Seminera
Fifehezana Fotopampianarana: 2 Timoty 3:15–17


Fifehezana Fotopampianarana: 2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena”

Sary
A young man sits on his bed and reads the scriptures. He is dressed in a blue suit and reading in Spanish.

Ny fandalinana soratra masina tsy tapaka dia afaka mitahy ny fiainanao amin’ny fomba maro, anisan’izany ny fanampiana anao hamakivaky ireo fanamby maro isan-karazany amin’ny andro farany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny 2 Timoty 3:15–17 , sy hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Lalao an-tsehatra. Ny filalaovana an-tsehatra dia afaka manampy ireo mpianatra hahazo traikefa tsara amin’ny fanazavana ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara sy mba hahatakatra bebe kokoa ny zavatra izay tokony hataony amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra momba ireo fanamby izay manakana azy ireo tsy handalina ny soratra masina isan’andro. Amporisiho izy ireo hieritreritra ny fomba izay ahafahan’ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy manampy azy ireo handresy ireo sakana ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “2 Timoty 3,” izay lesona mifandray amin’ny sahan-kevitra ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 2 Timoty 3:15–17. Raha ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Tadidio ary hazavao

Manaova sarina boky soratra masina misokatra izay saika mameno ny taratasy na mameno taratasy anankiray manontolo mihitsy aza. Soraty, eo ambony indrindra amin’ny sary izay ataonao ny 2 Timoty 3:15–17. Soraty ao anatin’ny sary izay nataonao ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina hoe Ny soratra masina … izay mampahahendry anao ho amin’ny famonjena. Sarony amin’ny zavatra ilay andian-teny ary avereno adika indray araka ny fitadidianao azy. Jereo raha ohatra ka marina ary avereno imbetsaka ny fanazaran-tena mandra-pahafeno ny sary izay nataonao.

Rehefa vita ny sary izay nataon’ireo mpianatra, dia hevero ny hizara ho tsiroaroa azy ireo ary asao izy ireo hifandimby hanoratra ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Tao amin’ny lesona izay natao teo aloha dia nianatra ianao fa rehefa mandalina ny soratra masina isika dia afaka mahazo fahendrena izay hitarika antsika ho amin’ny famonjena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Vakio indray ny 2 Timoty 3:15–17 , ary mitadiava porofo ho an’io fitsipika io sy ireo fitahiana hafa izay azontsika raisina avy amin’ny fandalinana ny soratra masina.

Hevero ny hizara ho vondrona kely an’ireo mpianatra mba hahafahan’izy ireo milalao an-tsehatra ity rafi-tantara manaraka ity. Miezaha mandehandeha manerana ny efitrano mba hihainoana ny fomba ampianaran’ny “misiônera” ny “naman’ny Fiangonana.” Rehefa avy eo, dia hevero ny hametraka fanontaniana momba ny zavatra izay tsapan’ireo mpianatra fa mora na sarotra tamin’ny zavatra izay niainan’izy ireo.

Alaivo sary an-tsaina hoe misiônera mampianatra zatovovavy anankiray antsoina hoe Hanitra ianao. Nandray ny hafatry ny Famerenana amin’ny laoniny i Hanitra saingy nisalasala izy hamaky ny andinin-tsoratra masina izay narosonao sy ny namanao. Nandritra ny famangiana iray dia nanontany an’i Hanitra ianao hoe inona antony manakana azy tsy hamaky ny soratra masina. Namaly izy fa tsy tiany ny mamaky soratra masina ary mankaleo be izany aminy.

Ampiasao ny 2 Timoty 3:15–17 , ary soraty ny valiny izay manazava fa ireo fitahiana sy tombontsoa azo avy amin’ny fandalinana ny soratra masina amin’ny fomba izay mety hamporisika an’i Hanitra. Raha azo atao, dia hevero ny hampiditra ny zavatra izay niainanao manokana sy ny fijoroana ho vavolombelona ho isan’ny valin-teninao.

Fizarana mampihatra

  • Raha toa ka tsy maintsy mamintina ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao anatin’ny fehezan-teny iray avy ianao, inona ny zavatra mety holazainao?

