Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Apokalypsy 20:12


Fifehezana fotopampianarana: Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Sary
Zatovovavy iray mipetraka eo ambonin’ilay fandrianany miendrika zanadrihana. Mikiraviravy eo amin’ny sisin’ilay fandriana ny tongony. Toy ny mamaky ny soratra masiny izy. Any Maine io.

Tao amin’ny lesona teo aloha, “Apokalypsy 20:11–15,” dia nianatra ianao momba ny Fitsarana Farany sy ny anjara asan’ny Mpamonjy amin’ny maha-Mpitsara Azy antsika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny Apokalypsy 20:12, hanazava ny fotopampianarana, sy hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Mihaino ny valin-tenin’ireo mpianatra. Halaviro ny fironana hieritreritra ny ampahany manaraka amin’ny drafitry ny lesona rehefa mametraka na mamaly fanontaniana ny mpianatra. Henoy tsara ny zavatra zarain’izy ireo, ary mametraha fanontaniana fanaraha-maso rehefa ilaina mba hahatakarana marina ny fanontanian’izy ireo sy ny valin-teniny. Zava-dehibe kokoa indraindray ny mifanakalo hevitra momba ny lohahevitra iray mahaliana ny mpianatra na manampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ny fotopampianarana iray noho ny famitana ny fitaovana rehetra ao amin’ny drafitry ny lesona.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny Apokalypsy 20:12 ary hiomana hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nianarany momba ny Fitsarana Farany sy ny fomba ahafahantsika miomana amin’izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “Apokalypsy 20:11–15,” izay lesona miresaka momba ny sahan-kevitra manodidina ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Apokalypsy 20:12. Raha ohatra ka ilaina ny hamindrana ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka fa lesona miresaka momba ny sahan-kevitra manodidina izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Mangataha mpianatra telo alohan’ny fotoam-pianarana mba hamerina hijery ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy hiomana hizara ny famintinana izany fitsipika izany any aorian’ny lesona.

Tadidio sy hazavao

Ampio ny mpianatra hitadidy sy hanazava ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny Apokalypsy 20:12 amin’ny fampiasana ireo fomba fiasa mahomby indrindra amin’izy ireo.

Ampahatsiahivo ireo mpianatra fa tamin’ny lesona teo aloha dia nandalina andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana momba ny Fitsarana Farany izy ireo. Asao izy ireo hijery raha afaka mahita an’io andinin-tsoratra masina io ao anatin’ny roa minitra latsaka, na amin’ny alalan’ny fitadidiana na amin’ny alalan’ny fampiasana loharano hafa.

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina “ary ny maty dia notsaraina … araka ny asany” (Apokalypsy 20:12):

  • Tonony mafy in-dimy ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ilay soratra masina.

  • Avy eo dia soraty in-telo eo amin’ny taratasy iray ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ka atao tsianjery. Aorian’ny andrana tsirairay, jereo izay marina ary manaova fanitsiana ilaina amin’ny andrana manaraka.

Anontanio raha toa ka afaka milaza ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay tadidiny ny mpianatra iray, na asao ny iray kilasy hiaraka mamerina izany.

Ho solon’ny fampiasana ity sahanasa manaraka ity, dia soraty eny amin’ny solaitrabe ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ary asao izay mazoto hanoratra manodidina azy ireo ny fahamarinana nianarany momba ny Fitsarana Farany. Avy eo dia asao ny mpianatra maromaro hanazava amin’ny kilasy iray manontolo ny zavatra nosoratany.

Ampahatsiahivo fa tamin’ny lesona teo aloha, dia nianatra ny fahamarinana ianao fa Hitsara antsika avy amin’ireo boky izay nosoratana araka ny asantsika Andriamanitra. Mba hanampiana anao hanombantombana hoe hatraiza ny fahatakaranao io fahamarinana io dia alaivo sary an-tsaina hoe misy zandrinao iray mametraka aminao ireto fanontaniana manaraka ireto mandritra ny fandalinan’ny mpianakavy soratra masina. Mamalia fanontaniana maro araka izay vitanao.

Raha toa ka asaina mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra dia asehoy ireo fanontaniana ho azy ireo ary asao izy ireo hiresaka momba ny valin-teniny amin’ny namany iray. Mandehana manodidina ny efitrano ary henoy ny valin-tenin’izy ireo. Raha mila fanampiana ireo mpianatra dia ampahatsiahivo azy ireo ny zavatra nianarany tao amin’ny lesona “Apokalypsy 20:11–15.”

  • Iza no hotsaraina?

  • Iza no ho mpitsara antsika ary nahoana?

  • Inona no hitsarana antsika?

  • Inona avy ireo boky hitsarana antsika? (Jereo ny Apokalypsy 20:12.)

  • Ahoana no ahafahantsika miomana amin’ny fitsarana?

Minitra vitsy izao no lasa hatramin’ny niezahanao nitadidy ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina Apokalypsy 20:12, jereo raha mbola afaka mamerina izay tadidinao hatrany ianao. Jereo raha marina ny anao raha ilaina.

Fizarana mampihatra

Raha toa ka nasaina hanomana famintinana ny fitsipika iray momba ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny mpianatra telo mialoha ny fotoam-pianarana, dia asao izy ireo hizara ny famintinany amin’ny iray kilasy amin’io fotoana io. Raha toa ka tsy nangatahana mialoha ny mpianatra dia angataho izay telo vonona mba hamintina ny iray amin’ireo fitsipika ireo. Ataovy azo antoka ny mandoka sy manamarina ny mpianatra tsirairay izay mamintina ny iray amin’ireo fitsipika.

Ny fampiharana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy dia afaka manampy antsika amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Fintino fohy amin’ny teninao manokana ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Avereno jerena avy eo ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra fifehezana fotopampianarana (2022), ary tadiavo ireo fahamarinana fanampiny azonao ampidirina ao amin’ny famintinanao.

Ho an’ity sahanasa manaraka ity dia asao ny mpianatra hizara rafi-tantara azy ireo manokana izay ilana ny fahatakaran’ny olona iray bebe kokoa ireo fahamarinana momba ny Fitsarana Farany. Avy eo dia eritrereto ny hanolo ny rafi-tantara iray na roa ao amin’ny lesona amin’ny iray izay zarain’ny mpianatra.

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto, ary misafidiana anankiray izay tianao hifantohana amin’ny sahanasa manaraka. Eritrereto hoe nahoana ny olona iray ao anatin’izany toe-javatra izany no mety hahatsapa toy izany. Mety ho tsapanao ihany koa ve ny zavatra tsapan’ny iray amin’ireo zatovovavy ireo? Saintsaino izay mety mbola tsy takatr’izy ireo momba ny Fitsarana Farany izay afaka manampy azy ireo.

1. Manana namana izay manao fiainana araka izao tontolo izao i Stephanie. Niaiky izy fa na dia mandika ny didy aza izy ireo dia toa mahafinaritra indraindray ny zavatra ataony. Tsy nahatsikaritra voka-dratsy lehibe amin’ny safidiny izy ary mieritreritra ny hiaraka amin’izy ireo.

2. I Kayla dia zatovovavy marin-toetra izay mibebaka amim-panetrentena rehefa manao fahadisoana, kanefa mbola matahotra ihany izy rehefa miresaka momba ny Fitsarana Farany ny olona. Niezaka tsy nieritreritra momba izany izy.

Azon’ny mpianatra atao ny mamita manokana ity asa manaraka ity na miaraka amin’ny namany iray.

Manorata taratasy ho an’i Stephanie na i Kayla izay inoanao fa afaka manampy azy hisoroka ny fanenenana amin’ny hoavy na ny tahotra tsy ilaina. Ho solon’izany dia azonao atao ny misafidy ny hanoratra amin’ny olona iray fantatrao izay mety hahita fitahiana raha mahatakatra tsara kokoa ny Fitsarana Farany. Ampidiro ao amin’ny taratasinao ny fomba ampiharana ireo fitsipika tsirairay amin’ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra misy azy ireo. Azonao atao ny mandinika ireto manaraka ireto rehefa manapa-kevitra izay hosoratana ianao.

  • Ahoana no mety hanampianao an’i Stephanie na i Kayla hahita zavatra amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay? Ahoana no nanampian’izany azy?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny drafitry ny famonjena izay mety hanampy an’i Stephanie na i Kayla? Ahoana no nianaranao ireo fahamarinana ireo?

  • Inona avy ireo loharanom-pahalalana notendren’ Andriamanitra arosonao mba hitodihany mba hianarany ny fahamarinana momba ny Fitsarana Farany? Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny Apokalypsy 20:12 manampy azy?

  • Ahoana no ahafahanao mamporisika azy hanao asa amim-pinoana ankehitriny sy amin’ny ho avy?

Omeo fahafahana ny mpianatra hizara amin’ny iray kilasy na amin’ny vondrona kely iray ny zavatra nosoratany tamin’ilay zatovovavy tao anatin’ilay rafi-tantara nosafidiany. Henoy tsara rehefa mizara izy ireo, ary mametraha fanontaniana fanaraha-maso toy izao manaraka izao mba hanatevenana ny fahatakaran’izy ireo: “Moa ve misy andinin-tsoratra masina na fanambarana manokana avy amin’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay mety hanampy azy? Ahoana no ahafahan’izany manampy azy?” “Inona no nanampy anao hahatakatra sy hiomana amin’ny Fitsarana Farany? Hanoro hevitra an’i Stephanie na i Kayla mba hanao zavatra mitovy amin’izany ve ianao? Nahoana no eny, na nahoana no tsia?”

Raha toa ka manampy ireo mpianatra hitadidy bebe kokoa ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny Apokalypsy 20:12, dia asao izy ireo mba hanandrana hamerina izany indray tsianjery alohan’ny handaozany ny kilasy.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Any am-piandohana na any amin’ny fiafaran’ny lesona iray ho avy dia mandania tsy mihoatra ny telo ka hatramin’ny dimy minitra hamerenana ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Apokalypsy 20:12. Ny fomba iray hanaovana izany dia ny fanehoana ny toko sy andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, ka manolo ny teny roa na telo amina banga. Rehefa fenon’ny mpianatra araka ny tokony ho izy ny banga dia asehoy indray miaraka amin’ny banga samihafa ilay toko sy andininy sy andian-teny manan-danja. Azo averina imbetsaka izany miaraka amin’ny banga samihafa isaky ny mandeha.