Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 14


Famerenana fifehezana fotopampianarana 14

Mahatakatra ary manazava

Sary
Jesus Christ is standing on a hill over looking a river

Ny iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana dia ny hanampy anao hahatakatra ireo fampianaran’ny Mpamonjy voarakitra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ary hanana fahafahana hanazava izany amin’ny alalan’ny teninao manokana. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hanatevina ny fahatakaranao sy hanazava ireo fahamarinana izay hita ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray na mihoatra avy ao amin’ny Testamenta Vaovao.  

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hohalalinina amin’ity lesona ity ary asao izy ireo ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hifanakalo hevitra momba izany. Afaka mampiasa ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) na ny application Maîtrise de la doctrine ireo mpianatra mba hanampy azy ireo amin’ny famerenana.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity ny lesona iray mirakitra andinin-tsoratra masina fifahezana fotopampianarana. Jereo ny fandaharam-potoana nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hakana antoka fa hampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera. Raha ilaina, dia soloy andinin-tsoratra hafa mety ilain’ireo mpianatra hifantohana izay mety ho andinin-tsoratra masina nanaovana famerenana tamin’ity lesona ity.

Famerenana

Omeo fahafahana ireo mpianatra hamerina hijery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ato amin’ity lesona ity sy ireo andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina mifandray amin’izany. Hevero ny hampiasa ity sahanasa fampifandraisana manaraka ity na sahanasa hafa. (Ny valiny marina amin’io sahanasa io dia 1-b, 2-e, 3-a, 4-d.)

  1. 1 Korintiana 6:19–20

  2. 1 Korintiana 11:11

  3. 1 Korintiana 15:20–22

  4. 1 Korintiana 15:40–42

a. Mahatsiaro tena ho kivy ny sasany amin’ireo olona ao amin’ny fianakavianao satria nodimandry vao haingana ny olona akaikin’ny fo iray ary mahatsapa izy ireo fa tsy hahita azy intsony.

b. Mihevitra ny olona sasany fa azy ny vatany ary afaka manao izay tiany hatao amin’izany izy ireo. Tsy tsapan’izy ireo fa ny Mpamonjy dia nanefa ny sarany mba hanavotana antsika, izay midika ara-bakiteny hoe “nividy antsika indray” Izy. Noho izany antony izany, dia tsy antsika ny tenantsika fa manan-trosa amin’ny Mpamonjy isika.

d. Maro ireo olona mino ny paradisa sy ny helo saingy tsy mahatakatra ireo fahamarinana momba ny fiainana aorian’ny fahafatesana sy ny fitsanganan’ny vatana amin’ny maty.

e. Manontany anao ny namana anankiray hoe nahoana ianao no manao ho laharam-pahamehana ny fanambadiana mafy orina sy ny fifandraisana mafy orina ao amin’ny fianakaviana noho ny fahombiazana arak’asa sy ara-bola.

Mahatakatra ary manazava

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra ny fomba ahafahan’ny soratra masina mampifandray antsika amin’i Jesoa Kristy.

Sary
Official portrait of President Russell M. Nelson taken January 2018

[Ny soratra masina] dia mampianatra antsika momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany, ny halehiben’ny Sorompanavotany, ary ny drafitra lehiben’ny fahasambarana sy ny fanavotan’ny Raintsika. Ny filomanosana isan’andro ao amin’ny tenin’ Andriamanitra dia zava-dehibe ho an’ny fiavotana ara-panahy, indrindra fa amin’izao andro hisian’ny fiovana sarotra tsy mitsaha-mitombo izao. Rehefa mivoky amin’ny tenin’i Kristy isan’andro isika, dia ny tenin’i Kristy no hanambara amintsika ny fomba hiatrehana ireo zava-tsarotra izay tsy noheverintsika mihitsy ho atrehana.

(Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 89)

Ampio ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny fotopampianarana hita ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ireo. Ity sahanasa manaraka ity dia anisan’ny fomba iray ahafahana manao izany. Afaka mifantoka amin’ireo andinin-tsoratra masina izay naverina nojerena tetsy ambony na izay mety ho andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hita ao amin’ny Testamenta Vaovao ireo mpianatra.

Raha ampiasaina ity sahanasa manaraka ity, dia miezaha hatrany hanampy ireo mpianatra mba hahita fifandraisana manan-danja amin’i Jesoa Kristy ao amin’ireo andinin-tsoratra masina izay nosafidiny. Mety hanampy ny fizarana ireo mpianatra ho ao anaty vondrona kely ary asao izy ireo ireo hizara ny valiny omen’izy an’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny vondrona misy azy ireo.

Alaivo sary an-tsaina hoe, mba hanombohana fiaraha-mientan’ny zatovo iray dia nangatahana ianao hizara soratra masina anankiray izay nanampy anao hianatra na hahatsapa zavatra iray momba an’i Jesoa Kristy. Misafidiana iray amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana avy amin’ity lesona ity na iray hafa avy ao amin’ny Testamenta Vaovao. Asao ny Fanahy Masina mba hanampy anao hamantatra ireo fahamarinana momba ny Mpamonjy izay manatevina ny fahatakaranao ny momba Azy, na ny filazantsarany, na ny Sorompanavotany, na ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra.

  • Inona no andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidinao?

  • Inona no fahamarinana na fotopampianarana hitanao tao amin’io andinin-tsoratra masina io?

  • Inona no mety ho zavatra miova eo amin’ny fiainan’olona iray raha toa ka tsy nahafantatra ny fahamarinana izay hitanao izy?

  • Ahoana ny fomba ahafahan’ny fahatakarana io fahamarinana io manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy?

Sahanasa fianarana fanampiny

Famerenana amin’ny alalan’ny application Maîtrise de la doctrine

Diniho ireo fomba azo ampiasana ny application Maîtrise de la doctrine mba hanampiana ireo mpianatra hamerina hijery na hitadidy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Fomba hafa hoentina manampy ireo mpianatra mba hahatakatra ary hanazava

Mahatakatra—Afaka mitady ny dikan’ireo teny ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidiny ny mpianatra ary manao tatitra izay hevi-baovao fanampiny azony. Afaka mampiasa rakibolana na ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ireo mpianatra mba hitadiavana ireo teny.

Mahatakatra—Afaka mamerina manoratra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidiny amin’ny alalan’ny teniny manokana ireo mpianatra.

Manazava—Mba hanampiana ireo mpianatra hanazava ireo fahamarinana ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, dia mitondrà zavatra kely maromaro ao an-dakilasy ary asao ireo mpianatra hisafidy zavatra iray izay tsapany fa maneho ny fahamarinana ao amin’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidiny. Afaka mampiasa ny zavatra izay nosafidiny izy ireo avy eo mba hanampy azy ireo hanazava ilay fahamarinana.