Seminera
Tombano ny fianaranao 11


Tombano ny fianaranao 11

1 Timoty–1 Jaona

Sary
Zatovovavy iray mizara soratra masina iray amin’ny namana

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaranao manokana nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao. 

Mampihatra ny fianarana amin’ny tena manokana. Manampy ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainany manokana izay mifandray amin’izay ampianarina. Manomeza fotoana ho azy ireo hisaintsainana ireo fitahiana azony tamin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy sy ny fomba ataon’izy ireo mba itoviana kokoa Aminy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra izay nianaran’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy sy ireo fomba ahatsapany fa lasa tahaka an’i Kristy kokoa izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hisaintsaina ny fomba ataon’izy ireo mba hanatonany kokoa an’i Kristy sy hahatongavana ho mpianany. Ao anatin’izany ny mpianatra dia hanana fahafahana hanombantombana (1) ny fomba izay ataon’izy ireo mba hahatongavany tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa, (2) ny fahafahany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao, ary (3) ireo tanjona napetrak’izy ireo. Ireto sahanasa manaraka ireto dia azo amboarina mba hifantoka amin’ireo fahamarinana izay nohamafisina nandritra ireo fotoam-pianarana vao haingana.

Fomba iray entina hanombohana ny fotoam-pianarana ny fangatahana ireo mpianatra hamerina hijery ny diary fandalinany sy ny soratra masina mba hahitana ireo fanamarihana sy fahatsapana izay noraketin’izy ireo tao anatin’ny herinandro vitsivitsy lasa. Asao ny mpianatra hifampizara ny zavatra nianarany momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany. Ampio ny mpianatra hisaintsaina ny fomba ataon’izy ireo mba hahatongavany tahaka Azy kokoa.

Tao amin’ny lesona teo aloha, ny hoe tonga tahaka an’i Jesoa Kristy dia nampitahaina tamin’ny fiakarana tendrombohitra avo.

  • Inona no fantatrao momba ny fiakarana tendrombohitra ka mahatonga an’izany ho fanoharana tsara?

  • Inona no tsapanao fa mahasarotra ny fahatongavana tahaka an’i Jesoa Kristy? Nahoana izany fanamby izany no mendrika ifoforana?

Raha efa nianika tendrombohitra ianao taloha, dia eritrereto izay tsapanao rehefa tonga teo an-tampony ianao. Raha tsy mbola nianika tendrombohitra ianao taloha, dia alaivo sary an-tsaina hoe hanao ahoana izany.

  • Ahoana no ahafahan’ny fitazonana ny tanjona farany ao an-tsainao hanosika anao mandritra ny fiakaranao ara-panahy?

Raha nahavita ny lesona teo aloha momba ny 2 Petera 1, ianao dia jereo ny sarin’ny tendrombohitra iray noforoninao ao amin’ny diary fandalinanao. Raha tsy nanao sary ho anao manokana ianao dia jereo ity sary manaraka ity:

Sary
Kisarin’ny tendrombohitr’ireo toetra masina

Makà fotoana hieritreretana momba ireo toetra masina voatanisa ao amin’ny sary nataonao.

  • Iza amin’ireo toetra ireo no ezahinao kolokoloina? Manao ahoana ny fivoaranao?

Saintsaino ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy sy ny fomba ahafantaranao Azy kokoa.

  • Inona no azonao atao mba hanohizanao ho tonga tahaka an’i Kristy kokoa?

Mampianatra tahaka an’i Jesoa Kristy

Sary
Mpilalao an-tsehatra iray mampiseho an’i Jesoa mitazona ankizy eo am-pofoany. Voahodidin’olona izy ireo.
Sary
I Jesoa ao amin’ny tempoly, mampianatra ireo Apôstôliny mikasika ny farantsakelin’ ilay mpitondratena.
Sary
I Jesoa mipetraka eo anoloan’ny latabatra iray mampianatra.
Sary
I Jesoa manamasina ny mofo handeha hamahanany ireo olona tafavory.

Azonao atao ny mampiseho sary sasantsasany manerana ny efitrano fianarana izay ahitana ny Mpamonjy mampianatra amin’ny sehatra samihafa.

  • Inona avy ireo toe-javatra sy sehatra sasantsasany nampianaran’ny Mpamonjy?

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia manondro fa:

Tsy nitranga tany amin’ny sinagoga ny ankamaroan’ny fampianaran’ny Mpamonjy fa tany amin’ny toerana tsotsotra sy mahazatra—teo am-pisakafoanana niaraka tamin’ny mpianany, teo am-pakana rano tao amin’ny fantsakana, teo am-pandalovana ny hazo aviavy iray.

(“Araraoty ireo fotoana azo ampianarana tampoka,” Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy [2016], 16)

Saintsaino ireo fahafahana mety anananao mba hampianarana fitsipiky ny filazantsara iray na hanazavana zavatra inoana amin’olona iray.

  • Oviana ary aiza araka ny eritreritrao no ahafahanao mizara zavatra izay nianaranao na tsapanao vao haingana momba ny Mpamonjy?

Nampianatra antsika ny fomba itoviana amin’i Jesoa Kristy ny Apôstôly Petera rehefa nanoratra hoe: “Aoka ho vonona mandrakariva hianareo hanome … ny anton’ny fanantenana ao anatinareo” (1 Petera 3:15). Rehefa mizatra manazava ny zavatra inoantsika isika dia afaka ny ho vonona tsara amin’ireo fahafahana hampianatra amin’ny fotoana sy toerana hahatongavan’izy ireny.

