Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Tesaloniana 2:1–3


Fifehezana fotopampianarana: 2 Tesaloniana 2:1–3

“Tsy ho avy … ny andron’ Kristy, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana”

Sary
Image of man at a desk writing on parchment

Tao amin’ny lesona izay natao teo aloha dia nianatra ianao fa mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany araka ny faminaniana fahiny, dia hisy ny Apôstazia avy ao amin’ny Fiangonany (jereo ny “2 Tesaloniana 2”). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 , izay manazava ny fotopampianaran’ny Apôstazia, sy mampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra izay tena misy eo amin’ny fiainana.

Manampy ireo mpianatra hamaly ireo fanontaniana amim-pinoana. “Maro amin’ireo mpianatsika no nahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny fo mora mino. Ny ankamaroan’ireo mpianatsika dia manana fanontaniana, fa tsy fisalasalana. Ny fomba izay anaovantsika ny Fifehezana fotopampianarana dia tokony hanamafy ny finoana sy hanampy ireo mpianatra mba hamaly fanontaniana ho an’ny tenany manokana ary hiomanany hanampy ny hafa. Saingy tsy tokony hatao amin’ny fomba izay mety hiteraka fisalasalana na hampihena ny finoana mihitsy izany” (Chad H Webb, “Fifehezana fotopampianarana” [lahateny natao tao amin’ny fampitana fanofanana fanao isan-taona tao amin’ny Seminera sy Institiota fianarana ny filazantsara, 14 Jona 2016]).

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ity fanontaniana manaraka ity ary ho tonga hivonona hanazava ny fomba hamalian’izy ireo izany: “Nahoana Andriamanitra no nila niseho tamin’i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonany raha toa ka efa tafaorina ny Kristianisma ary olona maro no efa nino ny Baiboly?”

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao hampianarina aorian’ny “2 Tesaloniana 2,” izay lesona mifandraika amin’ny sahan-kevitra ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3. Raha ilaina ahemotra amin’ny herinandro hafa ity lesona ity mba ho fandaminana amin’ny fandaharam-pianarana, dia aza hadinoaina ny manemotra ihany koa ny lesona momba ny sahan-kevitra.

Tadidio ary hazavao

Ny andinin-tsoratra masina ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 fotsiny ihany no asehoy, ary asao ireo mpianatra hamaly ity fanontaniana manaraka ity.

Ataovy tsianjery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3. Fomba iray ahafahana manao izany ny fanaovana ity sahanasa manaraka ity (na fomba iray hafa mitovy amin’izany ihany koa ny fampiasana ny application Maîtrise de la doctrine):

Azon’ireo mpinatra atao samirery ity sahanasa manaraka ity, na miaraka amin’ny iray kilasy eny amin’ny tabilao.

Soraty ao anaty diary fandalinanao na anatin’ny fitaovana elektrônika ny 2 Tesaloniana 2:1–3: “Tsy ho avy … ny andron’i Kristy, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

Averimbereno mafy na ao an-tsainao ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Manaisora na mamafà andian-teny iray, toy ny hoe “aloha ny fihemorana,” ary andramo fenoina indray ilay andinin-tsoratra masina feno sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Tohizo ny fanaisorana na famafana ireo andian-teny fanampiny ao amin’ny soratra masina mandra-pahafahanao mahay tsianjery ilay andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina iray manontolo.

Mety ho tadidinao fa rehefa nandalina ny 2 Tesaloniana 2 ianao, dia nianatra fa araka ny faminaniana fahiny, mialoha ny Fiavian’i Jesoa Kristy Fanindroany dia hisy ny apôstazia avy ao amin’ny Fiangonany.

Aleo kokoa zaraina mandeha tsiroaroa ireo mpianatra ary asaina mifandimby mifanazava ny atao hoe Apôstazia Lehibe amin’ity sahanasa manaraka ity, toy izay asaina manoratra ny fanazavany momba ny atao hoe Apôstazia Lehibe. Raha ohatra ka mila mahatakatra bebe kokoa ny fotopampianaran’ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny ireo mpianatra alohan’ny hamitany ity sahanasa ity, dia hevero ny haka minitra vitsivitsy hamerenana hijery ireo fitaovana izay hita tao amin’ny lesona izay natao teo aloha.

Soraty ny fanazavana ny atao hoe Apôstazia Lehibe sy ny antony nahatonga izany. Soraty tahaka ireny hoe manazava ny atao hoe Apôstazia amin’ny ankizy kely iray ireny ianao. Ampiasao ireo fahamarinana avy ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 ho ampahany amin’ny fanazavanao, ary ampidiro ireo hevi-baovao mikasika ny antony nilaina ny Famerenana amin’ny laoniny feno ny Fiangonan’i Kristy.

Fizarana mampihatra

Raha toa ka ilaina, dia omeo fotoana ireo mpianatra hahafahany mamerina mijery ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Fomba iray ahafahana manao izany ny fanehoana ireto andiam-panontaniana ampifandraisina manaraka ireto izay hataon’izy ireo samirery na mandeha tsiroaroa na ao anaty vondrona kely. Raha tsy izany, dia azo omena ara-elektrônika amin’ny alalan’ny lalao an-jotra ireo andiam-panontaniana ireo raha toa ka manana fitaovana ahafahana manao an’izany ireo mpianatra. Ny valiny marina dia (1) d; (2) a; (3) b.

Rehefa manohy ity lesona ity ianao, dia hanana fahafahana hanampy olona hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy. Mba hahitanao hoe hatraiza ny fahafahanao nitadidy ireo fitsipika ireo, dia andramo ampifandraisina amin’ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy izay faritany ireto teny manaraka ireto.

