Seminera
1 Timoty 4:12–16


1 Timoty 4:12–16

“Aoka ho tonga fianarana ho an’ny mino ianao”

Sary
Ward Building Photowalk

Tsy moramora ny niaina ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tamin’ny toerana ratsy tahaka ny tany Efesosy. Azo antoka fa tena niavaka tamin’ireo namany tokoa ny olona tahaka an’i Timoty, izay nisafidy ny hiaina fiainana mandala ny fahamarinana. Saingy namporisika an’i Timoty i Paoly mba hihoatra noho ny fanakianan’ny hafa ny fahatanorany na ny finoany sy “ho fianarana ho an’ny mino” (1 Timoty 4:12). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao mba hiezaka ho mpianatr’i Jesoa Kristy izay fianarana ho an’ny hafa eo amin’ny fahatanoranao.

Mampiasà lisitra na tabilao. Ampio ireo mpianatra mba hianatra fomba fandalinana soratra masina mahomby kokoa amin’ny alalan’ny fampisehoana azy ireo ny fomba famoronana lisitra na tabilao. Izany dia afaka manampy azy ireo handamina sy hahatakatra ny antsipiriany izay hita ao amin’ny soratra masina, sy ireo fahatsapana izay azony avy amin’ny Fanahy Masina. Ity lesona ity dia hanome fahafahana an’ireo mpianatra hampihatra ity fahaiza-manao ity.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra ity fanontaniana manaraka ity ary mba hiomana hizara ireo eritreriny: Raha ohatra ka misy olona manaraka anao eny rehetra eny mandritra ny herinandro, inona ny porofo izay mety ho hitan’izy ireo fa tena miezaka ny hanaraka an’i Jesoa Kristy marina tokoa ianao?

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona manaraka ity dia manampy ireo mpianatra mba handalina ny fampianaran’i Paoly momba ny fahatongavana ho fianarana ho an’ireo mino. Mba hanampiana ireo mpianatra handalina bebe kokoa ireo fampianarana izay nataon’i Paoly dia hevero ny hizara ny iray kilasy ho vondrona telo. Ny vondrona iray dia afaka mandalina ny 1 Timoty 4:12–16 amin’ny alalan’ny fampiasana ity lesona ity, ary ny vondrona roa hafa dia afaka mandalina ny 1 Timoty 6:7–12 sy ny 2 Timoty 1:1–8 amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fampahalalana izay hita ao amin’ny fizarana “Sahanasa fianarana fanampiny”. Afaka mizara ny zavatra izay nianarany ireo mpianatra rehefa avy eo.

Inona ny zavatra ambaran’izany momba anao?

  • Raha misy olona manara-maso anao mandritra ny iray herinandro dia inona ny porofo izay mety ho hitan’izy ireo amin’ny fiezahanao manara-dia an’i Jesoa Kristy?

  • Inona ny zavatra izay mety ho hitan’izy ireo eo amin’ny fiainanao ka ilana fanatsarana rehefa mikatsaka ny hanara-dia an’i Kristy ianao?

Hevero ny hanasa mpianatra maromaro mba hizara ny hevitr’izy ireo momba izany.

  • Nahoana no zava-dehibe ny fieritreretana ny ohatra izay asehontsika ny hafa?

Eritrereto ny fahatsapana izay misy eo aminao amin’ny maha-ohatra azo alain-tahaka anao amin’ny fanarahan-dia an’i Jesoa Kristy ho an’ireo olona izay manodidina anao ary nahoana.

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hamantarana ny fomba izay entinao hampisehoana ohatra ka afaka manampy sy mitarika ireo hafa hankany amin’ny Mpamonjy. Raha toa ka tsy mahazo aina amin’ny maha-ohatra ho an’ireo hafa anao ianao, dia mitadiava fahamarinana izay mety hanampy sy hamporisika anao.

Ny famporisihan’i Paoly an’i Timoty

Ny Testamenta Vaovao dia ahitana taratasy roa nosoratan’i Paoly ho an’ny iray amin’ireo namany izay tena natokisany, dia i Timoty izany (jereo ny 1 Korintiana 4:17). Rehefa mamaky ity fampahalalana momba an’i Timoty manaraka ity ianao dia eritrereto hoe nahoana no mety hitondra fiovana ho an’ny hafa ny ohatra izay nasehony. Misy itoviana aminy ve ianao?

