Seminera
1 Jaona 2–4


1 Jaona 2–4

“Ry malala, aoka hifankatia isika”

Sary
Sary hosodoko ahitana olona maro be avy amina fiaviana samihafa. Fandefasana ny fifaninanana ara-javakanto fanao isan-taona faha-11.

Nahoana no sarotra ny maneho fitiavana ny hafa indraindray? Ahoana no ifandraisan’ny fitiavantsika an’ Andriamanitra amin’ny fitiavana ny hafa? Ny Apôstôly Jaona dia nampianatra ny Olomasina ny fomba itaoman’ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo hitia an’ Andriamanitra sy ny hafa (jereo ny 1 Jaona 4:11, 19). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra sy hampihatra ny didy izay mitaky ny hitiavana ny hafa tahaka ny itiavanao an’ Andriamanitra.

Manampy ireo mpianatra hanao asa amim-pahamarinana mahomby. Rehefa miasa amim-pinoana hampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara ny mpianatra dia hijoro ho vavolombelona amin’izy ireo momba ireo fahamarinana ireo ny Fanahy Masina (jereo ny Jaona 7:17). Mamoròna fahafahana hanaovan’ny mpianatra zavatra mifanaraka amin’ireo fitsipika ao an-dakilasy mba hahafahan’ny Fanahy Masina hitondra ireo fahamarinana lalindalina kokoa ao am-pon’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba ho vonona hizara ireo zavatra niainany izay nanehoan’izy ireo fitiavana ny hafa na nanehoan’ny hafa fitiavana azy ireo sy ny fiantraikan’izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Mitia ny hafa

Mieritrereta fomba maromaro azonao hamaranana ireto fehezan-teny manaraka ireto:

Mora ny mitia ny hafa rehefa …

Sarotra kokoa ny mitia ny hafa rehefa …

Hevero ny hanoratra ireo andian-teny etsy ambony eny amin’ny solaitrabe, sy ny hanasa mpianatra maromaro hanoratra ny fomba mety hamenoan’izy ireo ny iray amin’ireo fehezan-teny ireo.

Saintsaino izao fanontaniana manaraka izao:

  • Inona no mamporisika na mananosarotra anao amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa?

Ny fampianaran’i Jaona momba ny fitiavana

Ny Apôstôly Jaona dia nampianatra tamim-pahasahiana mikasika ny ilàna ny fitiavana ny hafa.

Vakio ny 1 Jaona 3:16–17; 4:7–11, 19–21 ary asio marika ireo fahamarinana izay heverinao fa hanampy anao rehefa mandinika ireo olana eo amin’ny fitiavana ny hafa ianao. (Marihina fa ny teny hoe avotra ao amin’ny [1 Jaona 4:10] dia midika hoe sorompanavotana izay manome fahafahampo ny fahamarinan’ Andriamanitra.)

  • Inona no zavatra hitanao fa mahaliana na manan-danja avy amin’ireo fampianaran’i Jaona? Nahoana?

Henoy tsara ireo mpianatra. Miezaha mamorona tontolo iainana izay hahazoan’ny mpianatra aina tsara rehefa mizara ny eritreriny. Hevero ny hanontany azy ireo hoe ahoana no ahafahan’ny zavatra izay hitany manampy azy hitia ny hafa.

Iray amin’ireo fahamarinana izay nampianarin’i Jaona ao amin’ireo andalan-tsoratra masina ireo ny hoe raha tia an’ Andriamanitra isika dia ho tia ny hafa ihany koa. Azonao asiana marika ity fahamarinana hita ao amin’ny 1 Jaona 4:21 ity.

Mieritrereta fomba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa an’io fahamarinana io. Izany dia azo atao amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra momba ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto na izy rehetra: Nahoana, araka ny eritreritrao, no misy ifandraisany amin’ny fitiavana ny hafa ny fitiavana an’ Andriamanitra? Ahoana no ahafahan’ny fieritreretana ny fitiavan’ Andriamanitra anao sy ny hafa hanisy fiantraikany amin’ny zavatra ataonao amin’ny hafa? Mety hiavaka sy ho tsara kokoa amin’ny fomba ahoana ny fiainantsika sy ny fiainan’ireo manodidina antsika raha takatsika sy ampiharintsika io fahamarinana io?

Afaka mandray soa avy amin’ny fanaovana sahanasa fianarana toy ireto manaraka ireto ihany koa ny mpianatra:

Mba hanampiana anao hisaintsaina ireo fitahiana azo avy amin’ny fitiavana ny hafa dia misafidiana iray amin’ireo ohatra etsy ambany ary valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

Asehoy amin’ny mpianatra ireto safidy manaraka ireto ary ampahatsiahivo azy ireo ny fiomanany ho an’ny fampianarana. Hevero ny hanasa ny mpinatra mba hisafidy ohatra iray na roa, na ho an’ny ray kilasy izany na ho an’ny tsirairay.

