokiana bebe kokoa amin’i Jesoa Kristy rehefa miatrika ireo olan’ny andro farany ianao.

Mifantoka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Tsy misy zavatra hahazahoan’ireo mpianatra fitahiana mihoatra noho ny fahalalana sy ny fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Rehefa manomana sy mampianatra ny lesona dia mitadiava hatrany fitaomam-panahy mikasika ireo fomba hanampiana azy ireo hanao izany.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra fantany momba ny fizahan-toetran’ny andro farany sy ny antony ilazana fa afaka miantehitra amin’i Jesoa Kristy izy ireo.