Seminera
Apokalypsy 2–3, Fizarana 2


Apokalypsy 2–3, Fizarana 2

“Izay maharesy”

Sary
Sary hosodokon’i Jesoa Kristy nataon’i Mike Malm. Toy ny mandeha eny ambonin’ny rano i Kristy miaraka amin’ny sandriny mivelatra mba handray an’ireo izay manatona Azy. Misy rahona ao ambadika miaraka amin’ny tara-masoandro izay mitaratra eny amin’ny rahona. Misy hazavana koa mivoaka manodidina ny lohany.

Efa nanontany tena ve ianao hoe ahoana no ahafahanao miatrika amim-pahombiazana ireo fanambin’ny fiainana an-tany? Nampianatra ny Olomasina avy amin’ireo fiangonana fito tany Azia ny fomba handresena ny fanenjehana, sy ny fahotana, ary ireo fanamby hafa ny Mpamonjy mba hahazoana ireo fitahiana izay nampanantenainy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa faniriana bebe kokoa ny handresy ireo fanamby sy handray ireo fitahiana nampanantenain’ny Mpamonjy fa homeny.

Manampy ireo mpianatra ho lasa mpandray anjara mavitrika. Fomba iray hanampiana ireo mpianatra ho lasa mpandray anjara mavitrika ny fanomezana azy ireo fahafahana hisafidy izay zavatra tiany hianarana. Hevero ny hanome tantara maromaro mitovitovy holalinina, fanontaniana mba hovaliana, na sahanasa azo isafidianana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana azo itokisana mba hizara ny zavatra niainany amin’izy ireo rehefa naharesy sakana iray noho ny fanampian’ny Mpamonjy izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mahita ny farany hatrany am-piandohana

Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa ary asao izy ireo mba hifanazava hoe inona no sakafo ankafizin’izy ireo ary nahoana izy ireo no tsindrin-daona te hihinana izany. Avy eo dia zarao ity fanoharana manaraka ity ary asao ireo mpianatra mba hamaly ilay fanontaniana mifandray aminy.

Alaivo sary an-tsaina ny tenanao amin’ity trangan-javatra nofariparitan’ny Rahalahy Ahmad S. Corbitt ao amin’ny Fiadidian’ny Zatovolahy Maneran-tany manaraka ity. Jereo ny “You Can Gather Israel!,” izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist,org, manomboka avy amin’ny mari-potoana 4:49 ka hatramin’ny 5:22, na vakio ity teny nambara manaraka ity.

Sary
Sary ôfisialin’i Ahmad Corbitt.

Eritrereto hoe indray andro alohan’ny handehananao any am-pianarana dia manome fampanantenana marina iray ny iray amin’ny ray aman-dreninao fa afaka mihinana ny sakafo tena tianao indrindra ianao rehefa miverina avy mianatra! Tsindrin-daona ianao! Mbola any am-pianarana ianao dia efa mieritreritra ny tenanao mihinana izany sakafo izany ary renao sahady ny tsirony. Mandeha ho azy ny fizaranao amin’ny hafa ilay vaovao tsara. Ny fiandrandranao ny fodianao dia tena mahafaly anao ka dia toa maivana avokoa ireo fitsapam-pahaizana sy ireo fanamby any am-pianarana. Tsy misy na inona na inona afaka mamafa ny hafalianao na koa mampiahiahy anao satria tena azo antoka ilay fampanantenana!

(Ahmad S. Corbitt, “Afaka manangona an’i Isiraely ianao!,” Liahona, Mey 2021, 62)

Azontsika ampiharina amin’ny fiainantsika ara-panahy ihany koa ny fanoharana nataon’ny Rahalahy Corbitt.

  • Araka ny eritreritrao, nahoana isika no mahazaka tsara fitsapana sy olan’ny fiainana an-tany rehefa mifantoka amin’ireo fampanantenana mandrakizay izay nataon’ny Raintsika any An-danitra ho antsika?

