Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 15


Famerenana fifehezana fotopampianarana 15

Fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
Various youth gather together. They appear to be in church in a Sunday School class. They have scriptures and smile. This is in Samoa.

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hanampy anao hianatra ny fomba fampiharana araka ny tokony ho izy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehefa mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa ianao. Ity lesona ity dia hanome fahafahana ho anao hampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasany amin’ny toe-javatra mitranga isan-karazany ao amin’ny fampianarana.  

Sahanasa fianarana azo atao

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra zavatra izay niainan’izy ireo tamin’ny nampiasany ny soratra masina mba hamaliana fanontaniana na hampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy miaraka amin’ny fahavononana hizara ilay toe-javatra nitranga sy ireo soratra masina izay nampiasainy tamin’ny nampianatra.

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray mirakitra andinin-tsoratra masina fifahezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hakana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Ny soratra masina ankatoavina dia mirakitra tantara maro momba ny olona izay mampiasa ny soratra masina mba hampianarana ny hafa. Ireo ohatra vitsivitsy dia ahitana ny nampianaran’i Jesoa Kristy ny mpianany roalahy teny an-dalana ho any Emaosy ( Lioka 24:27), i Nefia namporisika ireo rahalahiny haka ireo takela-barahina (jereo ny 1 Nefia 4:2), ary i Môrônia nampianatra ny tovolahy Joseph Smith ( Joseph Smith—Tantara 1:36–41).

Asao ireo mpianatra izay nanao ny sahanasa momba ny fiomanan’ny mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Tamin’ny oviana ianao na olon-kafa izay fantatrao no nampiasa ny soratra masina mba hampianarana ny hafa?

  • Nahoana no heverinao fa zava-dehibe ny fampiasana ny soratra masina ho fanampin’ireo fanazavanao manokana rehefa mampianatra ny hafa isika?

Avereno jerena ireto lisitry ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana manaraka ireto sy ireo andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina. Saintsaino ireo toe-javatra samihafa izay mety ho atrehanao ka hahafahanao mampiasa ireo andinin-tsoratra masina ireo mba hampianarana olona iray.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

Asehoy amin’ireo mpianatra na zarao ity tabilao manaraka ity mba hampiasaina mandritra ity fotoana fianarana ity. Afaka mahazo tahadikan’izany avy tamin’ny lesona teo aloha ireo mpianatra.

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana, no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Tsy ho avy ny fiavian’i Kristy … raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy hianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izao no [ni]toriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Azonao atao ny manisy lohateny iray eo amin’ny taratasy kely iray ho an’ireto toe-javatra tsirairay manaraka ireto ka apetraho manodidina ny efitrano fianarana izany. (Azo asaina mba hamorona toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana ny mpianatra mba hanaovany asa toy izay ireo toe-javatra izay natolotra ireo.)

FandevenanaAsa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana fenoFampaherezam-panahy ho an’ny zatovoNamana

Zarao ho vondrona efatra ireo mpianatra ary omeo ny iray amin’ireo toe-javatra voatanisa etsy ambony ny vondrona tsirairay. Omeo fanontaniana mifanaraka amin’izany izay voatanisa etsy ambany ny vondrona tsirairay, ary asao izy ireo hifanakalo hevitra.

Avelao ny vondrona tsirairay hifandimby hiresaka momba ireo toe-javatra tsirairay. Lazao amin’ireo mpianatra fa afaka mampiasa andinin-tsoratra masina mitovy izy ireo aoamin’ireo trangan-javatra noforonina samihafa.

Fandevenana

Alaivo sary an-tsaina hoe nasaina mba hanao lahateny mandritra ny fotoam-pandevenana olona akaikin’ny fo iray ianao.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo azonao zaraina?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy?

Misafidiana iray amin’ireo soratra masina izay nosafidinao ho an’ity trangan-javatra ity, ary vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina.

  • Ankoatra ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireo, dia inona ihany koa no zavatra hafa nianaranao?

Asa fitoriana ny filazantsara amin’ny fotoana feno

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao sy ilay misiônera mpiara-mitory aminao dia mampianatra olona iray izay manontany tena ny antony ilantsika fiangonana naverina tamin’ny laoniny.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo azonao zaraina?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy?

Misafidiana iray amin’ireo soratra masina izay nosafidinao ho an’ity trangan-javatra ity, ary vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina.

  • Ankoatra ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireo, dia inona ihany koa no zavatra hafa nianaranao?

Fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo

Alaivo sary an-tsaina hoe ao anatin’ny kômitin’ny zatovo iray ianao izay notendrena hisafidy lohahevitra ho an’ny fampaherezam-panahy ho an’ny zatovo izay hatao ato ho ato ao amin’ny tsatòka na distrika misy anao.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo azonao zaraina?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy?

Misafidiana iray amin’ireo soratra masina izay nosafidinao ho an’ity trangan-javatra ity, ary vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina.

  • Ankoatra ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireo, dia inona ihany koa no zavatra hafa nianaranao?

Namana

Alaivo sary an-tsaina hoe manana namana iray ianao izay sahirana eo amin’ny fanaovana izay hahatsapana ho akaiky ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mangataka torohevitra aminao izy.

  • Inona avy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana telo azonao zaraina?

  • Ahoana araka ny eritreritrao no hahafahan’ireo andinin-tsoratra masina ireo manampy?

Misafidiana iray amin’ireo soratra masina izay nosafidinao ho an’ity trangan-javatra ity, ary vakio manontolo ilay andinin-tsoratra masina.

  • Ankoatra ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ireo, dia inona ihany koa no zavatra hafa nianaranao?

Rehefa mahavita ity sahanasa ity ireo vondrona tsirairay, dia azonao apetraka amin’ny iray kilasy ny fanontaniana toy ireto:

  • Ahoana ny ahafahan’ity sahanasa ity manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny antony ilana ny fampiasana ny soratra masina rehefa mampianatra ny hafa ianao?

  • Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana inona no lasa ankafizinao kokoa noho ity sahanasa ity?

  • Inona no zavatra nianaranao mikasika an’i Jesoa Kristy avy tamin’ity sahanasa ity?

Amporisiho ireo mpianatra hanohy hitady fahafahana mampiasa ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehefa mampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa.