Seminera
Apokalypsy 20:11–15


Apokalypsy 20:11–15

Ny Fitsarana Farany

Sary
I Kristy nitsangana tamin’ny maty miaraka amin’ny tanany mivelatra mijoro eo ambonin’ny olona maro be avy amin’ny foko rehetra sy avy amin’ny fotoana rehetra, ny sasany mandry, sasany mitsangana. Ireo olona eo amin’ny ilany havanan’i Kristy dia manao fihetsika maneho fitsaohana. Ireo olona eo amin’ny ilany havian’i Kristy dia ao anatin’ny fahoriana. Misy fisehoana faharavana eo anoloana sy ao an-damosina. Eny amin’ny zorony ambony havia ny sarin’ny tempolin’i Washington D.C.

Efa nanontany tena ve ianao hoe hanao ahoana ny Fitsarana Farany? Naminany ny amin’io andro lehibe io ny apostoly Jaona. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra bebe kokoa ny Fitsarana Farany sy hiomana hanana traikefa tsara amin’ny fijoroana eo anoloan’i Jesoa Kristy amin’io andro io.

Fandinihana ny fahatsapan’ny mpianatra. Fantaro ireo mpianatra izay mety ho sahiran-tsaina rehefa miresaka momba ny fahamarinan’ny filazantsara sasany. Mandritra ny lesona dia mitadiava fomba hanomezana toky azy ireo ny fitiavana sy ny fangorahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamaky ny Apokalypsy 20:12 ary ho tonga vonona ao an-dakilasy miaraka amin’ireo fanontaniana ananany momba ny Fitsarana Farany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny Fitsarana Farany

Hevero ny hampiseho ilay sary any am-piandohan’ny lesona.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ho fahatsapan’ny olona samihafa amin’ny Fitsarana Farany? Nahoana?

  • Araka ny eritreritrao inona no mamaritra raha misy olona miomana amin’izany andro izany?

  • Amin’ny fomba ahoana no anoloran’i Jesoa Kristy tena hanampy antsika hiomana amin’izany andro izany?

Soraty ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina izay antenainao fa heritreretinao sy ho tsapanao rehefa mijoro eo anoloan’ Andriamanitra mba ho tsaraina ianao. Manao ahoana ny fahatsapanao ny fahavononanao?Tia antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary tiany isika ho feno fiadanana sy fifaliana amin’ny Andro Fitsarana. Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny soratra masina sy amin’ny alalan’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana maoderina Izy ireo mba hampianarana antsika hoe hanao ahoana ny Fitsarana sy ny fomba hiomanana amin’izany.

Rehefa avy nahita fahitana momba ny Arivotaona i Jaona (jereo ny Apokalypsy 20:1–3) sy ny Fitsanganan’ny marina amin’ny maty (jereo ny Apokalypsy 20:4–6), dia nahita ny Fitsarana Farany. Vakio ny Apokalypsy 20:11–12, ary tadiavo ny zavatra nambaran’ Andriamanitra tamin’ny Apostoly Jaona momba ny Fitsarana Farany.

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy tamin’i Jaona momba ny Fitsarana Farany?

Ny fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io andinin-tsoratra masina io dia ny hoe Hitsara antsika avy ao amin’ireo boky izay nosoratana araka ny zavatra nataontsika Andriamanitra.

Fanontaniana momba ny Fitsarana Farany

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao ny fanontanianao momba ity andinin-tsoratra masina ity na zavatra hafa tianao ho takatra kokoa momba ny Fitsarana Farany.

Asao ny mpianatra hizara ny fanontanian’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Makà minitra maromaro hitadiavana ny valiny amin’ireo fanontanianao. Azonao atao ny misafidy ny hikaroka ireo teny manan-danja ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Na azonao atao ny mikaroka izany ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org na ny application Médiathèque de l’Evangile. Ireto misy fanontaniana vitsivitsy sy loharano naroso izay azonao ampidirina ao anatin’ny fandalinanao:

Rehefa mandalina ny mpianatra dia mandehana manodidina ny efitrano hitady izay mety mila fanampiana. Raha toa ka mahasoa izany dia ianaro mangina miaraka amin’ny mpianatra iray na roa ary zarao izay fanambarana mahasoa hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona.