Ao amin’ny Apokalypsy 2–3, i Jesoa Kristy dia nijoro ho vavolombelona momba ny fampanantenany mandrakizay ary nampianatra ny Olomasina ny fomba ahafahan’izy ireo mandray ireo fampanantenana ireo. Ireo Olomasina tamin’ny andron’i Jaona dia nila fanampiana tamin’ireo olana maro mitovy amin’ireo izay mety hatrehinao, anisan’izany ny fahotana, ny fanenjehana ary ny tsy firaharahana. Rehefa mandalina ireo toko ireo ianao dia saintsaino ny fomba ahafahan’ny fahatakarana ireo fampanantenana avy amin’ny Tompo ireo manampy anao amin’ny fiainana.

Asehoy ireto andinin-tsoratra masina sy famaritana ary fanontaniana ireto. Hevero ny hizara ny mpianatra anatina vondrona kely mba hamaky ireo andalan-tsoratra masina sy hifanakalo hevitra momba ireo fanontaniana.

Azo asaina mametraka fanontaniana mikasika ireo fampanantenana sy mandalina ireo lahatsoratra ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na loharanom-pahalalana hafa izay hanampy azy ireo hahatakatra bebe kokoa ireo fampanantenana ny mpianatra.

Mamoròna tabilao toy ity manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao.

Andinin-tsoratra masina

Ny fampanantenan’ Andriamanitra ho an’izay mandresy

Apokalypsy 2:7, 10–11, 17, 25–29;

3:5, 11–12, 20–21

Vakio ireo andininy eo amin’ny ilany havian’ny tabilao, ary raketo an-tsoratra eo amin’ny ilany havanana amin’ilay tabilao ireo fampanantenana hitanao ao amin’izy ireo (marihina fa fampanantenana maro no hita ao amin’ny toko tsirairay). Mety hanampy anao ireto famaritana manaraka ireto.

Fahafatesana faharoa (Apokalypsy 2:11): Fahafatesana ara-panahy, na tafasaraka amin’ Andriamanitra mandrakizay (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fahafatesana, Ara-panahy,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org)

Mana miafina (Apokalypsy 2:17): Filazana momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Jaona 6:48–51)

Vato fotsy (Apokalypsy 2:17): Ny Orima sy Tomima (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:8–11)

Kintana fitarika andro (Apokalypsy 2:28): Anarana anankiray fiantsoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Apokalypsy 22:16)

  • Inona no hitanao fa mampitovy an’ireo fampanantenana ireo?

  • Ahoana no azonao amintinana ny tenin’ny Mpamonjy momba ny fomba handraisana ireo fampanantenany mandrakizay?

Ireo andalana ireo dia afaka manampy antsika hahatakatra fa raha mandresy isika, dia hanome antsika ireo fitahian’ny fisandratana ny Mpamonjy.

  • Ahoana no ahafahan’ny fahafantarana fa nampanantena anao ireo fitahiana mandrakizay i Kristy manampy anao hiaritra ireo olan’ny fiainana an-tany?

  • Inona amin’ireo fampanantenana ireo no mandrisika anao handresy ny zavatra izay atrehanao? Nahoana?

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny hampiasa ireo zavatra niomanany mba hanatrehana ny fampianarana rehefa mamaly ity fanontaniana manaraka ity izy ireo. Asao ireo mpianatra mba hanoratra ny valin-tenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona no tokony ho resentsika mba hahazoana ny fisandratana?

Mitadiava ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hamantarana sy hanoratana ny zavatra izay tokony horesena eo amin’ny fiainanao. Mety ho fahotana izany, na fiankinan-doha, na olana manokana hafa. Soraty hoe nahoana no mafy aminao izany ary nahoana ianao no te handresy azy. Rehefa manohy mandalina ianao, dia katsaho ny fanampian’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahafantarana ny zavatra izay azonao atao mba handresena izany.

Fandresena an’izao tontolo izao

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara izao manaraka izao mikasika ny fandresena:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aogositra 2010.

Ho vita ve ny mandresy izao tontolo izao sy mahazo ireo fitahiana ireo? Eny, izay mihitsy.