  • Ohatra azo alain-tahaka amin’ny fandalàna ny fahamarinana ny renin’i Timoty sy ny renibeny, fa ny rainy kosa dia tena Jentilisa Grika ary azo inoana fa tsy ho mpino mihitsy (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:1 ; 2 Timoty 1:5 ; 3:14–15).

  • I Timoty dia mpitarika ny Fiangonana tao Efesosy (jereo ny 1 Timoty 1:3), tanàna lehibe iray izay nanjakan’ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoam-pitondrantena (jereo ny Asan’ny Apostoly 19:35).

  • Tsapan’i Paoly fa nisy mpikambana sasany niahiahy ny amin’ny fahaiza-mitarik’i Timoty noho izy tanora tokoa (jereo ny 1 Timoty 4:12).

Vakio ny 1 Timoty 4:12–16 , ary tadiavo ny torohevitra nomen’i Paoly momba ny zavatra izay tokony hataon’i Timoty.

  • Inona avy ireo zavatra izay hitanao fa manan-danja eo aminao?

  • Ahoana ny fomba mety hamintinanao ny fanasana izay nataon’i Paoly ao amin’ny andininy 12 sy ny fampanantenana izay hita ao amin’ny andininy 16 anatin’ny fehezan-teny tokana momba ny fahamarinana?

Avelao ireo mpianatra hampiasa ny teniny manokana, saingy ampio izy ireo mba hamantatra ity fahamarinana manaraka ity.

Ao amin’ny 1 Timoty 4:12, 16 i Paoly dia nampianatra fa raha tonga fianarana ho an’ireo izay mino an’i Jesoa Kristy isika dia afaka manampy amin’ny famonjena ny tenantsika sy ireo hafa.

Ny fahitana ireo lisitra ao anaty soratra masina dia afaka manampy antsika hahita fomba maro isan-karazany izay ahafahana mampihatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara eo amin’ny fiainantsika. Ao amin’ny andininy 12 i Paoly dia nitanisa ireo lafin-javatra izay ahafahantsika ho lasa tahaka an’i Kristy kokoa mba ho ohatra tsara ho an’ireo izay manodidina antsika.

Vakio indray ny andininy 12 ary asio marika ireo teny mamaritra ny lafin-javatra tsirairay izay nasain’i Paoly ifantohantsika. Hevero ny handika izany lisitra izany ao amin’ny diary fandalinanao soratra masina.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny lisitr’ireo lafin-javatra izay hitan’ireo mpianatra. Asio toerana malalaka eo ambanin’ny lafin-javatra tsirairay eny amin’ny solaitrabe mba hanoratana hevitra vitsivitsy ao aoriana kely ao rehefa mandeha ny lesona.

  • Ahoana ny fomba mety hanazavanao ny dikan’ireo teny tsirairay ireo? (Raha ilaina, dia mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina na rakibolana mba hanampy anao hamaritra izany.)

  • Misy olona fantatrao ho ohatra tsara azo alain-tahaka ve amin’ireo lafin-javatra ireo? Nanampy anao sy ny hafa tamin’ny fomba ahoana ny ohatra izay nasehon’izy ireo?

Rehefa misaintsaina mikasika an’io fanontaniana io ireo mpianatra dia entano izy ireo hieritreritra ireo mpiara-mianatra aminy. Manasà mpianatra maromaro mba hizara ny heviny. Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny manoratra taratasy ho an’ny mpianatra hafa momba ny maha-ohatra tsara azy ireo ho azy. Ny fahitana sy ny fandokafana ny ohatra tsara izay asehon’ny hafa dia afaka hanorina firaisan-tsaina eo amin’ny iray kilasy.

  • Tamin’ny fomba ahoana no naha-ohatra tonga lafatra an’i Jesoa Kristy tamin’ireo lafin-javatra ireo? Nitahy anao sy ny hafa tamin’ny fomba ahoana ny ohatra izay nasehony?

  • Nahoana araka ny hevitrao no tian’ny Tompo ho tonga fianarana ho an’ny hafa amin’ireo lafin-javatra ireo ianao?

