Seminera
2 Timoty 4


2 Timoty 4

“Nitahiry ny finoana aho”

Sary

Ny fiainana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy dia mitahy antsika amin’ny fomba maro. Na dia hiatrika fitsapana sy fanenjehana aza isika, dia afaka mijanona ho mahery fo hatramin’ny farany isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Taorian’ny fiezahana am-polo taonany maro mba hanarahana ny Mpamonjy, dia fantatr’i Paoly fa hovonoina tsy ho ela izy. Tao amin’ny taratasiny farany ho an’i Timoty, dia nambarany ny antony naha- zava-dehibe taminy sy amin’izay rehetra misafidy ny hiaritra amim-pinoana ny fijanonana ho mahatoky. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao ho lasa na hitoetra ho be fanoloran-tena amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao mandritra ny androm-piainana.

Manampy ny mpianatra hamantatra ireo fanasana mba “hitady”. Matetika any am-piandohan’ny lesona, no misy fanasana ho an’ireo mpianatra mba hitady fotopampianarana, fahamarinana, na fitsipika izay mipiotra avy amin’ny votoatin’ny soratra masina. Mety hanampy ny mampiseho ny zavatra izay tianao hotadiavin’ireo mpianatra. Ny fanaovana izany dia afaka manampy ireo mpianatra hitazona ilay fanasana mba hitady ao an-tsainy rehefa mandalina ny andian-tsoratra masina izy ireo.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hitady andinin-tsoratra masina azony zaraina amin’ny olona izay mahatsapa ho kivy amin’ireo ezaka ataony amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Maharitra amim-pinoana

Mandritra ity sahanasa manaraka ity dia jereo tsara ireo mpianatra izay tena marary marina na manana namana na fianakaviana izay vao nodimandry vao haingana.

Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana izany hoe mahafantatra hoe eo ambavahaonan’ny fahafatesana izany ianao.

Hevero ny hanasa ireo mpianatra mba hanoratra ny valin’ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinany soratra masina. Rehefa avy eo dia hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy mba hizara amin’ny iray kilasy ny valin-teniny amin’ny fanontaniana farany.

  • Inona no zavatra izay antenainao fa azonao holazaina momba ny fiainanao rehefa tonga izany andro izany?

  • Inona ny zavatra ho manan-danja aminao amin’izany fotoana izany? Inona no ho zavatra tsy manan-danja?

  • Inona araka ny hevitrao no fiantraikan’ireo ezaka izay nataonao tamin’ny fanarahana ny Mpamonjy nandritra ny androm-piainanao amin’izany fotoana izany?

Taorian’ny fanompoana feno herim-po tamin’ny naha-mpianatr’i Jesoa Kristy azy amam-polo-taonany, dia nanoratra ho an’i Timoty tao am-ponja romanina i Paoly nomban’ny fahafantarana fa hovonoina tsy ho ela izy. Mety ho io no taratasy farany nosoratan’i Paoly tafiditra ao amin’ny Testamenta Vaovao. Sambatra isika fa afaka mamaky ny sasany amin’ireo hevitra faran’ity lehilahy lehibe ity rehefa nisaintsaina ny fiainany sy ny fahafatesany efa mby akaiky izy.

Nampitahan’i Paoly tamin’ny asa anankiroa samihafa ny ezaka izay nataony mba hijanonany ho mahatoky. Vakio ny 2 Timoty 4:6–7 , ary tadiavo ireo fampitahana nataon’i Paoly.

Sary
Two men in a park boxing in a boxing ring with a man acting as Referee.
Sary
Two young men are outside. They are running on a track. This is in Lisbon, Portugal.

Asehoy ireto sary roa ireto rehefa mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity ireo mpianatra.

  • Inona ny antony mety hampahomby ny fampitahana ny fiadiana ny ady tsara sy ny famitana ny hazakazaka amin’ny fitazomana ny finoantsika an’i Jesoa Kristy mandritra ny fiainantsika?

