Seminera
Asan’ny Apostoly 2


Asan’ny Apostoly 2

“Feno ny Fanahy Masina”

Sary
Vahoaka be tsy tambo isiana atao batisa eo amin’ny renirano iray ny andron’ny Pentekosta.

Talohan’ny nahafatesany, dia nilaza tamin’ireo Apôstôliny i Jesoa fa rehefa lasa Izy dia haniraka “ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina” ny Ray (Jaona 14:26). Araka ny efa nampanantenaina dia tonga tamin’ireo Apôstôly Roambinifolo tamin’ny fomba feno fahagagana ny Fanahy Masina tamin’ny andron’ny Pentekosta. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hampitombo ny fahatakaranao ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina mitahy anao sy manampy anao hianatra ny fomba hanasana ireo fitahiana ireo eo amin’ny fiainanao.

Manitatra ny fahaizantsika

Farito hoe manao ahoana ny fanekenao an’ity teny ambara manaraka ity amin’ny alalan’ny isa iray ka hatramin’ny fito, ary raketo ao anatin’ny diary fandalinanao ny valin-teninao: Matoky tena aho fa afaka mahafantatra rehefa mahatsapa ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainako.

Sary
Kisary misy soratra hoe Tena tsy manaiky sy Tena Manaiky
  • Inona avy ireo fanontaniana izay manitikitika anao momba ny Fanahy Masina?

Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao soratra masina, ny lohateny hoe “Ireo fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy ahy.” Miomàna hanampy zavatra ao anatin’ilay lisitra mandritra ny lesona.

Rehefa mandalina ianao anio, dia hahita ireo ohatra mikasika ny fomba fiasan’ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainan’ny olona. Eritrereto ny zavatra izay azonao ianarana avy amin’ireo ohatra ireo mikasika ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina miasa eo amin’ny fiainanao. Ny fahamarinana iray izay manantitrantitra ireo ohatra ireo dia ny hoe amin’ny alalan’ny Fanahy Masina dia manampy antsika hanatona an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra.

Nirotsaka tamin’ny andron’ny Pentekosta ny Fanahy Masina

Talohan’ny nahafatesany dia nampianatra ireo mpianany i Jesoa fa ny Ray any An-danitra dia handefa ny Fanahy Masina ho azy ireo aorian’ny nandaozany ny tany. Nijoro ho vavolombelona Izy fa ny Fanahy Masina dia hanome fampiononana, hanome fitarihana, ary hijoro ho vavolombelona momba Azy (jereo ny Jaona 14:16, 26; 15:26).

Ny Pentekosta dia fety Jiosy izay ankalazaina 50 andro aorian’ny fetin’ny Paska. Nandeha namonjy io fety io izay nankalazana ny fiakaran’ny vokatra voalohany tany Jerosalema avokoa ireo Jiosy avy amin’ireo firenena manodidina (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Pentekosta,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:1–8, ka tadiavo ny fomba nahatanterahan’ny fampanantenana izay nataon’ny Mpamonjy momba ny fandraisan’ny Apôstôly ny Fanahy Masina tamin’io andro io. (Mariho fa ny “lela mitarehin’afo” ao amin’ny andininy 3 dia manondro ny fanehoana hita maso ny fanatrehan’ny Fanahy.)

Ao amin’ny andininy 4–8, ireo Apôstôly dia niaina ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny, izay “fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina izay ahafahan’ny olona ho taomin’ny fanahy hiresaka na hahazo na handika fiteny izay tsy mahazatra azy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “ Fiteny, Fanomezam-pahasoavana amin’ny,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Ahoana no nitahian’ny Fanahy Masina ireo mpianatra sy ireo izay nihaino azy ireo?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no nampitomboan’ny fanomezam-pahasoavana amin’ny fiteny ny fahafahan’ireo Apôstôly manampy ny hafa hanatona an’i Kristy?

  • Ahoana ny fomba mety hiainantsika izany fanomezam-pahasoavana izany ankehitriny?

Hevero ny hanampy hevi-baovao avy amin’ireo andinin-tsoratra masina nohalalininao hatramin’izao ao amin’ilay lisitra izay noforoninao tao amin’ny diary fandalinanao.

Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Petera

Afaka mahita fomba iray hafa ahafahan’ny Fanahy Masina manampy antsika isika, amin’ny alalan’ny fijerena ny fahasahiana nampianaran’i Petera sy nijoroany ho vavolombelona.

Tadidio fa ireo fisehoan-javatra ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2 dia nitranga tsy ela akory taorian’ny nanomboana an’i Jesoa tamin’ny hazofijaliana, vakio ny Asan’ny Apostoly 2:22–24, 32–33,36 ary tadiavo ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina an’i Petera tao anatin’izany toe-javatra izany mba hahafahana mitory amin-kerim-po sy amim-pahasahiana momba an’i Jesoa Kristy. (Jereo ihany koa ny Asan’ny Apostoly 3:12–20.)