  • a. Ohatra iray avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy rehefa naneho fitiavana ny hafa Izy

  • b. Olona fantatrao izay ohatra tsy miovaova amin’ny fitiavana ny hafa

  • d. Ny zavatra niainanao manokana tamin’ny fiezahana hitia ny hafa, na ny zavatra niainana’ny hafa hanehoana fitiavana anao

  • e. Ohatra amin’ny fanehoana fitiavana ny hafa avy amin’ireo lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany na horonan-tsary ato amin’ny Fiangonana, toy ny “Taking upon Ourselves the Name of Jesus Christ” manomboka avy amin’ny mari-potoana 4:43 ka hatramin’ny 6:15 (izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona no nataon’io olona io/ianao mba hanehoana fitiavana?

  • Ahoana no anehoan’ny fihetsiny/fihetsikao ny fitiavana an’ Andriamanitra?

  • Inona no vokatry ny fanehoan’izy ireo/fanehoanao fitiavana?

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’io ohatra io?

Raha nataon’ny mpianatra tsirairay io sahanasa io, dia hevero ny hanasa azy ireo mba hizara ny valinteniny ao anatin’ny vondrona kely na miaraka amin’ny iray kilasy.

Mandray ny fitahiana avy amin’ny fitiavana ny hafa

Vakio ny 1 Jaona 3:17–18 mba hahitana ny fomba namporisihan’i Jaona antsika ho tia ny hafa.

  • Inona araka ny eritreritrao no mety ho dikan’ny hoe mitia ny hafa “amin’ny asa sy amin’ny marina”? ( 1 Jaona 3:18).

Mety ho ilaina ihany koa ny mamaky ny sasany amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy mikasika ny fifankatiavana izay voarakitra ao amin’ny Matio 5:43–44; 22:37–40 sy ao amin’ny Jaona 13:34 mba hitadiavana ny fomba nampianaran’ny Mpamonjy ny tokony hitiavantsika ny hafa. (Jereo ihany koa ny Jaona 15:12, 17.)

Mamoròna lisitr’ireo fomba ahafahanao maneho fitiavana ny hafa “amin’ny asa sy amin’ny marina,” na tahaka ny nitiavan’ny Mpamonjy antsika. Mety hanampy ny mandinika ireo fomba izay hanehoana fitiavana olona samihafa, toy ny havana, namana, na mpiara-mianatra.

Raha toa ka manampy ny mahita ohatra vitsivitsy amin’ny fitiavana ny hafa “amin’ny asa sy amin’ny marina,” dia hevero ny hijery ny “Now Serving” (2:18) ho ohatra. Io horonan-tsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona amin’ireo hevitra fanehoana fitiavana no nisongadina indrindra taminao? Nahoana?

  • Nahoana no zava-dehibe ny fanaovantsika zavatra amin-kitsimpo?

  • Manampy antsika mba ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa amin’ny fomba ahona ny fanaovana tsy tapaka ireo fihetsika amin-kitsimpo ireo?

Fampiharana

Mieritrereta olona iray fantatrao fa mety tian’ny Tompo hanehoanao fitiavana bebe kokoa. Ezaho eritreretina ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy azy ireo. Eritrereto ny hivavaka amin’ny Ray any An-danitra. Henoy ary tsapao tsara ny fitaomam-panahy momba ny zavatra mety tiany hataonao mba hanehoanao fitiavana an’io olona io. Azonao atao ny mivavaka mba hahazoana fanampiana amin’ny ezaka izay ataonao. Mety hanampy koa ny mizara izay zavatra kasainao hatao amin’ny olon-dehibe na namana azo itokisana ary mangataka azy ireo hanampy anao.

Anontanio raha misy mpianatra te hijoro ho vavolombelona momba ny maha zava-dehibe ny fitiavana ny hafa sy ny fomba hanehoan’izany ny fitiavantsika an’ Andriamanitra. Eritrereto ny hizara fijoroana ho vavolombelona anao manokana ihany koa.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

1 Jaona 3:18. Inona no dikan’ny hoe tia “amin’ny asa sy amin’ny marina”?

Ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy dia nanazava hoe:

Sary
Sary ôfisialy faran’ny Loholona Joseph B. Wirthlin tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2004. Nodimandry tamin’ny 1 desambra 2008.

Matetika, ny fanehoana fitiavana lehibe indrindra dia ireo fihetsika faran’izay tsotra maneho hatsaram-panahy sy fiahiana ataontsika amin’ireo izay mifanojo amintsika eo amin’ny lalan’ny fiainana.

(Joseph B. Wirthlin, “The Great Commandment,” Ensign or Liahona, Nov. 2007, 29)

Inona avy ireo fitahiana vitsivitsy azo avy amin’ny fitiavana ny hafa?

Ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany, dia nijoro ho vavolombelona momba ireo fitahiana azo avy amin’ny fitiavana ny hafa.

Sary
Sary tapaka ôfisialin’ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, 2006. Nantsoina ho Mpanolotsaina Faharoa ao amin’ny Fiadidiana Voalohany, 3 febroary 2008. Nanao ny sary tapaka ôfisialy tamin’ny 2008 ho solon’ilay sary tapaka nalaina tamin’ny 2004.