Saintsaino mandritra ny minitra vitsy ny zavatra izay ataonao amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainanao momba ny hazakazaka na ady izay ataonao mba hijanonana ho mahatoky an’i Kristy. Efa nahatsiaro reraka, voakapoka, na naratra ve ianao? Efa nalaim-panahy hilavo lefona ve ianao? Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny Mpamonjy anao tamin’ireo toe-javatra niseho ireo? Rehefa mandalina ianao anio dia saintsaino ny antony maha-zava-dehibe ny fanohizana ny hazakazaka na ady amin’ny maha-mpianatra anao.

Ny zavatra atolotry ny Mpamonjy ho an’ireo izay mahatoky

Vakio ny 2 Timoty 4:8 , ary tadiavo ireo fitahiana izay nomanin’ny Mpamonjy ho an’i Paoly sy ireo rehetra izay maharitra amim-pahatokiana.

Ity satro-boninahitra ity dia famantarana ny fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy, izay fantatra ihany koa amin’ny hoe fisandratana.

  • Nahoana i Paoly araka ny hevitrao no nanoritsoritra io fitahiana izay atolotr’i Jesoa Kristy ho antsika io ho toy ny “satro-boninahitry ny fahamarinana”?

Fahamarinana anankiray azontsika ianarana amin’ity andinin-tsoratra masina ity ny hoe: Noho i Jesoa Kristy dia hahazo ny fiainana mandrakizay avokoa izay rehetra maharitra hatramin’ny farany amim-pahatokiana.

  • Midika inona aminao ilay andian-teny hoe “maharitra hatramin’ny farany”? Amin’ny fomba toy ny ahoana no tokony haharetanao ankehitriny? Inona ny antony mahasarotra ny faharetana hatramin’ny farany?

  • Ahoana no maha-ohatra tonga lafatra ny Mpamonjy amin’ny faharetana hatramin’ny farany? (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 19:16–19).

  • Inona no fiantraikan’ny faharetan’ny Mpamonjy hatramin’ny farany eo amintsika?

Makà fotoana mba hieritreretana hoe iza no olona mety hiantraikan’ny safidinao mba haharitra hatramin’ny farany.

Hevero ny hanome tapa-taratasy kely iray ny mpianatra tsirairay. Asao ny mpianatra tsirairay mba hanoratra tsy mitonona anarana sy hanolotra rafi-tantara fohy anankiray izay ahitana olona iray mety hahatsapa tena ho alaim-panahy hanajanona ny ezaka ataony amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy. (Mety ho ny antony izay tena nahatonga ny olon-tiana anankiray nanapa-kevitra ny tsy hanaraka an’i Jesoa Kristy intsony mihitsy aza izany.) Ireo taratasy ireo dia azo averina zaraina indray any aoriandriana any mandritra ny lesona na vakina ary ampiasaina amin’ny fomba hafa mba hanampiana ireo mpianatra hampifandray ny lesona amin’ny fiainan’izy ireo.

Afaka mahazo fanantenana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika

Ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava fa noho ny fahasarotan’ny faharetana hatramin’ny farany dia tsy afaka ny hahomby isika raha mandeha irery. Nampianatra izy hoe:

Sary
Final official portrait of Elder L. Tom Perry of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 30 May 2015.

Ny faharetana hatramin’ny farany dia tsy zavatra vitan’olon-tokana irery velively. … Mitaky ny herim-panavotan’ny Mpamonjy izany.

(L. Tom Perry, “L’Évangile de Jésus Christ,” Ensign na Liahona, mai 2008, 46)

Tahaka an’i Paoly, dia maro ireo hafa izay naharitra hatramin’ny farany noho ny fanampian’ny Mpamonjy. Vakio farafahakeliny ny roa amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka izay hitao ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ireto. Tadiavo ny fiantraikan’ny fifandraisan’ny tsirairay tamin’ireo mpaminany ireo tamin’ny Mpamonjy rehefa naharitra tamim-pahatokiana sy efa mby akaiky ho faty izy ireo.

Azo asaina ihany koa ireo mpianatra mba hizara ohatra avy amin’ny fianakaviany manokana momba ny fiadanana izay mety ho tsapa rehefa akaiky ho faty ny olona iray aorian’ny fiainana feno fiezahana mba hanarahana an’i Jesoa Kristy.

