Seminera
Apokalypsy 1–5


Apokalypsy 1–5

Topimaso ankapobeny

Inona no zavatra tonga ao an-tsainao raha vao mieritreritra momba ny Bokin’i Môrmôna ianao? Ny Apôstôly Jaona, izay nanoratra ilay boky, dia nanambara hoe, “Sambatra izay mamaky sy izay mandre ary mahatakatra ny tenin’ity faminaniana ity” (Dikantenin’i Joseph Smith, Apokalypsy 1:3). Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy, dia hahitanao sariohatra sy sarin-teny maro izay hampianatra anao momba an’i Jesoa Kristy sy ny drafitry ny Ray any An-danitra ary ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Ho hitanao ao koa ny fomba nivoahan’i Jesoa Kristy sy ny mpanara-dia Azy ho mpandresy manoloana an’i Satana sy ny fanjakan’izao tontolo izao. Ny bokin’ny Apokalypsy, izay nosoratana ho an’ireo fiangonana fito tany Azia nandritra ny fotoana nisian’ny fanenjehana mafy, dia afaka hanampy anao handresy amim-pahatokiana ireo fahasarotan’ny andro farany sy hiomana amin’ny fiverenan’ny Mpamonjy.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome ireo mpampianatra hevitra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay:

Apokalypsy 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra mba hahatakatra ny sasany amin’ireo sariohatra ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy sy ny zavatra azon’izany ampianarina azy ireo momba an’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Fiomanan’ny mpianatra “ Fahitanan’i Jaona ” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, izay hita ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org, ary mba ho tonga vonona hizara ny zavatra izay mahaliana azy ireo amin’ny fianarana sy ny antony.

  • Votoatiny aseho: Ny sarin’i Jesoa eo anelanelan’ny labozia maro

  • Taratasy zaraina: Manomàna tahadikan’ny taratasy zaraina ampy “Ireo sariohatra ao amin’ny fahitan’i Jaona” ho an’ny mpianatra.

Apokalypsy 2–3, Fizarana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka mamporisika ireo mpianatra hihaino ny feon’ny Mpamonjy izay manaiky ny asa tsara ataon’izy ireo sy manome azy ireo izay fanitsiana mety ilaina.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamantatra hoe inona eo amin’ny lafim-piainany no tsapany fa mahafaly ny Mpamonjy. Ao anatin’io fanasana io, dia afaka mivavaka sy mangataka amin’ny Ray any An-danitra ireo mpianatra mba hanampy azy ireo hijery ny zavatra tsara izay ataony. Afaka mangataka amin’ny ray aman-dreniny ihany koa izy ireo mba hanampy azy.

  • Zavatra na sary aseho: Miomàna hampiseho ny sarin’i Jesoa eo am-baravarana (Boky mirakitra sary momba ny filazantsara [2009], lah. 65) sy ny sarin’ireo fiangonana fito.

  • Horonan-tsary:Mrs. Patton—the Story Continues” (16:09; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 15:08 ka hatramin’ny 15:55)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa mikaroka ireo asa tsara izay nahitan’i Jaona ireo fiangonana fito sy ny fanitsiana nomeny azy ireo ny mpianatra, dia asao mba hampiditra izay hitany ao amin’ny fitaovana fifaneraserana chat. Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia angataho ny iray kilasy mba hikaroka ao amin’ny chat ary hifantina hevi-baovao iray avy amin’ny mpiara-mianatra iray izay tiany hiresahana ny antsipiriany bebe kokoa. Ny mpianatra izay nandefa ny hevi-baovao dia azo angatahina hanazava ny zavatra izay nosoratany. Mametraha fanontaniana mba hanampiana ny iray kilasy hifanakalo hevitra momba ny maha zava-dehibe ny lohahevitra izay nofantenany.

Apokalypsy 2–3, Fizarana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana bebe kokoa mba handresy ireo olana sy handray ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Mpamonjy fa homeny.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hangataka olona iray ao amin’ny fianakaviana na namana azo itokisana mba hizara ny zavatra niainany amin’izy ireo rehefa naharesy sakana iray noho ny fanampian’ny Mpamonjy izy ireo.

  • Horonan-tsary: You Can Gather Israel!” (10:53; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 4:48 ka hatramin’ny 5:22)

  • Votoatiny aseho: Hevero ny hampiseho ny tabilao miaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina sy ireo famaritana izay voatanisa eo ambanin’ny tabilao. Mety hanampy ihany koa ny mampiseho ireo safidy izay hita ao amin’ny sahanasa fandalinana momba ny fandresena mba hisafidianan’ireo mpianatra.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mety hanampy ny famoronana diaporama na fampiasana fomba hafa mba hanehoana ireo famaritana ny asa fikarohana ara-tsoratra masina sy ireo safidy fandalinana ho an’ny sahanasa farany. Hevero ny handefa mozika mampahery rehefa mamita ireo sahanasa roa ireo ny mpianatra.

Apokalypsy 5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hitsaoka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amim-pitiavana sy ny fahatsoram-po bebe kokoa.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hiresaka amin’ny olona anakiray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mikasika ny dikan’ny hoe mitsaoka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Horonan-tsary: The Blessings of Worship” (11:28; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 3:34 ka hatramin’ny 4:45 sy manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 8:54 ka hatramin’ny 11:14)

  • Votoatiny aseho: Ny fanambarana nataon’ny Eveka Dean M. Davies sy, raha ilaina, ireo fanontaniana dimy voatanisa any amin’ny faran’ny lesona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mety hanampy ny fanehoana ny fanambarana izay nataon’ny Eveka Dean M. Davies rehefa mifanakalo hevitra momba ny zavatra izay nianarany mikasika ny fitsaohana avy amin’ilay teny nindramina ireo mpianatra.

Famerenana Fifehezana Fotopampianarana 24

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra mba hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasantsasany ao anatina toe-javatra azo tsapain-tanana maro isan-karazany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hampiasa ny application Maitrise de la Doctrine na fomba hafa mba hampiharany ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Angataho izy ireo mba ho tonga ao an-dakilasy vonona hizara andinin-tsoratra anankiray izay efa avy niainany sy nanaovany fampiharana.

  • Votoatiny aseho: Ny taratasy zaraina mitondra ny lohateny hoe “Fifehezana Fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy”

  • Horonan-tsary: Teachings of Thomas S. Monson: Rescuing Those in Need” (5:01; jereo manomboka avy amin’ny mari-potoana faha 0:30 ka hatramin’ny 5:01)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa mizara rafi-tantara ireo mpianatra, dia azo asaina mandefa izany amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovan-tserasera chat izy ireo. Avy eo dia azo asaina mamaky ireo rafi-tantara ireo ny iray kilasy, mitady andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay mihatra amin’ireo rafi-tantara, ary hanazava ny fomba ampiharana izany.