Amporisiho ny mpianatra handray an-tsoratra ny zavatra nianarany ao amin’ny diary fandalinany na ao amin’ny soratra masiny eo akaikin’ny Apokalypsy 20:12. Azon’izy ireo atao koa ny mandray an-tsoratra ao amin’ny soratra masiny ireo fanontaniana sy ireo loharano izay manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo.

Mba hisian’ny fiovaovana dia azo aseho amin’ny toerana samihafa ao amin’ny efitrano ireto fanontaniana efatra manaraka ireto miaraka amin’ireo loharano atolotra voatanisa eo ambanin’ny fanontaniana tsirairay. Avy eo dia afaka manangona ny fanontaniana nofidiny ny mpianatra ary mandalina izany miaraka amin’ireo namany. Ho solon’izany, ny tsirairay amin’ireo fanontaniana efatra dia azo soratana amin’ny valopy miaraka amin’ireo loharano voasoratra amin’ny taratasy iray ao anatiny. Ireo valopy ireo dia azo apetraka eo anoloana ny efitrano. Afaka misafidy valopy misy fanontaniana mahaliana azy ireo ny mpianatra, mandalina izany amin’ny fampiasana ireo loharano natolotra ao anatiny, ary avy eo mamerina ilay valopy ary misafidy iray hafa. (Mety ilaina ny manomana valopy maromaro ho an’ny fanontaniana tsirairay.)

1. Inona avy ireo boky sasany hitan’i Jaona nampiasain’ny Tompo tamin’ny Fitsarana?

Torolalana ho an’ny Soratra Masina , “Bokin’ny Fiainana”

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:6–7

3 Nefia 27:24–26

2. Iza marina no ho Mpitsara antsika, ary nahoana Izy no tsara indrindra hitsara antsika?

Jaona 5:22

3 Nefia 27:14–15

1 Samoela 16:7

3. Amin’ny inona no hitsarana antsika?

Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 137:9

Môsià 4:30

Jereo ny fanambarana nataon’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” ao amin’ny lesona.

4. Ahoana no ahafahako miomana amin’ny Fitsarana Farany?

3 Nefia 27:16–20

Apokalypsy 20:13, 15; 22:11–12

Asao ireo mpianatra mba hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany. Ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina hanampiana amin’ny famoronana fifanakalozan-kevitra.

  • Inona ny zavatra nianaranao momba ny Fitsarana Farany?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ny fahatakarana sy ny finoana io fotopampianarana io amin’ny zavatra ataontsika?

  • Inona amin’ireo toetran’ny Mpamonjy no manampy anao hatoky Azy ho Mpitsara anao? Ahoana no fomba hanampiany anao hiomana amin’ny Fitsarana Farany?

Ny bokin’ny fiainanao

Vakio ny Apokalypsy 20:12 ary asio marika ilay andian-teny hoe “ny bokin’ny fiainana.” Amin’ny lafiny iray, ny bokin’ny fiainana dia firaketana ny fiainan’ny tsirairay.

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia manorata ohatra iray eny amin’ny solaitrabe mba ho torolalana ho an’ny mpianatra.

Raha toa ka mampiasa sombin-taratasy mivelatra ny mpianatra fa tsy ny diary fandalinany dia azony aforitra roa ny taratasiny mba hitovy kokoa amin’ny boky. Avy eo izy ireo dia afaka manisy marika ny fonony ivelany hoe “Ny Bokin’ny Fiainako.”

