Seminera
Asan’ny Apostoly 16–21


Asan’ny Apostoly 16–21

Topimaso ankapobeny

Hitantsika ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16–21 ny momba ny dia fitoriana faharoa sy fahatelo nataon’ny Apôstôly Paoly. Niaina fahagagana mahatalanjona i Paoly sy ireo namany ary nanampy olona maro hanatona an’i Kristy sy handray ny ôrdônansin’ny batisa ary handray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Niaina alahelo sy fanenjehana ary fandavana ihany koa i Paoly sy ireo namany.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome ireo mpampianatra hevitra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay:

Asan’ny Apostoly 16

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hamantatra ny fanampiana izay tian’ny Mpamonjy homena azy ireo eo am-piezahan’izy ireo mizara ny filazantsarany amin’ny hafa.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hangataka ombam-bavaka ny Ray any An-danitra mba hanampiany azy ireo hamantatra olona iray nomaniny hihaino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa nahazo ny fankatoavana takina, dia manasà vahiny ho mpandahateny mba hampianatra mandritra ny tapany faharoa amin’ny fampianarana mikasika ny fomba ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana manao asa fitoriana. Angataho ilay vahiny mba hiresaka momba ireo fitsipiky ny asa fitoriana izay nasehon’i Paoly sy ireo namany tamin’ny alalan’ny ohatra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16. Ilay vahiny ho mpandahateny dia mety ho tompon’andraikitra misahana ny asa fitoriana, na misiônera vao avy nahavita asa fitoriana, na koa misiônera mpiara-mitory amin’izao fotoana izao. Omeo fotoana hametrahany fanontaniana ireo mpianatra any amin’ny faran’ny fampianarana. Miresaha amin’ny mpandrindra ny Seminera sy Institiota ao an-toerana, satra hilaina fankatoavana avy aminy ho an’ity vahiny ho mpandahateny ity.

Asan’ny Apostoly 17:1–14

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hiaina ireo fitahiana avy amin’ny fandalinana soratra masina isan’andro.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara zavatra manan-danja iray hitany vao haingana tao anatin’ny fandalinany soratra masina isan’andro.

Asan’ny Apostoly 17:16–34

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny maha-zanak’ Andriamanitra azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hanao lisitra iray ahitana ireo teny na andian-teny izay mamaritra azy ireo tsara indrindra ary hisaintsaina hoe inona ireo teny na andian-teny manan-danja indrindra amin’izy ireo.

Asan’ny Apôstôly 19:1–7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra handray ireo fitahiana irin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy homena azy ireo amin’ny alalan’ny fanomezana ny Fanahy Masina.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra momba ireo fitondrantena izay manasa ny Fanahy Masina ho namana ary hiezaka hanao izany matetika kokoa eo amin’ny fiainany.

  • Sary haseho: Sarin’i Joseph Smith niseho tamin’i Brigham Young

  • Sarintany:Ny dia fitoriana nataon’ny Apôstôly Paoly

  • Lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana: Kaopy telo, fitoeran-javatra hitatazana rano mihoatra(lovia ohatra) iray, tapa-taratasy na saron-tavoahangy, ary zavatra mafy iray izay maka ny ankamaroan’ny toerana ao anatin’ny iray amin’ireo kaopy (vato ohatra)

Famerenana fifehezana fotopampianarana 15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ireo mpianatra hanao fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasantsasany ao anatina toe-javatra hampianarana isan-karazany.

Fanamarihana: Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny fifehezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny nampiasany ny soratra masina mba hamaliana fanontaniana na hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.

  • Tabilao: Tabilaon’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ireo andian-teny manan-danja mifandray amin’izy ireo

  • Sahanasa atao anaty vondrona: Mamoròna lohateny ho an’ireo toe-javatra efatra hita ao amin’ny sahanasa atao anaty vondrona. Manomàna fomba anankiray ahafahana maneho ireo torolalana sy ireo fanontaniana izay horesadresahan’ireo mpianatra ao anatin’ny sahanasa atao anaty vondrona.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba hanomezana fahafahana ho ana mpianatra misimisy kokoa hizara ny eritreriny, dia azonao zaraina ho ao anaty zana-bondrona efatra ireo mpianatra ary omeo ny iray amin’ireo trangan-javatra ao amin’ny sahanasa atao anaty vondrona ny vondrona tsirairay.