Ahoana noahafahanao ho tonga ohatra azo alain-tahaka?

Manaova lisitra momba ireo fomba izay ahafahanao ho lasa ohatra azo alain-tahaka amin’ireo lafin-javatra izay nosafidinao. Ohatra, mba hahatonga anao ho fianarana “amin’ny fiteny,” dia azonao atao anaty lisitra ny sasany amin’ireto hevitra manaraka ireto:

  • maneho fankasitrahana matetika kokoa

  • mandoka amin-kitsim-po ny olona

  • milaza ny marina

  • miala amin’ny fitenenana teny ratsy

  • maneho ny fitiavanao matetika kokoa

  • miresaka amin’ny olona amim-panajana

  • mifady ny fosafosa

  • mivavaka amin-kitsim-po kokoa

Raha toa ka tsy momba ny fiainany manokana ny hevitr’ireo mpianatra, dia asao izy ireo mba hizara izany amin’ny alalan’ny fanoratana izany eo ambanin’ireo lohateny eny amin’ny solaitrabe.

Makà fotoana vitsivitsy mba hisaintsainana ny fomba izay mety hitahian’ny Tompo anao sy ny hafa raha toa ka miezaka ny manao ohatra azo alain-tahaka amin’ireo fomba ireo ianao.

  • Inona ny zavatra nianaranao na tsapanao androany ka hanampy anao ho lasa ohatra tsara azo alain-tahaka amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao?

  • Inona ny zavatra hataonao mba hahatonga anao ho ohatra azo alain-tahaka ho an’ny hafa?

  • Inona ny zavatra antenainao fa hampianarin’ny ohatra izay asehonao ny hafa momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany naverina tamin’ny laoniny? Nahoana?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny herin’ny ohatra tsara aseho eo amin’ireo izay mahita izany. Hevero ny hizara tantara manokana momba ny nahazoana fitahiana avy tamin’ny alalan’ny ohatra tahaka ny an’i Kristy nataon’ny olona, ary asao ireo mpianatra mba hampihatra ny fiovana izay hitany tao amin’ity lesona ity.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana ny fomba hahafahako mba ho lasa ohatra azo alain-tahaka tsara kokoa?

Hevero ny hijery ny iray na mihoatra amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, izay mampiseho fomba isan-karazany amin’ny maha-ohatra azo alain-tahaka ho an’ireo manodidina azy ny zatovo. Eo am-pijerenao dia eritrereto ireo fomba izay ahafahanao ho tonga ohatra azo alain-tahaka ho an’ny hafa.

“Mizara ny fahazavanao” (2:56)

Tena zava-dehibe ve ny ohatra izay asehoko amin’ny maha-zatovo ahy?

Ny Rahavavy Bonnie H. Cordon, filohan’ny Zatovovavy maneran-tany, dia nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny ohatra izay asehonao:

Sary
Former Official Portrait of Sister Bonnie H. Cordon, Photographed October 2016. Replaced October 2018.

Ry namako malala, nahoana no tena manan-danja ny fampamirapiratana ny fahazavantsika? Nilaza tamintsika ny Tompo fa “mbola misy maro eto an-tany … tsy hahita ny fahamarinana noho ny tsy fahafantarany ny fomba izay ahitana izany fotsiny” [ Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 123:12]. Afaka manampy isika. Afaka mampamiratra ny fahazavantsika amin’ny nahim-po isika mba hahazoan’ny hafa mahita. Afaka manao fanasana isika. Afaka miara-dia amin’ireo izay manao dingana miroso mankany amin’ny Mpamonjy isika na mampiahotra toy ny ahoana aza izany dingana izany. …

Mijoro ho vavolombelona aho fa ny Tompo dia hampahery vaika ny ezaka madinika rehetra. Hilaza amintsika izay tokony holaizana sy hatao ny Fanahy Masina. Ny fiezahana toy izany dia mety hila antsika hanao zavatra mety tsy hampahazo aina antsika kanefa afaka matoky hatrany isika fa ny Tompo dia hanampy antsika hampamiratra ny fahazavantsika.

