Seminera
Asan’ny Apostoly 1


Asan’ny Apostoly 1

Fampahafantarana ny bokin’ny Asan’ny Apostoly

Sary
Niara-nivory tany Galile ireo apôstôlin’i Jesoa Kristy iraika amibin’ny folo (izy rehetra afa-tsy i Jodasy Iskariota). Anjely anankiroa (miakanjo fotsy) no mijoro miaraka amin’ireo apôstôly ary manondro any amin’ny lanitra. Miandrandra ambony ireo apôstôly. Ny sary hosodoko dia maneho ny fiakaran’i Jesoa Kristy efa nitsangana tamin’ny maty tany an-danitra. Tsy naseho tao amin’ny sary i Kristy. (Marka 16:19–20) (Lioka 24:50–53) (Asan’ny Apôstôly 1:9–11)

Nanompo ireo mpianany nandritra ny 40 andro i Jesoa Kristy taorian’ny Fitsanganany tamin’ny maty. Nandritra izany fotoana izany dia nanomana ny Apôstôliny hitarika ny Fiangonany taorian’ny niakarany tany an-danitra Izy. Tahaka ny nataony fahiny, i Jesoa Kristy dia manohy mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo Apôstôly nofinidiny ankehitriny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fitarihan’i Jesoa Kristy ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo apôstôly sy ireo mpaminany.

Ny fiakaran’i Kristy any an-danitra

Alaivo sary an-tsaina hoe manontany anao ny namanao, izay tsy mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany, hoe: “Iza no nanomboka ny fiangonana ivavahanao, ary iza no mitarika izany ankehitriny?”

  • Inona no havalinao? Nahoana?

Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mamariparitra ny zavatra niainan’ireo Apôstôly taorian’ny niakaran’i Jesoa Kristy tany an-danitra. Mety ho asa tena sarotra ho an’ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana ny nampandroso ny Fiangonan’ny Mpamonjy rehefa tsy niaraka tamin’izy ireo mivantana intsony Izy. Tsy irery anefa ireo Apôstôly tamin’ny ezaka nataon’izy ireo. Ny zavatra niainan’ireo Apôstôly voarakitra ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia maneho ny fahamarinana fa I Jesoa Kristy dia mitarika ny Fiangonany amin’ny alalan’ireo apôstôliny sy ireo mpaminaniny.

Eritrereto ny fahatsapanao manokana momba an’i Jesoa Kristy mitarika ny Fiangonany. Valio ao anatin’ny diary fandalinanao izao manaraka izao:

  1. Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy?

  2. Inona no antenainao ho hita ao amin’ny fiangonana tarihin’i Jesoa Kristy?

  3. Amin’ny fampiasana ity ambaratonga manaraka ity dia farito hoe hatraiza no hiombonanao hevitra amin’ity teny ity: “I Jesoa Kristy dia mitarika ny Fiangonany ankehitriny amin’ny alalan’ny apôstôly sy ny mpaminany.” Hazavao ny valin-teninao.

    Sary
    Testamenta Vaovao: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra Seminera (2023)

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia henoy tsara ny bitsiky ny Fanahy izay afaka manampy anao hahatsapa fa nitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy taorian’ny niakarany tany an-danitra ary mbola manohy mitarika ny Fiangonany Izy ankehitriny.

Manohy mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy taorian’ny niakarany tany an-danitra

1. Vitao ao anatin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

Soraty ao anatin’ny diary ny lohateny hoe “Ohatra momba an’i Jesoa Kristy mitarika ny Fiangonany.” Mandritra ity lesona ity dia ampio ohatra ao anatin’ny diarinao ary saintsaino ny fomba hanamafisan’izany ny fijoroana ho vavolombelona ananao momba an’i Jesoa Kristy sy ny Fiangonany.

Vakio ireto andinin-tsoratra masina manaraka ao amin’ny Asan’ny Apostoly 1–5 ireto ka tadiavo ny fomba nanohizan’i Jesoa Kristy ny fanampiana ireo Apôstôliny taorian’ny niakarany tany an-danitra. Eritrereto ny fomba nanehoan’ireo zava-nitranga ireo fa nitarika ny Fiangonany tokoa i Jesoa Kristy. Ampio ireo hevi-baovao hitanao ao anatin’ny diarinao.

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Antsipiriany tsara ho fantatrao mialoha ny fandalinana ny andin-tsoratra masina

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Asan’ny Apostoly 1:23–26

Antsipiriany tsara ho fantatrao mialoha ny fandalinana ny andin-tsoratra masina

Nivory mba hifanakalo hevitra momba ny olona izay hisolo an’i Jodasy Iskariota ka ho lasa iray amin’ireo Apôstôly Roambinifolo ny Apôstôly sy ireo mpanara-dia hafa an’i Kristy.

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Asan’ny Apostoly 2:37–43

Antsipiriany tsara ho fantatrao mialoha ny fandalinana ny andin-tsoratra masina

Raha niangona tao Jerosalema ireo Apôstôly fotoana fohy taorian’ny niakaran’i Kristy tany an-danitra, dia nilatsaka tamin’izy ireo tsirairay tamin’ny fomba mahery vaika ny Fanahy Masina (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:1–8). Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy i Petera rehefa heniky ny Fanahy (jereo ny Asan’ny Apostoly 2:14–36). Ity andalan-tsoratra masina ity dia mamariparitra ny fiantraikan’io firotsahan’ny fanahy io tamin’ny olona maro izay nanatri-maso izany.

