Seminera
Asan’ny Apostoly 16


Asan’ny Apostoly 16

“Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”

Sary
In a vision, Peter baptizes a Gentile.

Tao anatin’ny teny fanaovam-belomany tamin’ireo Apôstôliny, ny Mpamonjy dia nandidy azy ireo hoe: “Ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ” (Matio 28:19). Nahitana fivoarana niavaka teo amin’i Paoly sy ny namany tamin’ny fanatanterahana io didy io. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hamantatra ny fanampiana tian’ny Mpamonjy homena anao rehefa miezaka mizara ny filazantsarany amin’ny hafa ianao.

Mampihatra ireo fotopampianarana sy fitsipika. Tokony hamporisika ny mpianatra hampihatra ny fahamarinana eo amin’ny fiainany ny mpampianatra. Miseho ny fampiharana rehefa misaintsaina sy miteny ary miaina araka ireo fitsipika izay nianarany ireo mpianatra. Rehefa mampihatra ireo fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainany ireo mpianatra dia handray ireo fitahiana nampanantenaina ary hahazo fahatakarana sy fijoroana ho vavolombelona lalim-paka kokoa ny amin’izay nampihariny.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hangataka ombam-bavaka ny Ray any An-danitra mba hanampiany azy ireo hamantatra olona iray nomaniny hihaino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia manasongadina tantara roa momba ny asa fitoriana nataon’i Paoly voarakitra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16 . Henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy sy ny zavatra ilain’ny mpianatra mba hamaritana raha mety kokoa ny mandany ny fotoam-pianarana rehetra hifantohana amin’ny iray amin’ireo tantara ireo na izy roa.

Mizara ny filazantsara amin’ny hafa

Asehoy ity sary manaraka ity ary angataho ny mpianatra iray hamintina ny zavatra fantany momba ny zavatra aseho ao amin’ilay sary. Raha ilaina dia asao izy ireo hamaky ny Matio 28:19 ho fanampiana.

Sary
The resurrected Jesus Christ standing with the apostles outside the city of Jerusalem. Christ is dressed in white robes and has His arms extended as He speaks to the eleven apostles. Christ is commanding the apostles to preach the gospel to all nations. The city Jerusalem is visible in the background.

Mety ho tsaroanao fa taorian’ny nitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty dia nampivory ireo Apôstôliny Izy ary nanome azy ireo izao didy manaraka izao: “Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina.” ( Matio 28:19).

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara ireto hevitra manaraka ireto momba ny didin’ny Mpamonjy hitory ny filazantsara. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao” manomboka amin’ny mari-potoana 2:46 ka hatreo amin’ny 3:30 na vakio ireo teny etsy ambany.

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Matetika aho no nisaintsaina sy nivavaka momba ilay iraka lehibe nampanaovin’ny Mpamonjy an’ireo mpianany … “koa mandehana hianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra, manao batisa azy ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina” [ Matio 28:19 ].

Nitolona mafy aho ny hahazo valiny tamin’ny fanontaniana hoe: “Ahoana no ahafahantsika mpikamban’ny Fiangonana sady mpianatr’i Kristy manatanteraka izany iraka lehibe izany amin’ny fomba tsara indrindra eo amin’ny fiainantsika isan’andro?”

Manasa anareo aho anio hisaintsaina io fanontaniana io ao am-ponareo sy ao an-tsainareo.

(Dieter F. Uchtdorf, “Asa fitoriana: Mizara ny zavatra tena inoana sy tsapanao,” Liahona, mey 2019, 15–16)

Ankoatra ilay fanontaniana nasain’ny Loholona Uchtdorf hosaintsaininao dia eritrereto ny valiny homena an’ireto fanontaniana manaraka ireto. Raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ireo valinteninao.

  • Raha refesina amin’ny alalan’ny ambaratonga manomboka amin’ny 1 ka hatrany amin’ny 5, dia hatraiza ny fanirianao hizara ny filazantsara amin’ny hafa? Hazavao ny valinteninao?

  • Inona avy ireo sakana atrehanao amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa?

Misiônera tena matanjaka izay nitondra fanahy maro ho an’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny asa fitoriany ny Apôstôly Paoly. Mandritra ity herinandro ity dia hianatra momba ny sasany amin’ireo zava-nitranga nandritra ny dia fitoriana faharoa sy fahatelo nataon’i Paoly ianao (jereo ny Asan’ny Apostoly 15:36–18:22 sy ny Asan’ny Apostoly 18:23–21:15).Ity sarintany manaraka ity dia maneho ny dian’i Paoly nandritra ireo dia ireo:

Rehefa mandalina ny sasany amin’ireo zavatra niainan’i Paoly tao anatin’ny asa nanirahana azy faharoa ianao ato amin’ny lesona dia hahita ohatra amin’ity fahamarinana manaraka ity: Ny Tompo dia afaka mitarika antsika ho any amin’ireo izay nomaniny handray ny filazantsarany. Henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hizara ny filazantsara amin’ny hafa.