  • Inona no zavatra hitanao?

  • Inona no zavatra nianaranao avy tamin’io tantara io momba ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao? (Jereo ihany koa ny Asan’ny Apostoly 1:8; 4:31.)

Ampidiro ao anatin’ny lisitra ao amin’ny diary fandalinanao ny eritreritra tonga ao an-tsainao.

Ny fiantraikan’ny fampianaran’i Petera tamin’ny hafa

Nisy fiantraikany tamin’ireo izay nandre ny fampianaran’i Petera momba an’i Jesoa Kristy ny Fanahy Masina. Vakio ny Asan’ny Apostoly 2:37–38, 41 ka tadiavo ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina an’ireo olona ireo. Ny teny hoe voatsindrona ao amin’ny andininy 37 dia midika hoe miteraka alahelo na fanenenana ary manambara fa naniry ny hiova ny olona.

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

  • Ahoana no nanampian’ny hoe “voatsindrona ny fony” an’ireo olona ireo mba hanatona akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? (andininy 37).

Ampitahao amin’ny fampanantenana izay nataon’ Andriamanitra tamin’ny mpanompony ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–8 ny zava-nitranga tamin’ireo olona nampianarin’i Petera.

  • Inona avy ireo ohatra amin’ny fiovana izay mety hanentanan’ny Fanahy Masina antsika ny hanao azy ka hanampy antsika hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Hevero ny hampiditra ny zavatra takatrao momba ny Asan’ny Apostoly 2:37–38, 41 ao amin’ilay lisitra ao amin’ny diary fandalinanao.

Misaintsaina ny zavatra izay nohalalininao

1. Avereno jerena ilay lisitra noforoninao tao amin’ny diary fandalinanao momba ny fomba ahafahan’ny Fanahy Masina manampy anao. Avy eo dia valio ao anatin’ny diary fandalinanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no fitahiana avy amin’ny Fanahy Masina izay nanaitra anao indrindra?

  • Nahoana ny Fanahy Masina no ilaina amin’ny fanampiana antsika hanatona an’i Jesoa Kristy sy hitondra ny hafa ho Aminy?

  • Inona no dingana azonao raisina mba hahazoana feno kokoa ireo fitahian’ny Fanahy Masina?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Ahoana no fomba hanampian’ny Fanahy Masina antsika mba hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra hoe:

Sary
Filoha Dallin H. Oaks

Ny asan’ny Fanahy Masina dia ny mijoro ho vavolombelona ny amin’ny Ray sy ny Zanaka (jereo ny Jaona 15:26; 2 Nefia 31:18; 3 Nefia 28:11), ny mitarika antsika amin’ny fahamarinana (jereo ny Jaona 14:26; 16:13), ary ny hampiseho antsika ny zavatra rehetra izay tokony hataontsika (jereo ny 2 Nefia 32:5). Izany lalam-pifandraisan’ny tena manokana amin’ny Raintsika any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina izany no loharanon’ny tenivavolombelontsika ny amin’ny fahamarinana, sy ny fananantsika fahalalana, ary ny fitarihana antsika manokana avy amin’ilay Ray any An-danitra be fitiavana. Fitaovana manan-danja eo amin’ny drafitry ny filazantsara mahatalanjona izany, izay mamela antsika zanany tsirairay handray fijoroana ho vavolombelon’ny tena manokana ny amin’ny fahamarinana.

(Dallin H. Oaks, “Ireo lalam-pifandraisana roa,” Liahona, nôv. 2010, 83)

Ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona hoe:

Sary
Filoha M. Russell Ballard

Rehefa … mahatsapa ny Fanahy miasa ao aminy ny isam-batan’olona, na rehefa mahita ny porofon’ny fitiavana sy ny famindram-pon’ny Tompo eo amin’ny fiainany izy ireo dia mahazo hery sy hatanjahina ara-panahy izy ireo ary mitombo ny finoan’izy ireo Azy.

(M. Russell Ballard, “Now Is the Time,” Ensign, Nov. 2000, 75)

Toy ny ahoana ny fahatsapana ny Fanahy Masina, ary ahoana no ahafahanao manasa Azy?

Ilay horonantsary “Ressentir le Saint Esprit” (3:17), dia manome ohatra an’ireo fomba samihafa ahatsapan’ny olona ny Fanahy Masina. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org

Ilay horonantsary “Accueillir le Saint Esprit” (2:56), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, dia manome ohatra an’ireo fomba hahafahana manasa ny Fanahy Masina.