Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 22


Famerenana fifehezana fotopampianarana 22

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Sary
Family in New Zealand sitting in the living room reading scriptures together.

Efa mba nanontany tena ve ianao hoe nahoana no zava-dehibe ny fanaovana tsianjery ny soratra masina? Ny fanaovana tsianjery ny soratra masina dia afaka manampy anao handray fitaomam-panahy, hahatsiaro ny Mpamonjy, ary hampianatra filazantsara ny hafa. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hitadidy ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hita ao amin’ny Testamenta Vaovao.

Manorina tontolom-pianarana azo antoka izay hanjakan’ny fanekena sy fanajana ny hafa. Rehefa fantatr’ireo mpianatra fa tiana sy eken’ny mpampianatra sy ireo mpiara-mianatra aminy izy ireo, dia azo inoana fa hazoto kokoa izy ireo handeha any am-pianarana vonona hianatra sy handray anjara amin’ny traikefam-pianarana. Mitadiava fomba hanampy ireo mpianatra hahatsapa fa tiana sy hanampiana azy ireo hifaneho fitiavana araka ny tokony ho izy.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hiresaka amin’ny olona ao amin’ny fianakaviany na namana mikasika ny fomba nitaonan’ny fanaovana tsianjery soratra masina na ny nanampian’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina ilay olona ao amin’ny fianakaviana na ilay namana mba hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Sahanasa fianarana azo atao

Nahoana no atao tsianjery ny soratra masina?

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na ny mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana ny seminera.

Alaivo sary an-tsaina hoe mandray anjara amin’ny fanadihadiana ho an’ny gazetiboky Ho zatovo mahery! ianao. Ahoana ny fomba hamalianao ity fanontaniana manaraka ity raha ohatra ka apetraka aminao?

  • Inona avy ireo antony dimy lehibe indrindra tokony hanaovana tsianjery ny soratra masina?

Azon’ireo mpianatra atao ny mieritreritra ny zavatra izay nianarany nandritra ny sahanasa fiomanan’ny mpianatra rehefa mamaly ilay fanontaniana izy ireo.

Misy antony tsara tokony hanaovana tsianjery ny soratra masina. Ireo soratra masina lany tsianjery dia tahaka ny namana izay afaka manome fitaomana ara-panahy, sy fankaherezana, ary loharano hahazoana risim-po amin’ny fotoana ilana fanampiana (jereo Richard G. Scott, “Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, Nôv. 2011, 6). Ny fanaovana tsianjery ny soratra masina dia afaka manampy antsika “[hibanjina ny Mpamonjy] amin’ny eritreritra rehetra” ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36). Ny fanaovana tsianjery ny soratra masina dia afaka manampy antsika “hahazo ny teni[n’ Andriamanitra] ” mba hahafahantsika mampianatra ny hafa ( Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:21).

  • Ahoana no mety ho fiantraikan’ny fanaovana tsianjery soratra masina eo amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy?

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina

Makà minitra vitsivitsy hanaovana tsianjery na hamerenana hitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay ao amin’ireto andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao manaraka ireto. Rehefa mahatsapa fa matoky tena ianao fa mahay ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra ireo, dia misafidiana iray na maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hitsapana ny fahaizanao mitadidy.

Asehoy ity tabilao manaraka ity, na omeo ireo mpianatra izany ho toy ny taratasy zaraina.

Sary
Doctrinal Mastery

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apôkalypsy

1 Korintiana 6:19–20

“Ny tenanareo dia tempolin’ny Fanahy Masina.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“[Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoan’ny fotoana no] hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Ny Fihavian’i Kristy … dia tsy ho avy […] raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anao ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahy.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izany no nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty aza.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina … araka ny asany.”

Safidy 1: Manaova sary

Asao ireo mpianatra hisafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray ka tsy hilaza amin’ny mpianatra hafa hoe inona ilay andinin-tsoratra masina. Avy eo ilay mpianatra dia hanao kisarisary famantarana (tsy mampiasa isa na litera) mandra-pahaizan’ny mpianatra hafa ilay andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja marina. Afaka miasa mandeha tsiroaroa, na ao anatin’ny vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy ny mpianatra. Aorian’ny fanazarana dia afaka mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity miaraka amin’ny iray kilasy na ao anaty vondrona kely ireo mpianatra.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no mampitovy ny fanaovana tsianjery ny soratra masina amin’ny namana iray izay afaka manome anao fitaomana ara-panahy, sy fankaherezana, ary loharano hahazoana risim-po amin’ny fotoana ilana fanampiana?

Safidy 2: Soraty izany

Hevero ny hizara ireo mpianatra anaty vondrona kely maromaro. Omeo taratasy ny vondrona tsirairay. Asao ireo mpikambana ao amin’ny vondrona mba hisafidy andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray. Afaka mifandimby manoratra teny iray isaky ny andinin-tsoratra masina ao amin’ilay andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izy ireo. Rehefa avy nanoratra teny iray ny mpikambana avy tamin’ny vondrona iray, dia hanome izany amin’ny vondrona manaraka izy ireo, izay hanoratra ny teny manaraka, tohizana mandra-panoratan’ilay vondrona ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny ao amin’ny soratra masina marina manontolo. Azon’ireo vondrona atao ny mamerina ity sahanasa ity sy handrefy ny fotoanany ahafahany mamita izany mba hahafahan’izy ireo mijery ny fivoarany. Aorian’ny fanazarana, dia afaka mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity miaraka amin’ny iray kilasy na ao anaty vondrona kely ireo mpianatra.

Safidy 3: Lazao ilay andinin-tsoratra masina

Zarao mandeha tsiroaroa na anaty vondrona kely ireo mpianatra. Manasà mpianatra iray mba hizara hoe teny firy amin’ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina iray no heverin’izy ireo fa ilaina mba hahafahana maminavina ilay andinin-tsoratra masina. Avy eo dia misy mpianatra hafa misafidy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina iray ka hamaky mafy ireo teny araka izay isa voalaza avy ao amin’ilay andian-teny manan-danja. Avy eo ilay mpianatra voalohany dia miezaka mamantatra ilay andinin-tsoratra masina. Afaka mamerina ity fanazaran-tena ity im-betsaka araka izay tiany ireo mpianatra ary manova ny isan’ny teny famantarana izay hovakiana avy ao amin’ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Aorian’ny fanazarana, dia afaka mifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity miaraka amin’ny iray kilasy na ao anaty vondrona kely ireo mpianatra.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no afaka manampy anao hiomana hizara ny filazantsara amin’ny hafa ny fanaovana tsianjery ny soratra masina?

Saintsaino ny traikefanao

  • Inona avy ireo fanazaran-tena izay nampiasainao ka nanampy anao nanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina?

  • Toy ny ahoana ny fivoaranao amin’ny fanaovana tsianjery andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao? Inona ny tanjonao amin’ny fanaovana tsianjery ireo izay mbola ataonao tsianjery amin’izao fotoana izao?

  • Ahoana araka ny eritreritrao ny fomba ahafahan’ny fanaovana tsianjery ny soratra masina mitahy ny fiainanao?