Nitory ny filazantsara tany Makedonia i Paoly sy ny namany

Sary
Depicton of Lydia, “a seller of purple” in the New Testament.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:6–15 , ka tadiavo ny zavatra niainan’i Paoly sy ireo namany tany am-piandohan’ny dia fitoriana faharoa nataon’i Paoly.

  • Inona no azonao ianarana momba ny Ray any An-danitra avy amin’ity tantara ity ka afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hitady ireo olona nomanin’ny Tompo handray ny filazantsarany?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nahitanao ny Tompo nanomana ny hafa handray ny filazantsarany? Ahoana no nanomanany anao na ny fomba ahafahany manomana anao hahita ireo olona izay mikatsaka Azy?

Sary
Depicton of Lydia, “a seller of purple” in the New Testament.

Azonao atao koa ny mizara zavatra niainanao manokana izay mifandray amin’ny fizarana ny filazantsara.

Nogadraina i Paoly sy i Silasy ary mbola nanohy nitory hatrany

Sary
Paul and Silas are whipped and put in prison. - ch.61-4

Rehefa avy nampianatra sy nanao batisa an’i Lydia i Paoly sy ireo namany dia namoaka fanahy ratsy tao amin’ny mpanompovavy tanora iray i Paoly (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:16–18). Nokapohina sy nogadraina izy sy i Silasy namany avy eo (jereo ny Asan’ny Apostoly 16:19–24). Ny fidirana am-ponja noho ny fitoriana ny filazantsara dia toa antony iray azo hanomezana rariny ny hoe hilavo lefona amin’ny fitoriana. Saingy ho an’i Paoly sy i Silasy dia nanjary lasa fahafahana nanampy ny hafa hanatona an’i Kristy izany.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 16:25–36 mba hahitana ny fomba namadihan’ny Tompo ny fanagadrana an’i Paoly sy i Silasy ho lasa fahafahana ho azy ireo hitory ny filazantsara.

  • Inona no toetra tahaka ny an’i Kristy nasehon’i Paoly sy i Silasy tao amin’io tantara io?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ireo toetra ireo azy ireo hizara ny filazantsara tamin’ny fomba mahomby kokoa?

  • Inona no nianaranao avy amin’ity tantara ity ka afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hitady ireo izay nomanin’ny Tompo handray ny filazantsarany?

Mampihatra ny zavatra izay nianaranao

Rehefa avy nandalina ny tantara tao amin’ny Asan’ny Apostoly 16 , dia makà fotoana kely hiresahana ireo fomba ahafahantsika ho mahomby kokoa amin’ny fizarana ny filazantsara amin’ny hafa. Ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io dia afaka mizara ny zavatra niainany tamin’ny fizarana ny filazantsara ireo mpianatra.

Mitadiava fitaomam-panahy avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hamaritana ny zavatra azonao atao mba hizarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy amin’ny hafa. Misafidiana iray amin’ireto fanasana manaraka ireto izay tsapanao fa tena hahasoa anao indrindra:

  • Mivavaha isan’andro amin’ny Tompo mba hitarihany anao any amin’ny olona iray izay nomaniny handray ny filazantsara.

  • Ataovy lisitra ny anaran’ny namana na mpiara-mianatra roa any am-pianarana izay mety ho vonona hihaino ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Dia angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahafantatra ny fomba ahafahanao ho fitaovana eo am-pelatanany hitondrana azy ireo any amin’ny Mpamonjy.

  • Rehefa nahazo fankatoavana mazava avy amin’ny ray aman-dreninao sy ny mpitarika anao, dia miaraha miasa amin’ny misiônera mandritra ny ora vitsivitsy. Zarao amin’ny iray kilasy ny zavatra niainanao amin’ny fotoana manaraka.

  • Eritrereto izay hevitrao manokana momba ny zavatra azonao atao mba hizarana ny filazantsara amin’ny hafa.

Rehefa avy nomena fotoana ireo mpianatra hanao drafitra dia asao izy ireo hieritreritra ireo sakana mety hatrehiny ka hanasarotra ny fanatanterahana ny drafiny. Amporisiho izy ireo hieritreritra fomba ahafahany mandresy ireo sakana ireo miaraka amin’ny fanampian’ny Tompo. Manomeza fampaherezana sy fanohanana ary mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay noresahina.

Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho

Ahoana no ahafahan’ny tambajotran-tserasera manampy ahy hizara ny filazantsara?

Sary
Paul and Silas are whipped and put in prison. - ch.61-4

Ahoana raha toa ka mandà ny fanasako hianatra kokoa momba izany ny olona amin’izao fotoana izao?