  1. “Ny mpikatsaka marina ny fahamarinana dia tokony ho mailo amin’ireo loharanom-pahalalana izay tsy azo antoka.”

  2. “Matokia an’ Andriamanitra ary miverena aloha Aminy amin’ny alalan’ny fanaovana vavaka amin-kitsim-po sy ny fandalinana ireo fampianarana izay nataony ary indrindra ny fankatoavana ireo didiny.”

  3. “Mieritrereta [fanontaniana] ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianarana izay nataon’ny Mpamonjy.”

a. Manao asa amim-pinoana.b. Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay. d. Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa avy amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofinidin’ Andriamanitra.

Raha mila mamerina mijery bebe kokoa ireo fitsipika ireo ianao dia jereo ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazoa fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina ny fiomanany amin’ny fampianarana rehefa manao ity sahanasa fanazaran-tena fampiharana manaraka ity.

Alaivo sary an-tsaina hoe mandefa hafatra amin’i Nirina namanao ianao, izay mpikambana ao amin’ny fiangonana Kristianina hafa. Nanolo-tena tanteraka ho an’i Jesoa Kristy izy ary mianatra Baiboly matetika. Hoy i Nirina tao amin’ny hafatra izay nalefany ho anao, “Androany ny pasiteranay dia nampianatra fa ny mpikambana ao amin’ny fiangonanareo dia mino fa ny anareo irery ihany hono no fiangonana marina ary ny fiangonana hafa rehetra dia diso avokoa. Marina ve izany? Mahatsiaro ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra aho noho ny fiangonako. Ahoana no tsy naha avy amin’ Andriamanitra an’izany?”

  • Nahoana no mety ho voajanahary amin’ireo mpikambana avy amin’ny fiangonana hafa ny fametrahana fanontaniana toy izany?

  • Ahoana ny fomba tokony hamalianao an’i Nirina amin’ny fomba tahaka izay nataon’i Kristy?

Novalianao ny hafatr’i Nirina, ka nisaoranao izy noho izany fanontaniana mampieritreritra izay napetrany. Nanontany azy ianao raha toa ka mety aminy ny hizaranao ny valinteninao aminy ny ampitson’io, dia nanaiky izy.

Ampiasao ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy hanomanana ny valin-teny izay harosonao ho an’i Nirina. Ataovy azo antoka fa niasa avokoa ireo fitsipika telo ireo. Ampiasao ireto fanontaniana sy sahanasa manaraka ireto mba hanampy anao hanomana ny valinteninao.

Afaka mifanakalo hevitra mandeha tsiroaroa na anaty vondrona kely momba ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra alohan’ny hanoratany samirery ny valintenin’izy ireo.

Mety hanampy ireo mpianatra ny mandika ny valintenin’izy ireo mba ho azo averina jerena rehefa avy eo. Ataovy azo antoka fa takatry ireo mpianatra tsara ny fotopampianaran’ny Apôstazia sy ny Famerenana amin’ny laoniny ary ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy.

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa avy amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Ahoana ny fomba ahafahanao mampiasa ireo fahamarinana izay ampianarina ao amin’ny 2 Tesaloniana 2:1–3 mba hanampiana an’i Nirina?

Mitadiava andinin-tsoratra masina, na lahateny, na lahatsoratra fanampiny telo farafahakeliny, izay heverinao fa hanampy amin’ity toe-javatra ity. Hevero ny hampiasa ireto loharanom-pahalalana manaraka ireto:

  1. Vakio ireo teny iditra momba ny “ Apôstazia ” sy ny “ Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsara ” izay hita ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na tadiavo ireo lahatsoratra izay mitovy amin’izany ao amin’ny Torolalana momba ny lohahevitra. Ireo teny iditra ireo dia azo jerena ao amin’ny scriptures.ChurchofJesusChrist.org.

  2. Jereo ny teny iditra hoe “Apôstazia” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina (topics.ChurchofJesusChrist.org).

  3. Jereo ireo soratra masina sy fanambarana avy ao min’ny lesona “2 Tesaloniana 2” na avy amin’ny “Lesona 1: Ny Hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy” izay hita ao amin’ny Torio ny Filazantsarako (2018), 31–46.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina na loharanom-pahalalana hafa izay hitanao fa afaka manampy anao hamaly an’i Nirina?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

  • Inona avy ireo fahamarinana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba tianao hozaraina amin’i Nirina ka afaka manampy azy hahatakatra ny filana ny Famerenana amin’ny laoniny?

Manao asa amim-pinoana

  • Inona ny zavatra manokana azonao asaina ataon’i Nirina mba hahafahany mianatra ny antony ilana ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Kristy?

  • Inona ny karazana traikefa izay mety ho andrasan’i Nirina raha manao ireo zavatra ireo izy?

  • Inona no maha asa amim-pinoana ny fanasanao azy hanao izany?

Manasà mpianatra vitsivitsy izay vonona mba hizara amin’ny iray kilasy ny valintenin’izy ireo, tafiditra anatin’izany ny andinin-tsoratra masina, lahateny, na lahatsoratra izay hitan’izy ireo fa afaka manampy. Raha ampy ny fotoana, dia asao ireo izay mazoto hizara ny fomba nahazoan’izy ireo fijoroana ho vavolombelona momba ny Famerenana amin’ny laoniny.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana

Eny am-piandohana na any amin’ny faran’ny lesona izay hatao manaraka, dia manokana fotoana tsy mihoatra ny telo ka hatramin’ny dimy minitra mba hamerenana ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ho an’ity andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity. Mampiasà sahanasa fitadidiana mitovy tamin’izay nataon’ireo mpianatra teo aloha amin’ity lesona ity.