Raha ilaina, dia makà minitra vitsivitsy mba hamerenana mijery ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Fahazoana fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Manasà mpianatra anankiray mba hisafidy ankisendrasendra sy hamaky mafy ny iray amin’ireo fehezan-teny famintinana avy tamin’ny iray amin’ireo fitsipika telo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ireo. Asaivo fantarin’ny iray kilasy ny fitsipika izay mifandray amin’ilay fehezan-teny. Avereno imbetsaka ity sahanasa ity. 

Na dia efa fantatsika sy takatsika aza ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana ny soratra masina, dia mety ho sarotra ihany indraindray ny manao izany tsy tapaka sy amim-pahombiazana.

  • Inona avy ireo fanamby sasantsasany izay mety hahasarotra ny fandalinana ny soratra masina tsy tapaka sy amim-pahombiazana?

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’ireo mpianatra.

Mandritra ity sahanasa manaraka ity, dia hevero ny hivavaka mangina ho an’ireo mpianatrao mba hahafahan’izy ireo hisokatra amin’ny bitsiky ny Fanahy sy hampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ho an’ny tenany manokana.

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hanampiana anao hamantatra sakana anankiray na roa izay manakana anao tsy handalina tsy tapaka sy amim-pahombiazana ny soratra masina. (Raha tsy miatrika sakana ianao, dia eritrereto ireo sakana izay mety hatrehin’ireo namana na olona anankiray ao amin’ny fianakaviana.)

Manorata farafahakeliny fomba telo izay mety hampiasainao ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana anao handresy ireo sakana ireo. Mety hanampy ireto fanontaniana sy hevitra manaraka ireto.

Soraty eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana telo manaraka ireto.

Azonao atao ihany koa ny manasa ireo mpianatra mba hieritreritra ny mety ho fiantraikan’ny fandalinana soratra masina matetika sy amin-kitsim-po amin’ny fivoaran’izy ireo mandrakizay. Azon’izy ireo atao ny misaintsaina ny zavatra tsara efa avy niainany sy ireo fahamarinana mandrakizay nianarany avy tamin’ireo zavatra efa avy niainany ireo.

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mandinika ireo sakana amin’ny fandalinanao soratra masina amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

  • Ahoana ny fomba izay mety hanampian’ireo fahamarinana ao amin’ny 2 Timoty 3:15–17 anao mba hanana fomba fijery mibanjina ny mandrakizay rehefa sahirana amin’ny fandalinana ny soratra masina ianao?

  • Ahoana ny fomba ahafahanao mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra?

Indreto misy hevitra vitsivitsy ho amin’izany:

  1. Mitadiava andinin-tsoratra masina momba ny fandalinana soratra masina ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ary tadiavo ireo fitahiana sy fampanantenana izay mety hanampy anao amin’ny sakana izay atrehinao. Ny soratra masina toy ny Josoa 1:8 ; 2 Nefia 32:3 ; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:37 dia mety hanampy.

  2. Manontania olona anankiray izay atokisanao hoe nahoana izy ireo no mandalina soratra masina isan’andro ary inona no torohevitra homeny anao mba hahafahanao mandresy ny sakana izay atrehinao.

  3. Mitadiava fanambarana izay nataon’ireo Manampahefana Ambony na lahatsoratra ao amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana izay mety afaka manampy. Ohatra, ity fanambarana manaraka ity dia mety hanampy ireo olona izay sahirana amin’ny fitadiavana fotoana handalinana ny soratra masina.

Ny Loholona Richard G. Scott (1928–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra fa:

Sary
Final official portrait of Elder Richard G. Scott of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 22 September 2015.

Manan-danja kokoa noho ny torimaso, ny sekoly, ny asa, ny fandaharana amin’ny fahitalavitra, ny jeux vidéos, na ny tambazotra ifaneraserana ny fivokisana isan’andro amin’ny tenin’ Andriamanitra. Mety mila mamerina mandamina indray ireo laharam-pahamehanareo ianareo mba hanokanana fotoana ho an’ny fandalinana ny tenin’ Andriamanitra. Raha ilaina izany dia ataovy!

