Seminera
1 Jaona 2–4; 2 Jaona


1 Jaona 2–4; 2 Jaona

Maneho fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy

Sary
A women with her hands upward in prayer

Rehefa mahatsapa ho tiana na tia olon-kafa ny olona iray dia matetika miova ny zavatra ataony. I Jaona dia nampianatra fa ny fitiavantsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka mandrisika antsika hitandrina ny didin’ Izy Ireo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatakatra ny fomba ahafahanao maneho fitiavana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fitandremana ireo didy.

Manasa ireo mpianatra ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa. Ny fanasana ireo mpianatra hanao zavatra sarotra dia afaka manampy azy ireo hitombo sy ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy kokoa. Rehefa manao fanasana, dia hajao ny fahafahana misafidy ary anehoy fitiavana ireo mpianatra, na dia tsy manaiky ireo fanasana aza izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hisaintsaina izay zavatra tsapany momba ny fitandremana ny didy. Azon’izy ireo atao koa ny manontany olona fantany hoe inona no manosika azy ireo hitandrina ny didy.