Seminera
1–2 Timoty; Titosy; Filemona


1–2 Timoty; Titosy; Filemona

Topimaso ankapobeny

Ny fandalinana ireo teny nataon’i Paoly amin’ity lesona izay atao amin’ity herinandro ity dia afaka manampy amin’ny famaliana fanontaniana maro, toy ny hoe “Inona no anjara asa sahanin’ny eveka?” “Inona ny fanomezana manokana izay nomen’ Andriamanitra antsika mba hanampiana antsika handresy ireo fanamby amin’ny andro farany?” “Ahoana ny fomba ahafahantsika miaritra hatramin’ny farany?” Teo aloha ianao dia nandalina ireo taratasin’i Paoly ho an’ny mpikambana amin’ny finoana tamin’ny tanàna samihafa. Amin’ity herinandro ity, dia handalina ireo fahamarinana mahasoa izay nosoratan’i Paoly tao amin’ny taratasiny ho an’ireto olona telo ireto ianao dia: Timoty, Titosy, ary i Filemona.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra izay mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay:

1 Timoty 3:1–7; Titosy 1:6–9

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa ny toetoetran’ny eveka sy ny filohan’ny sampana ary ny fomba ahafahan’ireo mpanompon’ny Tompo manampy azy ireo eo amin’ny fiainany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra handinika ity fanontaniana manaraka ity ary ho tonga hivonona hizara ny hevitr’izy ireo ao an-dakilasy. Ahoana ny fomba nitahian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao na ny fianakavianao tamin’ny alalan’ny eveka na ny filohan’ny sampana?

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Fitaovana fandraisana an-tsoratra na taratasy ho an’ny evekany

  • Fitaovana: Baolina

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Raha toa ka azo atao, dia hevero ny hanasa eveka am-perinasa na eveka vao nisaoran iray mba hanatrika ny fampianarana ary hijoro ho vavolombelona momba ny tena anjara asa sahanin’ny eveka ao amin’ny Fiangonana naverina tamin’ny laoniny. Aza hadinoina ny maka fankatoavana avy amin’ny mpandrindranao na ny mpitantana ny fandaharam-pampianarana alohan’ny hanasana ireo mpandahateny vahiny ao an-dakilasy. Raha ohatra ka manasa eveka teo aloha ianao fa tsy eveka am-perinasa, dia ataovy izay hahazoanao fankatoavana avy amin’ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana.

1 Timoty 4:12–16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hiezaka ho tonga ohatra amin’ny maha mpianatr’i Jesoa Kristy azy ireo amin’ny fahatanorany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ity fanontaniana manaraka ity ary mba hiomana hizara ireo eritreriny: Raha ohatra ka misy olona manaraka anao eny rehetra eny mandritra ny herinandro, inona ny porofo izay mety ho hitan’izy ireo fa tena miezaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy marina tokoa ianao?

  • .

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa mieritreritra ireo olona izay ohatra ho azy ireo tamin’ny fomba samihafa nanoritsoritan’i Paoly azy ireo ny mpianatra, dia asao izy ireo mba hanoratra anaran’olona iray na roa izay neritreretiny ao amin’ny fitaovana fifaneraserana chat. Ireo anarana ireo dia mety hahitana anarana hafa ao amin’ny kilasy. Avy eo dia miantsoa mpianatra vitsivitsy hanazava ny antony nanoratany ny iray amin’ireo anarana izay nosoratany ary mba hizara ny naha - ohatra izany olona izany ho azy ireo. Asao ireo mpianatra hieritreritra ireo olona izay fantany ankehitriny sy teo taloha, indrindra fa ny Mpamonjy.

2 Timoty 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra hanana faniriana handalina ny soratra masina, izay afaka manampy amin’ny fiarovana azy ireo amin’ny faharatsiana amin’izao androntsika izao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Zarao amin’ny mpianatra ity teny manaraka ity izay nolazain’ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018): “Ny fampiasam-potoana isan’andro amin’ny fandalinana ny soratra masina dia, tsy misy isalasalana fa hampatanjaka ireo foto-pinoantsika sy ireo fijoroantsika ho vavolombelon’ny fahamarinana” (“How Firm A Foundation,” Ensign na Liahona, nôv. 2006, 68). Asao ireo mpianatra hisaintsaina ity fanambarana ity sy hieritreritra ireo zavatra izay iainany manokana ka mampiseho fa marina tokoa izany.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hanombohana ny lesona, dia angataho ireo mpianatra hametraka emojis vitsivitsy mampiseho ny fahatsapany ny miaina amin’ny andro farany ao amin’ny fitaovana fifaneraserana chat. (Ohatra, mety hahatsapa fankasitrahana izy ireo, tebiteby, na izy roa.)

Fifehezana Fotopampianarana: 2 Timoty 3:15–17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja amin’ny soratra masina ao amin’ny 2 Timoty 3:15–17 , sy hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra momba ireo fanamby izay manakana azy ireo tsy handalina ny soratra masina isan’andro. Amporisiho izy ireo hieritreritra ny fomba izay ahafahan’ny fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy manampy azy ireo handresy ireo sakana ireo.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Raha tokony hanasa ireo mpianatra hanoratra andinin-tsoratra masina fifehezina fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao anaty boky fanaovan-tsary iray ianao, dia asao izy ireo hanoratra in-telo na in-efatra ao amin’ny fitaovana fifaneraserana chat ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina. Teneno izy ireo mba hanoratra ny teny tsirairay fa tsy hanao “couper coller”. Mety hahomby ny fahitana impiry ireo mpianatra no mahavoasoratra ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina anatin’ny fe-potoana voafaritra (ohatra, 90 segondra).

2 Timoty 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra ho lasa na hijanona ho mahatoky amin’ny maha mpianatra an’i Jesoa Kristy azy ireo mandritra ny androm-piainany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hitady andinin-tsoratra masina azony zaraina amin’ny olona izay mahatsapa ho kivy amin’ny ezaka ataony amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

  • Sary aseho : Sary ady sy fifaninanana hazakazaka

  • Fitaovana ho an’ny mpianatra: Sombin-taratasy iray ho an’ny mpianatra tsirairay

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Raha misy, dia hevero ny hampiasa fitaovana fanadihadiana tsy mila anarana mba ahafahan’ireo mpianatra mizara rafi-tantara iray izay mety hahatonga ny olona hahatsiaro ho alaim-panahy hiala amin’ny fiezahana hanaraka an’i Jesoa Kristy. Teneno ireo mpianatra fa afaka mizara ny antony nahatonga ny olona izay tiany hanapa-kevitra ny tsy hanaraka an’i Jesoa Kristy intsony izy ireo.