Seminera
Tombano ny fianaranao 10


Tombano ny fianaranao 10

Galatiana–2 Tesaloniana

Sary
A young man dressed in New Testament era armor with a sword and shield.

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tombatombana ireo tanjona napetrakao sy ny fivoaranao manokana nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao. 

Fanomezana lanja ny fandraisan’ny mpianatra anjara. Ny mpianatra tsirairay dia afaka mandray anjara amin’ny fianaran’ny hafa. Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra fa rehefa mandray anjara izy ireo ao an-dakilasy, dia afaka hitondra fiantraikany tsara amin’ny hafa izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra mba hihaino amin-kitsim-po rehefa miteny ny namany sy hamaly ireo fanehoan-kevitra izay naroson’ny tsirairay. Ny mpianatra tsirairay dia manana fomba fijery miavaka izay mety hitahy ireo mpianatra hafa.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo tanjona izay hapetrak’izy ireo eo am-pandalinany ny Galatianina ka hatramin’ny 2 Tesaloniana izy ireo. Entano izy ireo mba hiomana hizara ny fivoarana izay vitany sy ireo sakana izay niatrehany teo am-panatanterahana ireo tanjona ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fivoaranao ara-panahy

Ity lesona ity dia natao mba hamelana ireo mpianatra hanao tombana ny tanjona napetrak’izy ireo, ny fahafahany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao, sy ny fomba niovan’ny fihetsiny, ny faniriany, ary ny fahafahany miaina ny filazantsara. Ny fandalinan’ny iray kilasy momba ny Galatiana–2 Tesaloniana dia mety nanantitrantitra ireo fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azo amboarina ireo sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Mieritrereta fahaiza-manao, talenta, na toetra iray izay trandrahinao ka mitaky ezaka mandrakariva avy aminao.

  • Inona ny mamporisika anao handany fotoana sy hanao ezaka izay takina mba hanatsarana izany?

  • Rehefa miezaka mafy mba hivoatra ianao dia inona ny zavatra izay antenainao hitranga ka hanampy anao hahafantatra fa misy dikany ny ezaka ataonao?

Manana fahafahana maro isika mandritra ny androm-piainantsika eto an-tany izay ahafahantsika miasa mba ho lasa tahaka ny Mpamonjy kokoa, izay manomana antsika hiverina hiaraka hiaina Aminy sy ny Raintsika any An-danitra. Mety hanampy ny fanaovana tombana matetitetika ny fivoarana izay misy eo amintsika sy manao fanitsiana raha toa ka ilaina izany.

Ny tanjon’ity lesona ity dia ny mba hanomezana fahafahana anao hanao tombana ny fandrosoanao ara-panahy. Hanana fahafahana ianao hanaovana tombana ny zavatra izay nianaranao avy tamin’ny Testamenta Vaovao sy hanaovana tombana ny fivoaranao ihany koa izay mifandray amin’ireo tanjona izay mety ho napetrakao noho ny zavatra nianaranao.

Makà fotoana hieritreretana ny fandalinana izay nataonao vao haingana momba ny Testamenta Vaovao sy ireo asa izay nataonao noho ny zavatra nianaranao. Azonao atao ny mamerina mijery ny zavatra nosoratanao tao amin’ny diary fandalinanao soratra masina na ny zavatra nasianao marika tao amin’ny soratra masinao vao haingana mba hahafahanao mamantatra ireo tanjona izay napetrakao sy ireo fahatsapana noraisinao.

Azon’ireo mpianatra atao ny mirakitra an-tsoratra ny eritreriny ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina. Rehefa avy nomena fotoana ampy tsara ireo mpianatra, dia asao izy ireo mba hizara ny zavatra izay nosoratany. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra ny zavatra izay azony zaraina.

  • Inona ny zavatra izay nianaranao avy tao amin’ny Testamenta Vaovao ka nanampy anao hanatona akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ny zavatra niavaka nianaranao momba Azy tao amin’ny Testamenta Vaovao?

Raha toa ny mpianatra ka mizara traikefa amin’ny fianarana manan-danja izay tsy mitovy amin’ireo voatanisa etsy ambany, dia makà fotoana hanampiana azy ireo mba hanombana ny zavatra izay nianarany sy ny fomba nahafahany nivoatra noho ny zavatra izay efa avy niainany. Raha tsy izany dia mampiasà sahanasa iray na ny rehetra amin’ireto manaraka ireto.

Sahanasa A: Hazavao ny Apôstazia Lehibe sy ny Famerenana amin’ny laoniny

Sary
An old 1946 Chevy

Jereo ireto sary roa ireto ary eritrereto ny dikan’ny hoe mamerina zavatra iray amin’ny laoniny.

  • Nahoana no mila averina amin’ny laoniny ny zavatra iray?

  • Ahoana ny fomba ahafahana mampitaha ireo sary ireo amin’ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny?