Satria ny fitiavana no didy lehibe indrindra, dia tokony ho ivon’ny zavatra rehetra izay ataontsika ao amin’ny fianakaviantsika manokana, eo amin’ny antsontsika ao am-piangonana ary eo amin’ny fiainantsika izany. Ny fitiavana no balsama manasitrana izay mandravona ireo disadisa misy eo amin’ny fifandraisann’ny tena manokana sy ny fianakaviana ihany koa. Io no fatotra mampiray ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny fitiavana no hery mamelona ny fisakaizana, ny fandeferana, ny fahalalam-pomba ary ny fifanajana. Io no loharano maharesy ny fisaratsarahana sy ny fifankahalana. Ny fitiavana no afo manafana ny fiainantsika amin’ny fifaliana tsy manam-paharoa sy ny fanantenana avy amin’ Andriamanitra. Tokony ho fitiavana no fandehantsika sy fitenintsika.

Rehefa takatsika marina ny dikan’ny hoe mitia tahaka ny nitiavan’i Jesoa Kristy antsika dia mivaha manaraka ny laharam-pahamehantsika avokoa ny fisafotofotoana rehetra. Lasa mahafaly kokoa ny diantsika amin’ny maha mpianatr’i Kristy antsika. Misy dikany vaovao ny fiainantsika. Lasa lalina kokoa ny fifandraisantsika amin’ny Raintsika any An-danitra.

(Dieter F. Uchtdorf, “The Love of God,” Ensign or Liahona, Nov. 2009, 21)

1 Jaona 3:18. Ahoana no ahafahantsika maneho fitiavana “amin’ny asa sy amin’ny marina” eo amin’ny fifandraisana amin’ny fianakaviantsika?

Jereo ny “Ireo Fitahiana Mandrakizain’ny Fanambadiana” manomboka eo amin’ny 6:23 ka hatramin’ny 8:41 mba hahitana ny fitantaran’ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifololahy ireo asa soa nataon’izy mivady.

//media.ldscdn.org/webvtt/general-conference/april-2011-general-conference/2011-04-5010-dale-g-renlund-eng.vtt

1 Jaona 4:12. Inona no tian’i Jaona holazaina amin’ny hoe “tsy mbola nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana”?

Notohizan’i Jaona izany tamin’ny alalan’ny fampianarana hoe: -Raha mifankatia isika, dia mitoetra ao amintsika Andriamanitra, ary tanteraka ato amintsika ny fitiavany- (1 Jaona 4:12). I Jaona mihitsy no efa nahita an’ Andriamanitra Ray (jereo ny Apokalypsy 5:1; F&F 67:11). Raha te hamaky bebe kokoa momba ny fahafahan’ny olombelona mahita an’ Andriamanitra, dia jereo ny Jaona 14:23 ; Asan’ny Apostoly 7:56 ; F&F 93:1 ; Joseph Smith—Tantara 1:16–17 ” (Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpianatra [2014], 517).

1 Jaona 4:20–21. Iza ireo “rahalahintsika”?

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nanazava hoe:

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Ny laharam-pahamehana indrindra eo amin’ny fiainantsika dia ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny namantsika. Anisan’izany ny mpifanolobodirindrina amintsika, ny fiaraha-monina misy antsika, ny firenentsika ary ny tontolontsika.

(Russell M. Nelson, “Teach Us Tolerance and Love,” Ensign or Liahona, May 1994, 69)

Sahanasa fianarana fanampiny

1 Jaona 3:1–3; 4:12. Afaka ny ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra isika amin’ny alalan’ny fahatongavana ho madio

Raha te hahazo tombontsoa amin’ny fianarana bebe kokoa ny fomba hahatonga azy ireo ho tahaka ny Ray any An-danitra ny mpianatra dia asao izy ireo handalina ny 1 Jaona 3:1–3 ary hizara ny zavatra nianarany avy amin’io andalan-tsoratra masina io. Hazavao fa ny “zanakalahy” ao amin’ny 1 Jaona 3:1 dia azo adika hoe “zanaka” (jereo ny 1 Jaona 3:1, torolalana ho an’ny Soratra Masina) ary ny hoe zanak’ Andriamanitra amin’io heviny io dia manondro ireo izay nateraka ara-panahy indray (jereo ihany koa ny Môzià 5:7).

Asao ny mpianatra mba hizara ny zavatra fantany momba ny Ray any An-danitra “araka ny maha izy Azy” (1 Jaona 3:2). Angataho izy ireo mba hizara hevitra mikasika ny fomba ahafahantsika “manadio ny tenantsika” (1 Jaona 3:3) mba hahatonga antsika ho tahaka an’ Andriamanitra. Ny mety ho azo atao dia ny fiezahana ho tia tahaka ny nitiavan’ Andriamanitra (jereo ny 1 Jaona 4:12).

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa tsy afaka ny ho madio isika raha tsy miaraka amin’ny Mpamonjy. Asao izy ireo handalina ny teny iditra hoe “Fanamasinana ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org) ary hitady hevi-baovao mikasika ny fomba ahafahantsika ho lasa madio kokoa miaraka amin’ny fanampian’i Kristy. Asao izy ireo hanao drafitra momba ny fomba hanatanterahana an’izany.