Soraty ho lohatenin’ny pejy iray tsy misy na inona na inona ao anatin’ny diary fandalinanao ny lohateny hoe “Ny Bokin’ny Fiainako”, ary zarao ho tsanganana roa ilay pejy. Asio marika ny tsanganana havia hoe “Faly aho fa nanao izany,” ary ataovy lisitra ao anatin’io tsanganana io ny zavatra manokana izay maha feno fankasitrahana anao ao amin’ny bokin’ny fiainanao. Izany dia mety ahitana:

  • Ireo ôrdônansy noraisinao.

  • Ireo asa soa nataonao.

  • Ny fanirianao marina.

  • Ny fivoaran’ ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy.

Alaivo sary an-tsaina hoe manao ahoana ny fahatsaran’ny zavatra iray indray andro any raha toa ny Mpamonjy mamerina mijery aminao ny tantaran’ny fahamarinanao!

Asio marika ny tsanganana havanana amin’ny pejy hoe “Tiako.” Soraty na saintsaino tsotra izao ireo asa sy ôrdônansy marina izay tianao ampiana ao amin’ny bokinao alohan’ny Fitsarana. Ampidiro ihany koa ireo safidy sy toe-po izay tianao hofoanana ao amin’ny bokin’ny fiainana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Ny Mpamonjy dia nanao izay ahafahana manitsy ny zavatra voasoratra momba anao ao amin’ny bokin’ny fiainana. Vakio ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 58:42–43 ireo fampanantenana nataony tamin’ireo izay mibebaka amin-kitsimpo.

  • Inona no fiantraikan’ireo fampanantenana ireo eo amin’ny fahatsapanao momba ny Fitsarana Farany sy momba ny Mpitsara antsika?

Nilaza ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, fony izy tao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Ho andron’ny famindram-po sy ny fitiavana izany Andro Fitsarana izany—andro hanasitranana ny fo torotoro, fotoana hanoloana ny ranomason’alahelo amin’ny ranomasom-pankasitrahana, fotoana izay hanovana ny zavatra rehetra ho tsara.

Eny, hisy alahelo lehibe noho ny fahotana. Eny, hisy ny fanenenana ary hisy toloko mihitsy aza noho ireo fahadisoantsika, ny hadalantsika, ary ny hamafisan-katotsika izay nahatonga antsika tsy nanana fahafahana hanana hoavy tsara lavitra kokoa.

Kanefa mahatoky aho fa tsy ho afa-po fotsiny amin’ny fitsaran’ Andriamanitra isika; fa ho talanjona sy ho difotry ny fahasoavany, ny famindram-pony, ny fahalalahan-tanany, ary ny fitiavany antsika zanany izay tsy manam-petra ihany koa.

(Dieter F. Uchtdorf, “Ô Endrey ny halehiben’ ny drafitry ny Andriamanitsika!Liahona, nôv. 2016, 21)

Saintsaino ny zavatra tsapanao fa hitaoman’ny Fanahy anao hiomanana hijoro eo anoloan’ny Mpamonjy amin’ny Andro Fitsarana.

Mijoroa ho vavolombelona fa ny Fitsarana Farany dia traikefa tsy mampino ho an’ireo rehetra izay mibebaka amin’ny fahotany sy miezaka hatrany mampitombo ny finoany ny Mpamonjy.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no fomba hanomanako ny tenako amin’ny fitsarana izay antenaiko?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Ny tsirairay aminareo dia hotsaraina araka ny asanareo manokana sy ny fanirian’ny fonareo. … Tsy kisendrasendra no hametrahana anao any amin’ny fanjakana selestialy, na terestrialy, na telestialy. Ny Tompo dia nametraka fepetra takina izay tsy miova ho an’ny fanjakana tsirairay. Afaka mahafantatra izay ampianarin’ny soratra masina ianao, ary mamolavola ny fiainanao hifanaraka amin’izany.

(Russell M. Nelson, “Constancy amid Change,” Ensign, Nov. 1993, 35)

Hoy ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Dallin H. Oaks nalaina tamin’ny martsa 2018.