Mba hamerenana mijery ny fifandraisan’ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny, dia ataovy ity sahanasa manaraka ity:

Alaivo sary an-tsaina hoe mampianatra ny iray amin’ireo namanao ao an-tokantranonao ireo misiônera. Mangataka anao izy ireo mba hampianatra ny ampahany amin’ny lesona izay hatao manaraka momba ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny. Fantatrao anefa fa mahalala tsara ny Baiboly ny namanao, ka toa hevitra tsara ny hampiasana andinin-tsoratra masina sasantsasany avy ao amin’ny Testamenta Vaovao mandritra fampianarana ny lesona.

Ampiasao Asan’ny Apostoly 3:21 ; Efesiana 1:10 ; Efesiana 2:19–22 ; ary ny 2 Tesaloniana 2:1–3 (na koa andinin-tsoratra masina hafa nosafidinao), soraty ny zavatra izay mety holazainao mandritra ny lesona mba hanampiana ny namanao hahatakatra ny antony ilavan’ny Mpamonjy hamerenana amin’ny laoniny ny filazantsarany eto an-tany.

Azo atao ny manasany mpianatra hizara ny valin-teniny ao anatina vondrona ahitana olona roa, na ao anatin’ny vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy.

Sahanasa B: Ampitomboy ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy sy ny fanirianao hanompo Azy

Raha toa ka nanoratra taratasy ho an’ny tenany manokana amin’ny ho avy ireo mpianatra ao amin’ny lesona “Filipiana 3,” dia hevero ny hampiasa ity sahanasa manaraka ity mba hanampiana azy ireo hanao tombana ny fitiavany an’ Andriamanitra.

Ao amin’ny lesona “Filipiana 3,” dia nomena fahafahana ianao mba hanoratra taratasy ho an’ny tenanao manokana amin’ny hoavy izay nahitanao ireo fahafoizan-tena azonao atao ka afaka manampy anao hahafantatra kokoa an’i Jesoa Kristy sy mba hiomananao ho amin’ny fiainana mandrakizay.

Raha nanao izany ianao, dia jereo ny taratasy izay nosoratanao. Ampitahao amin’ny fahatsapana sy ny faniriana nananao tamin’ny fotoana nanoratra izany taratasy izany ny fahatsapana izay anananao momba an’i Jesoa Kristy amin’izao fotoana izay na ny fanirianao hanompo Azy. Raha toa ka misy zavatra mbola tianao hampiana ao anatin’ilay taratasy, miainga amin’ny zavatra izay niainanao vao haingana, dia aza misalasala manao izany dieny izao.

Hevero ny hanasa ireo izay manolo-tena mba hizara ireo hevi-baovao na eritreritra izay nananany rehefa namerina nijery ny taratasiny izy ireo. Ireto fanontaniana manaraka ireto dia mety hanampy ny mpianatra hisaintsaina sy hizara ny eritreriny.

  • Rehefa namerina nijery ny taratasinao ianao, dia nahatsikaritra fiovana teo amin’ny fitiavanao an’i Jesoa Kristy ve ianao? Raha eny dia nahoana araka ny hevitrao no nisy fiovana izany?

  • Inona ny zavatra niainanao vao haingana ka nampitombo ny fitiavanao an’ Andriamanitra sy ny fahavononanao hanompo Azy?

  • Inona no zavatra tsapanao fa ny sasany amin’ireo dingana manaraka izay azonao atao mba hanampiana anao hampitombo ny fitiavanao an’ Andriamanitra?

Sahanasa D: Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra

Sary
Page from the New Testament Seminary Teacher Manual. Put on the Whole Armor of God.
  • Inona ny zavatra tadidinao momba ny fitaovam-piadina fiarovan-tena avy amin’ Andriamanitra? Inona ny zavatra tadidinao momba ny dikan’ny singa tsirairay avy amin’izany? Raha mila fanampiana ianao, dia jereo ao amin’ny Efesiana 6:14–18 mba hahitana ny valiny.

Hevero ny hanao ity sary ity eny amin’ny solaitrabe ary asao ireo mpianatra mba hanatona ary hanampy ny dikany ara-panahin’ny fitaovam-piadina fiarovan-tena tsirairay.

  • Ahoana no hamintinanao ny dikan’ny hoe “Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra”? ( Efesiana 6:11).

Manaova sarin’olona tsotratsotra ao anaty diary fandalinanao soratra masina.

  • Inona avy ireo ezaka izay ataonao mba hitafianao ny fiadian’ Andriamanitra ianao?

Ataovy sary ny ampahana fitaovam-piadina fiarovan-tena iray na maromaro maneho ireo ezaka izay ataonao.

  • Efa avy nahazo vokatra avy tamin’ireo ezaka izay nataonao ve ianao? Raha eny dia inona no zavatra niainanao? Raha tsia dia inona ny vokatra heverinao fa mety ho azo avy amin’ny fanohizana ireo ezaka izay ataonao?