Lehia: 2 Nefia 1:14–15

Enôsa: Enôsa 1:27

Môrônia: Môrônia 10:32–34

  • Ahoana ny fomba nanoritsoritan’ireo mpianatra ireo ny fifandraisan’izy ireo tamin’i Jesoa Kristy?

  • Inona no fiantraikan’izany fifandraisana izany tamin’ny fomba nahatsapan’izy ireo ny fahafatesany?

Inona ny torohevitra ho atolotrao?

Hevero ny hamerina hizara amin’ny mpianatra hafa ireo taratasy naverin’ireo mpianatra izay nanoratan’izy ireo ny toe-javatra izay mety haka fanahy olona iray hanajanona ny fiezahany hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto, ary omeo fotoana ireo mpianatra hisaintsaina izany miaraka amin’ny toe-javatra izay azony ao an-tsaina. Rehefa avy eo dia asao ireo izay manolo-tena mba hizara ny zavatra izay mety holazainy amin’ny olona ao anatin’io toe-javatra io, na dia tsy mamaly mivantana ireo fanontaniana ireo aza izany. Asao ireo nahavita ny fiomanan’ny mpianatra mba hizara ihany koa ilay andinin-tsoratra masina izay hitany.

  • Inona no torohevitra homenao ny olona mahatoky nefa manahy fa tsy ampy ny hery ananany mba ho maharitra?

  • Inona ny zavatra mety holazainao amin’ny olona iray izay efa nitsahatra tsy nanaraka ny Mpamonjy ary mahatsiaro tena fa efa tara loatra raha hamerina hanaraka indray? Ahoana ny fomba mety hampiasanao ny ohatra teo amin’ny fiainan’i Paoly mba hanampiana azy ireny hahita fa afaka manampy antsika hiova ary hamerina hanomboka indray ny Mpamonjy?

  • Inona avy ireo dingana izay azon’izy ireo atao hitodihana indray amin’ny Mpamonjy mba hahazoana fanampiana?

Inona ny hafatra ho anao?

Miverena amin’ny 2 Timoty 4 ary vakio ny andininy 6–8, 18. Alaivo sary an-tsaina ny tenanao amin’ny ho avy, afaka milaza ny zavatra izay nolazain’i Paoly rehefa manakaiky ny faran’ny andro izay iainanao ianao. Avy eo dia valio ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no tsapanao fa hafatry ny Ray any An-danitra ho anao?

  • Nanampy anao mba hahatakatra bebe kokoa ny filanao an’i Jesoa Kristy tamin’ny fomba ahoana ny zavatra izay nianaranao sy tsapanao androany ?

  • Inona ny zavatra tsapanao fa tokony hataonao?

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana ny fomba ahafahantsika maharitra hatramin’ny farany?

Ny Loholona L. Tom Perry (1922–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Sary
Final official portrait of Elder L. Tom Perry of the Quorum of the Twelve Apostles, 2004. Passed away 30 May 2015.

Mitaky fahatokisana hatramin’ny farany ny faharetana hatramin’ny farany, tahaka izay nataon’i Paoly, izay nilaza tamin’i Timoty hoe: “Efa niady ny ady tsara aho; nahatanteraka ny fihazakazahana aho; nitahiry ny finoana aho” ( 2 Timoty 4:7). Mazava ho azy fa tsy mora tokoa ny manao an’izany asa izany. Natao ho sarotra sy manahirana izany, ary, amin’ny farany, dia manadio amin’ny fahalotoana eo am-piomanantsika ny hiverina hiara-hiaina amin’ny Raintsika any An-danitra sy handray ireo fitahiana mandrakizay.

(L. Tom Perry, “L’Évangile de Jésus-Christ,” Ensign na Liahona, mai 2008, 46)

//media.ldscdn.org/webvtt/scripture-and-lesson-support/doctrine-and-covenants-visual-resource/2010-07-019-endure-to-the-end-en.vtt

Ahoana raha toa ka sarotra indraindray ny mahita ireo fitahiana avy amin’ny fijanonana ho mahatoky hatrany?

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza fa hoe:

Sary
Official Portrait of Elder Jeffrey R. Holland. Photographed January 2018.