Misafidiana iray amin’ireto lohahevitra nianaranao tao anatin’ny herinandro vitsivitsy farany ireto, dia vitao ireo dingana manaraka.

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 9:11–15, 24, 28; 10:10–17)

Finoana an’i Jesoa Kristy (jereo ny Hebreo 11; Jakoba 2:17–18)

Andriamanitra no Rain’ny fanahintsika (jereo ny Hebreo 12:9; jereo koa ny Jaona 20:17; Asan’ny Apostoly 17:29; Romana 8:16–17)

a. Manorata toe-javatra tena mety hitranga marina izay hahafahanao, tahaka ny Mpamonjy, hanana fahafahana hampianatra olona iray na hamaly fanontaniana iray momba ity lohahevitra ity.

b. Raiso an-tsoratra ny fanontaniana iray mety ananan’ny olona iray momba io lohahevitra io.

d. Manomàna ny fomba hanazavanao io lohahevitra io dia valio ilay fanontaniana. Mampiasà andinin-tsoratra masina iray farafahakeliny ao amin’ny fanazavanao. (Ny soratra masina voatanisa ao anaty fononteny dia nomena mba hampahatsiahivana anao izay mety efa nianaranareo.)

Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hanao lalao an-tsehatra entina hanazavana ny fahamarinan’ny filazantsara iray. Amporisiho ireo mpianatra mba hatoky tena sy hiantehitra amin’ny Fanahy mba hanampy azy ireo hitadidy ny zavatra hainy. Omeo fahafahana ny mpianatra hiresaka momba ny zavatra nandeha tsara sy izay sarotra tao amin’ilay lalao an-tsehatra. Asao ireo mpianatra hitady fahafahana hizatra mampianatra ka hampitombo ny fahaizany mizara ny zavatra inoany amin’ny hafa amin’ny alalan’izany izy ireo.

Ny ezaka ataoko eo amin’ny fandalinana ny soratra masina sy ny fivavahana

Sary
I Joseph Smith mamaky Baiboly amin’ny alalan’ny labozia.

Tano ambony ny Baiboly ary asehoy ny sarin’i Joseph Smith fony izy mbola tanora. Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra momba ny anjara asan’ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka amin’ny fandraisana fanambarana. Azonao apetraka ity fanontaniana manaraka ity.

  • Inona no nianaranao momba ny fandalinana ny soratra masina sy ny vavaka avy amin’ny fandalinana ny Testamenta Vaovao na ny zavatra niainan’i Joseph Smith?

Soraty ny zavatra ataonao amin’izao fotoana izao, na ezahina hatao, na tianao hatao mba hanatsarana ny ezaka ataonao eo amin’ny fivavahana sy ny fandalinana ny soratra masina. Mety ho tafiditra ao anatin’izany ny tanjona napetrakao ao anatin’ny Ankizy sy Zatovo ho an’ny tenanao manokana na momba ny seminera manokana.

Mba hanampiana anao haka sary an-tsaina ny fivoaranao amin’io tanjona io dia ataovy ao anatin’ny diary fandalinanao ity kisary manaraka ity. Ampio ny iray amin’ireto lohateny manaraka ireto eo ambonin’ny ampahany efatra tsirairay amin’ilay kisary: Lesona; Fitahiana; Sakana; Fivoarana any aoriana. Soraty eo ambanin’ny lohateny mifanentana amin’izany ny valinteninao amin’ny tsirairay amin’ireto fanontaniana manaraka ireto mba hanampiana anao hanombantombana ny fivoaranao sy hanohy hivoatra.

Sary
Fanehoana an-tsary ny zana-tsipika iray.
  • Inona no lesona nianarako tamin’ny alalan’ny vavaka sy ny fandalinana ny soratra masina?

  • Inona avy ireo fitahiana na valim-panontaniana hitako?

  • Moa ve aho miatrika sakana amin’ny fanatrarana ny tanjona fandalinana soratra masina napetrako? Raha izany no izy, ahoana no ahafahako mitodika amin’ny Tompo mba handresena izany?

  • Inona no fivoarana amin’ny hoavy tiako ho hita eo amin’ny vavaka sy ny fandalinako ny soratra masina?

Raha mbola tsy manana tanjona amin’ity sehatra ity ianao dia azonao atao ny mametraka tanjona iray ankehitriny ary manombatombana izany mandritra ny herinandro sy ny volana vitsivitsy manaraka. Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina hahafantarana hoe toy ny ahoana ny hafalian’ ny Tompo amin’ireo ezaka ataonao amin’ny fivavahana sy ny fandalinana ny soratra masina. Katsaho ihany koa ny hahafantatra izay fiovana tokony ataonao mba hiainana ireo fitahiana sy handraisana ireo valiny tian’ny Tompo homena anao.

Raha tsy mampaninona ny mpianatra dia asao izay mazoto hizara ilay kisary noforonin’izy ireo ao amin’ny diariny sy ny fivoarana izay tsikariny. Ampio ireo mpianatra hamantatra na dia ny fivoarana kely indrindra aza, ary amporisiho izy ireo hanohy ny fandalinana ny soratra masina sy hivavaka amin’ny Rainy any An-danitra mba hahazoana fanambarana.