(Bonnie H. Cordon, “Mba hahazoany mahita,” Liahona, mey 2020, 80)

Ny Filoha Thomas S. Monson (1927–2018) dia nampianatra momba ny maha-ohatra azo alain-tahaka:

Sary
Official portrait of President Thomas S. Monson, 2008.

Meteza ho ohatra azo alain-tahaka …. Tolorana fahafahana eo anoloantsika isika ankehitriny. Saingy tena mora simba tokoa izy ireo. Azo inoana fa ho hita ao an-tokantranontsika sy amin’ireo zavatra izay ataontsika andavanandro izany. Nampiseho ny lalana ny Tompo sy Mpampianatra antsika: “nandehandeha nanao soa [Izy].” ( Asan’ny Apôstôly 10:38 .) Izy tokoa no modely tokony harahintsika—fianarana ho an’ny mino mihitsy aza.

Ary isika?

(Thomas S. Monson, “An Example of the Believers,” Ensign, Nov. 1992, 98)

1 Timoty 4:16. Inona ny zavatra izay tian’i Paoly holazaina rehefa nilaza izy hoe, “[Vonjeo] ny tenanao”?

Raha nampiasa ny teny hoe “hamonjy ny tenanao sy izay mihaino anao” i Paoly ( 1 Timoty 4:16), dia nijoro ho vavolombelona ihany koa izy fa amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ihany no ahafahana mamonjy antsika (jereo ny 1 Timoty 1:15–16 ; 2:5–6). Afaka mampihatra ny finoana an’i Jesoa Kristy isika amin’ny alalan’ny ezaka izay ataontsika ary mamela Azy hamonjy antsika.

Sahanasa fianarana fanampiny

1 Timoty 6:7–12. Mitoky amin’ny harena na amin’ Andriamanitra

Mampisehoa vola kely, ary asao ireo mpianatra mba hizara fomba vitsivitsy izay azo ampiasàna izany amin’ny tsara.

Asao ireo mpianatra mba hamaky ny 1 Timoty 6:7–12 ary hanazava ny antony heveriny fa nanomezan’i Paoly ity fampitandremana sy fanasana ity satria tsy maintsy efa fantany fa azo ampiasaina amin’ny tsara ihany koa ny vola. Anontanio hoe ahoana ny fomba tokony hampiharana ireo fahamarinana izay hita ao amin’ireo andininy ireo amin’ny mpanan-karena sy ny mahantra.

Omeo fotoana ireo mpianatra mba hitadiavana ny soratra masina, ka hikaroka ny torohevitra izay nomen’ny Tompo mikasika ny harena. (Anisan’ny andinin-tsoratra masina sasantsasany ho hita ny 1 Timoty 6:17–19 ; Matio 6:19–21, 24 ; Jakôba 2:17–19 ; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:7 ; 56:16–17 .)

Asao ireo mpianatra mba hamintina sy hizara ny zavatra izay nianarany avy tamin’ireo soratra masina ireo.

2 Timoty 1:1–8. Mandresy ny tahotra

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny teny hoe Tahotra, ary entano ireo mpianatra mba hieritreritra hoe ahoana no mety ho fiantraikan’ny tahotra eo amintsika. Asao ireo mpianatra mba hamaky ny 2 Timoty 1:1–8 , ary hitady fitsipika iray izay afaka manampy azy ireo handresy ny tahotra. Ifanakalozy hevitra ilay fitsipika hoe rehefa mikatsaka fatratra ny hanana ny Fanahy miaraka amintsika isika dia afaka mandresy ny tahotra sy tsy menatra amin’ny fijoroana ho vavolombelona izay ataontsika momba an’i Jesoa Kristy. Ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto dia mety hanampy ireo mpianatra hahatakatra ity fitsipika ity:

  • Manampy antsika handresy ny tahotra amin’ny fomba ahoana ny hery sy ny fitiavana ary ny fitsarana tsara avy amin’ Andriamanitra izay azontsika amin’ny alalan’ny Fanahy?

  • Inona avy ireo fomba ahafahantsika mampiseho fa tsy menatra ny amin’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba an’i Jesoa Kristy isika?

  • Oviana ny Fanahy no nanampy anao mba handresy ny tahotra na namporisika anao mba ho mafy orina amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba an’i Jesoa Kristy?