Aza mitsahatra ianao. Mandehana hatrany. Miezaha hatrany. Misy fanampiana sy fifaliana miandry anao. … Hilamina izany amin’ny farany. Matokia an’ Andriamanitra ary minoa fa hisy zavatra tsara ho avy.

… Ny fitahiana sasany tsy maharitra ela akory dia mirotsaka, ny sasany somary taraiky, ary ny sasany kosa dia tsy mirotsaka mihitsy raha tsy any an-danitra; fa ho an’ireo izay manaiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy, dia mirotsaka ihany izy ireny.

(Jeffrey R. Holland, “Un sacrificateur des biens à venir,” Ensign, nov. 1999, 38)

Sahanasa fianarana fanampiny

Ny bokin’i Filemona dia afaka mampianatra antsika momba ny Mpamonjy

Manasà mpianatra iray mba hamaky mafy izao fampahalalana manaraka izao momba ny toe-javatra niseho izay noresahin’i Paoly tao anatin’ity epistily ity:

I Filemona dia nanana mpanompo iray, na andevo, izay antsoina hoe Onesimosy izay nandositra nankany Roma ary mety nangalatra zavatra tamin’i Filemona ihany koa (jereo ny  Filemona 1:18). Ny fanandevozana dia tsy noheverina ho ratsy tamin’ny kolontsaina Jodeo-Kristianina tamin’ny andron’i Paoly ary notohanan’ny lalàna romanina. Ireo sazy ho an’ireo andevo izay mitsoaka dia nahitana ny hoe voakapoka mafy, voahisy marika amin’ny vy mahamay eo amin’ny handrina, na voavono ho faty mihitsy aza. Rehefa avy nandositra i Onesimosy, dia nifanena tamin’ny Apôstôly Paoly izay niova fo ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Namporisika an’i Onesimosy hiverina tany amin’i Filemona i Paoly.

Asao ireo mpianatra iray hamaky mafy ny Filemona 1:8–12. Entano ireo mpianatra mba hanaraka ny vakiteny, ary hitady ny zavatra izay nasain’i Paoly nataon’i Filemona.

Rehefa avy eo dia asao ireo mpianatra mba hamaky ny Filemona 1:15–19 ary hampitaha ny zavatra nolazain’i Paoly sy ny zavatra nitolorany tena mba hatao ho an’i Onesimosy amin’ny zavatra izay ataon’ny Mpamonjy ho antsika tsirairay avy.

2 Timoty 4:8. I Jesoa Kristy dia manome fanantenana antsika ho an’ny ho avintsika na dia eo aza ny fahadisoantsika tamin’ny lasa

Ampio ireo mpianatra mba hahatakatra fa ny fanomezan-toky ho an’i Paoly momba ny valisoa mandrakizay (jereo ny 2 Timoty 4:8) dia tsy avy tamin’ny hoe izy dia tsy ary nanao fahadisoana mihitsy. Raha ny marina, taloha teo amin’ny fiainany, fony izy nantsoina hoe Saoly, dia niady tamin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy izy (jereo ny Asan’ny Apostoly 8:3 ; 9:1–2). Rehefa manao jery todika ny fiainany i Paoly dia nanoritsoritra ny tenany ho “lohan[’ny]” mpanota izy (jereo ny 1 Timoty 1:15). Mety ho nalaim-panahy hilavo lefona i Paoly noho ny fahotany sy ireo fahalemeny taloha.

Asao ireo mpianatra hamaky ny 1 Timoty 1:12–17 sy hanisy marika ny andininy tsirairay izay misy zavatra mampiseho ny toky nanan’i Paoly an’i Jesoa Kristy hamonjy azy, fa tsy noho ny amin’ny ezaka izay nataony manokana akory.

Entano ireo mpianatra mba hizara ireo andinin-tsoratra masina izay manan-danja amin’izy ireo, ary nahoana.

Asao izy ireo mba hamintina ny hafatra izay nomen’i Paoly ny olona izay nahatsapa fa hilavo lefona noho ny fahadisoany tamin’ny lasa na ireo fahalemeny amin’izao fotoana izao.