(Richard G. Scott, “Ataovy voalohany amin’ny laharam-pahamehanareo ny fampiasana finoana,” Liahona, nôv. 2014, 93)

Makà minitra vitsivitsy hanombohana ny iray amin’ireo hevitrao.

  • Ahoana ny fomba ahafahanao manao asa amim-pinoana mba handresena ireo sakana amin’ny fandalinana soratra masina mahomby isan’andro? Mitanisà hevitra maromaro ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Rehefa avy nomena fotoana ampy, dia manasà mpianatra maromaro mba hizara ny zavatra izay nisongadina tamin’ny zavatra izay niainany nandritra ity lesona ity. Ampahatsiahivo azy ireo fa ny ankamaroantsika, saika isika rehetra mihitsy aza, dia miatrika sakana amin’ny fandalinana soratra masina mahomby isan’andro, ka ny fizarana ireo eritreriny sy heviny ary ireo zavatra niainany dia mety hanampy ny hafa ao an-dakilasy. Mizarà hevitra manokana sy fijoroana ho vavolombelona ihany koa.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 

Amin’ny lesona manaraka, dia makà minitra vitsivitsy mba hamerenana mijery ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ity andinin-tsoratra masina fifehezina fotopampianarana ity amin’ny alalan’ny fampiasana ny sahanasa fitadidiana mitovy amin’ilay natao teny am-piandohan’ity lesona ity.

Sahanasa fianarana fanampiny

Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Eo am-pieritreretan’ireo mpianatra ny fomba hikatsahana fanampiana amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra, dia hevero ny hanasa mpianatra anankiray hikaroka ao amin’ny Internet mba hahitana hoe firy ny boky momba ny “fampianaran-tena” izay misy amin’izao fotoana izao. Mety hahita an’alina mihitsy aza izy ireo. Hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Nahoana araka ny eritreritrao no be dia be ny boky fampianaran-tena eto amin’izao tontolo izao?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny soratra masina ho loharanom-panampiana sy fitarihana mahery vaika ho an’ny fiainantsika?

Asao ireo mpianatra mba hampifandray ny 2 Timoty 3:15–17 amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:118 , ary mametraha fanontaniana amin’ireo mpianatra momba ny zavatra izay eritreretin’izy ireo fa tian’ny Tompo holazaina amin’ny hoe “boky tsara indrindra.” Hevero ny hampatsiahy ireo mpianatra fa misy loharanom-pahalalana sarobidy maro eto amin’izao tontolo izao mba hanampiana antsika hampitombo fahendrena sy handresy ireo fanamby misy. Asao ireo mpianatra hamerina hijery ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana ary hamantatra ireo teny na andian-teny izay manasongadina ny soratra masina ho loharanom-pahendrena sy fahalalana manan-danja ho an’ny fiainan’izy ireo.

Ohatra anankiray amin’ny fomba fanaovana asa amim-pinoana

Hevero ny hametraka fanontaniana amin’ireo mpianatra momba ny zavatra izay azon’izy ireo atao mba hanaovana asa amim-pinoana raha sendra ka sahirana amin’ny fanakarana ny soratra masina izy ireo. Rehefa avy nizara ny eritreriny ireo mpianatra, dia hevero ny hanampy ny sasany na izy rehetra amin’ireto ohatra manaraka ireto.

  • Mivavaha mba hahazoana fahatakarana mialoha ny handalinana.

  • Vakio ny sasin-tenin’ny toko mba hahafahana manao topimaso amin’ny ankapobeny.

  • Mizàra mikatsaka ny hahatakatra ny soratra masina rehefa ao am-piangonana sy amin’ny seminera amin’ny alalan’ny fametrahana fanontaniana amin’ireo mpampianatra.

  • Miaraha mamaky amin’ny olona izay atokisanao tsindraindray, toy ny ray aman-dreny, izay afaka manampy hanazava ny soratra masina aminao.

  • Mampiasà boky torolalana izay hita ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile na ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, toy ny Boky Torolalana ho an’ny Mpianatra Seminera.