Seminera
Hebreo 1–6


Hebreo 1–6

Topimaso ankapobeny

Teo ambanin’ny tsindry sy fanenjehana samihafa izay nisy, dia maro ireo Kristianina Jiosy niala tamin’ny Fiangonana ka niverina tamin’ny filaminana fanompoam-pivavahana jiosy tao amin’ny synagoga. Te hampiseho tamin’ireo Kristianina jiosy i Paoly fa lehibe noho i Mosesy i Jesoa ary ny fanompoany dia nitondra fanekempihavanana vaovao ambony noho ny fanekempihavanana taloha izay teo ambanin’ny lalàn’i Mosesy. Nampianatra i Paoly fa Jesoa Kristy dia nidina avy amin’ny seza fiandrianany tany an-danitra mba hiaina toy ny olombelona rehetra izay mety maty ety an-tany sy hanatanteraka ny Soropanavotana mandrakizay ho antsika. Nikatsaka ny hanampy ny Olomasina hiverina amin’ireo fanekempihavanana nataon’izy ireo i Paoly tamin’ny alalan’ny famporisihana azy ireo hiala amin’ny toe-tsaina tsy mino.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Hebreo 1–10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy amin’ny fanamafisana orina ny finoan’ireo mpianatra ny Mpamonjy rehefa mianatra momba ny heriny amin’ny zava-drehetra izy ireo amin’ny alalan’ny famantarana sy fandalinana ny sasany amin’ireo anaram-boninahitra fiantsoana Azy sy ny anjara asany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hitady ireo anarana fiantsoana an’i Jesoa Kristy mandritra ny fandalinany manokana na ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy mba ho tonga vonona hizara ireo anarana izay hitany ao an-dakilasy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiseho ny sarin’i Jesoa Kristy ary ampiasao ny fitaovam-pifaneraserana chat mba hahafahan’ireo mpianatra hitanisa ireo anaram-boninahitra fiantsoana an’i Kristy sy ny anjara asany izay hitan’izy ireo ao amin’ny Hebreo. Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mandefa ny anaram-boninahitra fiantsoana na ny anjara asany izay nosafidiny hohalalinina. Ity dia afaka manampy amin’ny famantarana ny anaram-boninahitra fiantsoana na ny anjara asany izay nianaran’ny ankamaroan’ireo mpianatra izany. Avy eo dia azon’ireo mpianatra zaraina ny antony izay nieritreretan’izy ireo fa io anaram-boninahitra fiantsoana na ny anjara asany io no tena nohalalinina indrindra na inona ny antony mety maha-zava-dehibe izany amin’ny zatovo.

Hebreo 2–4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hampitomboana ny fahatokisan-tenan’ireo mpianatra fa tena afaka manampy azy ireo tokoa i Jesoa Kristy amin’ny fotoana ilany izany.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hamerina hijery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Almà 7:11–13 ary ho tonga vonona ao an-dakilasy hizara ny antony ahatsapan’izy ireo fa io no andinin-tsoratra masina manan-danja tokony hotakarina.

  • Votoatiny aseho: Ny tabilao hofenoin’ireo mpianatra

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho an’ny sahanasa fanaovana tabilao, dia hevero ny hampiasa solaitra be fotsy (tableau blanc) na takelaka fanaovana kajy an-jotra mba hanaovana ilay tabilao ary hizarana izany amin’ny iray kilasy. Asao ireo mpianatra mba hameno ilay tabilao eo amin’ny efijery amin’ny alalan’ny zavatra izay hitan’izy ireo, ankoatra ny famenoana izany ao anatin’ny diary fandalinany.

Hebreo 3–4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ireo mpianatra handresy ny tsy finoana mba hahafahan’izy ireo mandray ireo fitahiana izay nampanantenain’ny Mpamonjy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hieritreritra ny antony inoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy sy ny fomba hitahiana azy ireo noho ny finoana Azy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa mizara ny sahan-kevitra fampahalalana momba ny zanak’Isiraely, dia mety hanampy ny mizara efijery mampiseho sarin’i Mosesy sy ny zanak’i Isiraely tany an’efitra.

Hebreo 7–10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanamafisana ny finoan’ireo mpianatra an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpamonjy sy Mpanavotra Azy amin’ny alalan’ny fanampiana azy ireo hahatakatra ireo tandindona fahiny izay hitao ao amin’ny lalàn’i Mosesy.

Fanamarihana: Ity lesona ity dia miresaka momba ny votoatin-kevitra izay tsy tafiditra ao amin’ny fandaharam-potoana hanaovana ny Avia, hanaraka Ahy amin’ity herinandro ity. Mba hanomezana fotoana hahafahana miresaka momba ny fifehezana fotopampianarana sy ireo votoatin-kevitra hafa izay mifandray amin’izany amin’ny herinandro manaraka hanaovana ny Avia, hanaraka Ahy, dia nafindra eto ity lesona ity. Afaka mandalina ity lesona momba ny votoatin-kevitra ity ireo mpianatra mandritra ny herinandro.

  • Fiomanan’ny Mpianatra: Asao ireo mpianatra hitondra zavatra iray ao am-pianarana ary hanazava ny fomba ijoroan’izany ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy na ampahatsiahivan’izany azy ireo an’i Jesoa Kristy. Ohatra, afaka mitondra gaoma ny mpianatra ary manazava fa mampahatsiahy azy ireo an’i Jesoa Kristy izany satria afaka mamafa na mamela ny fahotantsika Izy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hamorona PowerPoint na famelabelarana hita maso hafa izay mba hahafahana mampiseho sary sy famaritan-teny amin’ny fotoana ilana izany ao amin’ny lesona.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 22

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hitadidy ny sasany amin’ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina an’ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra mba hiresaka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na namana mikasika ny fomba nanentanan’ny fanaovana tsianjery soratra masina na nanampian’izany azy ireo mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

  • Fitaovana ilaina: Sombin-taratasy iray sy fitaovana fanoratana ho an’ny mpianatra tsirairay

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hamela ireo mpianatra hanao sary amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana fanehoan-kevitra. Azon’ireo mpianatra atao ny mifandimby manao sary famantarana sy faminavinana ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.