Ny Loholona Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tsy mila anareo mba “hivarotra” ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny na ny Fiangonan’i Jesoa Kristy Andriamanitra. Manantena tsotra fotsiny Izy fa tsy hanafina izany ao ambanin’ny vata famarana ianareo. Ary raha manapa-kevitra ny olona fa tsy natao ho azy ireo ny Fiangonana, dia fanapahan-keviny izany. Tsy midika akory izany fa tsy nahomby ianao. Tohizo ny fanehoanao hatsaram-panahy amin’izy ireo. Ary tsy manaisotra ny famerenana manasa azy ireo izany. Ny fahasamihafana misy eo amin’ny fifandraisana tsotsotra amin’olona sy ny fifandraisana mifono fangorahana sy herim-po aseho amin’ny maha-mpianatra dia ny fanasana!

(Dieter F. Uchtdorf, “Ilay dianao lehibe mampientanentana,” Liahona, nôv. 2019, 88)

Ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nilaza hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Na dia eo aza ny faniriana mahery vaika hizara ny filazantsara dia mety tsy dia faly loatra amin’ny fahombiazana tamin’ny ezaka nataonareo teo aloha ianareo. Mety hahatsapa tena ho toy ny namana iray ianareo, izay milaza hoe: “Niresaka tamin’ny fianakavianay sy ireo namana mikasika ny Fiangonana aho, saingy vitsy no naneho fa liana tamin’izany, ary mihalasa misalasala bebe kokoa aho isaky ny misy fandavana. Fantatro fa tokony hanao zavatra bebe kokoa aho, saingy tsy afaka mandroso, ary fahadisoana goavana no hany tsapako.” …

Manome Soso-kevitra aho ny mba tsy hahatsapanareo ho diso intsony momba izay zavatra vitanareo na tsy vitanareo amin’ny fizarana ny filazantsara. Fa mivavaha kosa, tahaka ny nampianarin’i Almà, mba hanana fahafahana “hijoro ho [vavolombelon’] Andriamanitra amin’ny fotoana rehetra sy amin’ny zava-drehetra ary amin’ny toerana rehetra … mba hahatonga ny [hafa] ho voavotr’ Andriamanitra ary ho voaisa miaraka amin’ireo ao amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany, [ka] hahazoanareo ny fiainana mandrakizay” [Môzià 18:9]. Hery mandrisika matanjaka kokoa noho ny fahatsapana ho diso izany.

(Neil L. Andersen, “Vavolombelon’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2016, 36–37)

Ahoana no fomba hahitako olona hampianarina?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Official portrait of Elder Dieter F. Uchtdorf of the Quorum of the Twelve Apostles, 2006. Called as Second Counselor in the First Presidency, 3 February 2008. Made official portrait in 2008 replacing portrait taken in 2004.

Tsy maintsy mivavaka isika mba hahazo ny fanampiana sy ny fitarihan’ny Tompo mba hahatonga antsika ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra ho an’ilay olona izay efa vonona amin’izao—ilay iray izay tiany hampiantsika androany. Avy eo isika dia tsy maintsy malina mba hihaino sy hanaraka ireo bitsiky ny Fanahiny amin’ny fomba hanaovantsika izany.

Ho avy ireo bitsika ireo. Fantatsika avy amin’ny fijoroana ho vavolombelona tsy tambo isaina fa manomana olona hanaiky ny filazantsara amin’ny fombany sy amin’ny fotoany ny Tompo. Efa eo am-pikarohana ireo olona ireo, ary rehefa mikatsaka ny hahafantatra azy ireo isika dia hamaly ny vavaka ataon’izy ireo ny Tompo amin’ny famaliana ny vavaka ataontsika. Hibitsika sy hitarika ireo izay maniry sy mikatsaka amin-kitsim-po ny fitarihany momba ny fomba hizarana ny filazantsara, ny toerana sy ny fotoana hizarana izany ary ny olona hizarana izany Izy.

(Dallin H. Oaks, “Sharing the Gospel,” Ensign, nôv. 2001, 8)

Sahanasa fianarana fanampiny

Fomba hafa hanombohana ny lesona

Manasa vahiny iray handray fitenenana ao an-dakilasy

Manasà vahiny iray handray fitenenana mandritra ny tapany faharoa amin’ny lesona mba hizara ireo fomba ahafahan’ny mpikamban’ny Fiangonana manao asa fitoriana. Aza hadinoina ny maka fankatoavana avy amin’ny mpandrindra ny Seminera sy Institiota eo an-toerana ary koa ny mpitarika ao amin’ny fisoronana eo an-toerana mialoha ny hanasana vahiny handray fitenenana.

Angataho ilay vahiny mba hampiditra ireo fitsipiky ny asa fitoriana izay nasehon’i Paoly sy ireo namany ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16.