Ireo izay mandresy izao tontolo izao dia mampivelatra fitiavana tanteraka ny Tompo sy Mpamonjy antsika, dia i Jesoa Kristy. …

Ny fandresena an’izao tontolo izao dia tsy fotoana iray mamaritra ny androm-piainana, fa fotoana maharitra izay mamaritra ny mandrakizay.

(Neil L. Andersen, “Mandresy izao tontolo izao,” Liahona, mey 2017, 59)

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’ny Loholona Andersen momba ny fandresena?

Satria tia sy miahy antsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, dia te hanampy antsika Izy Ireo handresy izay rehetra ilaina hahazoana ny fisandratana.

Hevero ny haneho ireto hevitra manaraka ireto, na avelao ny mpianatra mba hitady ny fomba ahafahany mamantatra ny zavatra izay azon’izy ireo atao mba handraisana ny fanampian’ny Mpamonjy, handresena ireo olany.

Raha ilaina, dia manontà dika mitovy maromaro amin’ity lahateny izay nataon’ny Loholona Andersen manaraka ity.

  1. Vakio ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aprily 2017 izay mitondra ny lohateny hoe “Mandresy izao tontolo izao” izay nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo. Mitadiava hevitra momba ny zavatra izay azonao atao mba handresena.

  2. Vakio ny Jaona 16:33, ary ianaro ny fomba nandresen’ny Mpamonjy ny fakam-panahin’i Satana ao amin’ny Matio 4:1–11. Tadiavo ny fomba ahafahanao manaraka ny torohevitry ny Mpamonjy sy ny ohatra izay nasehony rehefa miezaka mandresy ireo olana sy fahotana ianao.

  3. Tadiavo ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ny teny hoe “mandresy”. Halalino ireo teny nindramina na soratra masina hitanao mba hamantarana ny fomba ahafahanao ihany koa mandresy. Raha tsy izany, dia azonao atao ny mandalina andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ao amin’ny hoe “Mandresy, Nandresy.”

Omeo fotoana ampy ny mpianatra mba hamitany ny fandalinany. Avy eo dia asao izy ireo mba hizara ny zavatra izay hitany na nianarany ary koa ny eritreritra na ny fahatsapany mikasika ny fomba mety hampiharan’izy ireo ny zavatra izay nianarany.

Mieritrereta zavatra iray farafahakeliny azonao atao mba hanampiana anao handresy ilay olana na fahotana izay noeritreretinao tany aloha tao amin’ny lesona. Soraty ao anatin’ny diarinao manokana ny zavatra izay hataonao sy ny fahahafoizan-tenanao hanao izany. Hevero ny hizara ny drafitrao amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay azo itokisana.

  • Inona no zavatra nianaranao mikasika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ity lesona ity?

  • Inona no efa fantatrao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany izay manome anao fahatokiana fa afaka manampy anao handresy ny zava-drehetra sy handray ireo fitahiana nampanantenainy Izy?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Apokalypsy 2:25; 3:5. Inona no dikan’ny hoe “mifikitra mafy”?

Ny Kristianina izay nomelohin’ny manam-pahefana Romana higadra na ho faty indraindray dia afaka nanavotra ny tenany tamin’ny alalan’ny fanozonana an’i Kristy sy ny fivavahana amin’ny emperora. Noraketin’i Jaona an-tsoratra ny fiderana ny Tompo ho an’ireo Olomasina tao Pergamosy noho ny “[fi]fikirana mafy” amin’ny anarany, na dia teo ambany fandrahonana ho faty aza (Apokalypsy 2:13; jereo ihany koa ny Apokalypsy 2:25; 3:3, 11). Andian-teny miverimberina ao amin’ny Apokalypsy 2–3 ny fananarana mba “hifikitra mafy” amin’ny fahamarinana (jereo ny Apokalypsy 2:13, 25; 3:3, 11). Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa ny hoe “mifikitra mafy” amin’ny fahamarinana, izay hita ao amin’ny tenin’ Andriamanitra, dia midika hoe “mihaino izany, manaraka ireo fitsipika ampianarina ao, ary mifikitra amin’ireo fitsipika ireo toy ny hoe ny fiainantsika mihitsy no niankina tamin’izany—izay, raha miresaka momba ny fiainana ara-panahy isika, dia marina ara-bakiteny (“Be Strong in the Lord [Mahatanjaha amin’ny Tompo],” Ensign, Jolay 2004, 10).