Ny Fitsarana farany dia tsy fanombatombanana ny fitambaran’ny asa tsara sy ratsy fotsiny—ny zavatra izay vitantsika. Izany dia fampahafantarana ny vokatra farany avy amin’ireo asa nataontsika sy eritreritra nananantsika—lasa inona no niafarantsika. Tsy ampy ho an’iza na iza ny manao zavatra iray fotsiny tsy am-pieritreretana. Ny didy sy ny ôrdônansy ary ny fanekempihavanana dia tsy lisitr’ireo vola takina mba harotsaka any amin’ny banky any an-danitra akory. Drafitra iray izay mampiseho antsika ny fomba hahatongavantsika amin’izay tian’ny Raintsika any An-danitra hiafarantsika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

(Dallin H. Oaks, “The Challenge to Become,” Ensign, Nôv. 2000, 32)

Inona no fepetra fenon’i Jesoa Kristy ka mahatonga Azy ho Mpitsara antsika?

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Richard G. Scott tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 22 septambra 2015.

Mijoro ho vavolombelona aho fa tamin’ny alalan’ny fijaliana sy ny fahoriana tsy hay eritreretina amin’ny vidiny tsy azo refesina, dia nahazo ny zony ho Mpanavotra antsika sy mpanelanelana antsika ary Mpitsara Farany antsika ny Mpamonjy.

(Richard G. Scott, “Ny Sorompanavotana dia afaka miaro ny fiadanana sy ny fahasambaranao,” Ensign na Liahona, Nôv. 2006, 42)

Sahanasa fianarana fanampiny

I Jesoa Kristy no ilay Mpitsara tonga lafatra

Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra fa tsy maintsy apetraka amin’i Jesoa Kristy ny fitsarana farany amin’ny olona tsirairay, dia asao ny iray kilasy hamorona antsipiriany vitsivitsy momba ny fiainan’ny olona iray noforonina. Ny antsipiriany dia mety ahitana ny antson’izy ireo ao amin’ny Fiangonana, ny fahaizan’izy ireo tany am-pianarana, ny toetrany, ary ny tanjany sy ny fahalemeny.

Anontanio ireo mpianatra avy eo raha toa ka mahazo aina izy ireo amin’ny fanapahan-kevitry mikasika ny ny fanjakam-boninahitra tokony halehan’io olona noforonina io. Anontanio hoe inona no mbola tokony ho fantatr’izy ireo mba handraisana fanapahan-kevitra tonga lafatra.

Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ny zavatra fantatry ny Mpamonjy momba antsika izay mamela Azy hanao fitsarana tonga lafatra eo amin’ny fiainantsika. Anontanio hoe nahoana izy ireo no feno fankasitrahana noho ny fahafantarana fa Izy no ho Mpitsara azy manokana.

Hofatorana mandritra ny Arivotaona i Satana

Manehoa rojo na sarina rojo. Asao ny mpianatra hamaky ny Apokalypsy 20:1–3, ary hitady ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Iza no voafatotry ny rojo ao amin’ireo andininy ireo?

  • Mandra-pahoviana no hamatotra azy?

  • Inona no tsy ho vitany intsony?

Asao ny mpianatra hamaky ny 1 Nefia 22:26 mba hahitana ny antony hamatorana an’i Satana.

Nampianatra ny Filoha Spencer W. Kimball (1895–1985) fa “rehefa voafatotra i Satana ao anatin’ny tokantrano iray monja, rehefa voafatotra i Satana ao amin’ny fiainana iray monja, dia efa nanomboka sahady ny Arivotaona ao anatin’izany tokantrano izany, ao amin’izany fiainana izany” (The Teachings of Spencer W. Kimball, ed. Edward L. Kimball [1982],172).

Asao ny mpianatra hamaky ny Almà 48:11–13, 17 mba hahitana ohatra iray momba ny lehilahy marina iray izay efa “namatotra” ny fitaoman’i Satana teo amin’ny fiainany.

Asao ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahan’izy ireo mitodika amin’ny Tompo sy mampihena ny fitaoman’i Satana eo amin’ny fiainany.