Seminera
1–2 Tesaloniana


1–2 Tesaloniana

Topimaso

Tao anatin’ny epistiliny ho an’ireo Tesaloniana, dia nidera ireo Olomasina i Paoly noho ny fahatokisana sy ny fahombiazan’izy ireo tamin’ny fanampiana ny hafa mba hanatona an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ireo ohatra tsara izay nananan’izy ireo. Niresaka ny ankamaroan’ireo fanontaniana izay nanitikitika azy ireo momba ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany izy ary nanazava ihany koa ny sasany tamin’ireo zavatra izay tsy azon’izy ireo. Naminany izy fa tsy hitranga ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany raha tsy efa misy aloha ny fihemorana na ny apôstazia.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra izay mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay:

1 Tesaloniana 1–3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hitahy sy hitaona ny hafa rehefa miezaka ny manompo tahaka izay nataon’i Jesoa Kristy Mpamonjy antsika.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra fotoana iray izay nahatsapan’izy ireo ny fitiavan’ny Mpamonjy noho ny nanompoan’ny olona azy ireo. Amporisiho izy ireo hiomana hizara ny fomba nanampian’ny asa fanompoana izay nataon’io olona io azy ireo hanam-paniriana ny hanaraka an’i Jesoa Kristy.

  • Sary: Mampisehoa sary maromaro izay maneho an’i Jesoa Kristy manompo ny hafa.

  • Horonan-tsary: Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy” (13:04; jereo avy amin’ny mari-potoana faha 0:45 ka hatramin’ny 1:54)

1 Tesaloniana 4–5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra ny fomba azon’izy ireo iainana izay hanampy azy ireo hiomana amin’ny fiverenan’i Jesoa Kristy eto an-tany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra haka sary an-tsaina ny mety ho endrika hisehoan’ny fiverenan’ny Mpamonjy indray. Asao izy ireo mba hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao anatin’ny diary fandalinany soratra masina na amin’ny tapa-taratasy kely anankiray: Inona no mampientanentana anao momba ny Fiaviana Fanindroany? Inona ny antony mampitebiteby anao?

  • Sary: Mampisehoa sary anankiray izay maneho ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany.

  • Taratasy zaraina: Manomàna tahadika an’ny taratasy zaraina ho an’ny lesona mba hisy ampy tsara ho an’ny mpianatra tsirairay mba hananan’izy ireo anankiray farafaharatsiny amin’ireo taratasy zaraina telo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Fomba anankiray ahafahana manao ireo sahanasa fianaran’ny mpianatra miisa telo ny mampiasa ny fitaovam-pifandraisana vidéo chat mba hizarana ireo mpianatra ao anatina salles de réunion telo samihafa. Manendre mpitarika anankiray ho an’ny vondrona tsirairay, ary alefaso amin’ireo mpitariky ny vondrona ny votoatin’ilay taratasy zaraina. Entano ny vondrona tsirairay mba hanaraka ireo torolalana izay voarakitra ao anatin’ilay taratasy zaraina. Rehefa vitan’izy ireo izany, dia angataho ny mpitariky ny vondrona tsirairay mba hanendry mpitondra teny anankiray hizara amin’ny iray kilasy ny zavatra izay noresahin’ilay vondrona.

2 Tesaloniana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra ny maha-tena zava-misy marina ny Apôstazia tao amin’ny Fiangonana tamin’ny vanim-potoan’ny Testamenta Vaovao sy ny antony ilana ny famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’ny Mpamonjy amin’ny andro farany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hitady ny “Apostasie” ao amin’ny Sujets de l’Évangile ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Entano izy ireo mba hiomana hizara ny zavatra izay nianarany na hametraka ireo fanontaniana izay mety manitikitika azy ireo.

  • Taratasy zaraina: Manomàna taha-dikan’ny “Mahatakatra ny apôstazia sy ny filana ny famerenana amin’ny laoniny” ho an’ny mpianatra tsirairay, na manomàna fomba anankiray ahafahana mampiseho ny votoatin’ilay taratasy zaraina.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa olona anankiray tsy avy ao amin’ny kilasy mba ho tonga hilalao ny anjaran’ny naman’ny Fiangonana any am-piandohan’ny lesona. Avelao ireo mpianatra hampianatra io olona io momba ny Apôstazia Lehibe sy ny Famerenana amin’ny laoniny.

Fifehezana fotopampianarana: 2 Tesaloniana 2:1–3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 , sy hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity ary ho tonga vonona hanazava ny fomba hamalian’izy ireo izany: “Nahoana Andriamanitra no nila niseho tamin’i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonany raha toa ka efa tafaorina ny Kristianisma ary olona maro no efa nino ny Baiboly?”

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho an’ny sahanasa fizàrana mampiharana, dia hevero ny hizara ireo mpianatra anaty vondrona telo ary hametraka ny vondrona tsirairay ao anatina salle de réunion iray avy. Ny vondrona tsirairay dia afaka manomana valin-teny iray ho an’ny iray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy, avy eo dia afaka miverina mitambatra ireo vondrona telo ary mifampizara.

Tombano ny fianaranao 10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hanao tombana ireo tanjona izay napetrakao sy ny fivoarana manokana izay niainanao nandritra ny fandalinanao ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo tanjona izay napetrak’izy ireo rehefa nandalina ny Galatiana ka hatramin’ny 2 Tesaloniana. Entano izy ireo mba hiomana hizara ny fivoaran’izy ireo sy ireo sakana izay niatrehany teo am-panatanterahana ireo tanjona ireo.

  • Votoatin-kevitra tokony haseho: Sary iray maneho ny endrika-na zavatra iray taloha sy taorian’ny namerenana amin’ny laoniny izany, toy ny fiara ohatra. Sarin’olona mitafy fitaovam-piadiana fiarovan-tena. Izany dia azo atao sary eny amin’ny solaitrabe ihany koa.