Inona no dikan’ny hoe mandray ny fisandratana?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Raha zavatra mahakasika ny tsirairay ny fanavotana, ny fisandratana kosa dia zavatra mahakasika ny fianakaviana. Ireo izao manambady any amin’ny tempoly sy ireo izay voafehin’ny Fanahy Masin’ny Fampanantenana ihany ny fanambadiany no hitohy ho mpivady ao aorian’ny fahafatesana ary handray ny ambaratongam-boninahitra ambony indrindra ao amin’ny voninahitra selestialy, na ny fisandratana.

(Russell M. Nelson, “Celestial Marriage,”Ensign or Liahona, Nov. 2008, 92)

Rahalahy Brian K. Ashton, izay tao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany teo aloha, dia nampianatra hoe:

Sary
Rahalahy Brian K. Ashton, Mpanolotsaina Faharoa tao amin’ny Fiadidian’ny Sekoly Alahady maneran-tany. Sary ôfisialy 2018.

Namorona drafitra iray ny Ray izay hamela antsika, amin’ny toe-javatra sasany, hahazo vatana ara-nofo izay ho lasa tsy mety maty sy be voninahitra amin’ny Fitsanganana amin’ny maty; manambady sy manorina fianakaviana eto an-tany na, ho an’ireo mahatoky izay tsy nanana izany fahafahana izany, taorian’ny fiainana an-tany; fandrosoana ho amin’ny fahatanterahana; ary amin’ny farany dia miverina any amin’ny Ray aman-drenintsika any An-danitra ary miara-miaina amin’ Izy Ireo sy ny fianakaviantsika ao anatin’ny toetry ny fisandratana sy ny fahasambarana mandrakizay.

(Brian K. Ashton, “Ilay Ray,” Liahona, Nôv. 2018, 94)

Mba hahazoana hevi-baovao fanampiny momba ity lohahevitra ity, dia hevero ny handalina ny Lohahevitra ara-pilazantsara, “Becoming Like God (Tonga tahaka an’ Andriamanitra),” topics.ChurchofJesusChrist.org.

Sahanasa fianarana fanampiny

Fahatakarana ireo fitahian’ny fisandratana

Raha mila mahatakatra kokoa ny fampanantenan’ny Mpamonjy mikasika ny fisandratana ny mpianatra dia asao izy ireo mba hijery ireo lahatsoratra ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina toy ny “Hazon’aina,” “Satroboninahitra” na “Mana” (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Mety hanampy ihany koa ny mampiseho teny nambara avy ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” izay mety hanampy amin’ny fahatakarana ireo fampanantenana ireo.

Mifikitra mafy

Raha hahazo tombontsoa avy amin’ny fahitana ny fomba ahafahan’ny “[mifikitra] mafy” (Apokalypsy 2:25; jereo ihany koa ny 3:3) manampy azy ireo handresy izao tontolo izao ny mpianatra, dia asao izy ireo mba handalina ny 1 Nefia 8:30 sy ny hevitr’izany izay nomen’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 15:21–25. Asao ireo mpianatra mba hamantatra ireo asa izay azony atao mba “hifikirana mafy,” amin’ny alalan’ny fitadidiana fa ny hazon’aina sy ny anja-by dia tandindon’i Jesoa Kristy sy ny teniny. Azon’izy ireo atao koa ny mampiasa ireo teny nambara avy ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” eo ambanin’ity lohahevitra ity. Asao izy ireo mba hizara ny zavatra niainany rehefa nihazona mafy sy nandresy ireo olana na fahotana izy ireo na ny hafa. Avy eo dia afaka manao drafitra handresena ireo olana na fahotana ireo araka ny voalaza teo aloha tao amin’ny lesona izy ireo.