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Asan’ny Apostoly 3:1–8; 4:8–10

Antsipiriany tsara ho fantatrao mialoha ny fandalinana ny andin-tsoratra masina

Nifanena tamin’ny lehilahy nalemy tongotra iray tao amin’ny tempoly tao Jerosalema i Petera sy i Jaona.

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Asan’ny Apostoly 5:12–16

Antsipiriany tsara ho fantatrao mialoha ny fandalinana ny andin-tsoratra masina

Efa nampitandrina ireo Apôstôly ny mpitarika Jiosy mba tsy hiresaka intsony momba an’i Jesoa Kristy (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:13–18).

Andinin-tsoratra masina hohalalinina

Asan’ny Apostoly 5:17–25

Antsipiriany tsara ho fantatrao mialoha ny fandalinana ny andin-tsoratra masina

Nogadraina i Petera sy i Jaona rehefa avy nanohy nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy nanao fahagagana tamin’ny anarany.

  • Inona no nianaranao momba an’i Jesoa Kristy avy amin’ireo andininy ireo ka misy fiantraikany amin’ny finoanao sy ny fatokianao Azy?

  • Ahoana no hanehoan’ireo zava-nitranga ireo fa nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ireo Apôstôliny ny Mpamonjy?

Mbola manohy mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy ankehitriny

Sary
Ireo mpikambana rehetra ao amin’ny Fiadidiana Voalohany sy ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, mipetraka na mijoro eo amin’ny Sarivongana Christus sy ny Sarivongan’ireo Apôstôly Voalohany, eo amin’ny Ivon-toeran’ny Mpitsidika any Rôma Italy. Eo aloha avy any an-kavia mankany an-kavanana: Dieter F. Uchtdorf, Jeffrey R. Holland, M. Russell Ballard, Dallin H. Oaks, Russell M. Nelson, Henry B. Eyring, David A. Bednar, Quentin L. Cook, D. Todd Christofferson, Gary E. Stevenson, Ronald A. Rasband, Neil L. Andersen, Dale G. Renlund, Gerrit W. Gong, Ulisses Soares

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra momba ny fomba anohizan’ny Mpamonjy ny fitarihana ny Fiangonany ankehitriny.

Sary
Sary ôfisialin’ny Filoha Russell M. Nelson nalaina tamin’ny janoary 2018

Isika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Tompo antsika dia mahafantatra hoe iza no lohan’ny Fiangonana: I Jesoa Kristy Izy Tenany. …

Noho izany, inona no lanjan’ny anarana iray? Rehefa ny anaran’ny Fiangonan’ny Tompo no resahina, ny valin’izany dia hoe “Ny zava-drehetra!” I Jesoa Kristy dia nitarika antsika mba hiantso ny Fiangonany amin’ny anarany satria Fiangonany io, ary heniky ny heriny.

Fantatro fa velona Andriamanitra. I Jesoa no Kristy. Mitarika ny Fiangonany Izy ankehitriny.

(Russell M. Nelson, “Ny anarana marin’ny Fiangonana,” Liahona, nôv. 2018, 88–89)

  • Amin’ny fomba ahoana no misy fiantraikany eo amin’ny fiainanao ny fahalalana fa mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy ankehitriny?

  • Inona avy ireo ohatra avy amin’ny fiainanao manokana na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana ka manampy anao hahita fa mbola manohy mitarika ny Fiangonany i Jesoa Kristy ankehitriny? (Aza adinoina ny manampy ireto ohatra ireto ao amin’ny ny diarinao.)

Raha toa ianao mila ohatra vitsivitsy hanampy anao hieritreritra ny valin’io fanontaniana io dia jereo ny “Fotoanantsika izao!” avy eo amin’ny mari-potoana 3:34 ka hatramin’ny 5:12 na “Hanangona ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy” manomboka eo amin’ny mari-potoana 10:09 ka hatramin’ny 13:58, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Ahoana no fomba anampian’ireo ohatra momba ny Mpamonjy mitarika ny Fiangonany ireo anao amin’ny fahatakarana ny zavatra tsapany momba antsika?

Saintsaino

Avereno jerena ny lisitry ny ohatra momba ny Mpamonjy mitarika ny Fiangonany izay noforoninao androany. Hevero ny hanampy ao amin’io io firaketana io rehefa manohy mandalina ny Asan’ny Apostoly ianao ary dia mahazoa fampianarana fanampiny momba ny Mpamonjy sy ny Fiangonany. Azonao atao ny mirakitra ao amin’ny diarinao ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba io fahamarinana io.

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Iza no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly?

I Lioka no nanoratra ny bokin’ny Asan’ny Apostoly izay “faharoa amin’ireo asa soratra roa. … Ny ampahany voalohany dia fantatra amin’ny hoe ny Filazantsara Araka an’i Lioka” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Asan’ny Apostoly,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; jereo koa ny Lioka 1:1–4; Asan’ny Apostoly 1:1).

Inona no resahin’ity boky ity?

Ny Asan’ny Apostoly dia mampitohy ny rakitsoratry ny tantaran’i Jesoa Kristy sy ny fampianarany ao amin’ireo Filazantsara efatra amin’ireo rakitsoratra sy asa nataon’ireo Apôstôliny. Ny bokin’ny Asan’ny Apostoly dia mampiseho ny fomba nanohizan’ny Mpamonjy nitarika ny Fiangonany tamin’ny alalan’ny fitaoman’ny Fanahy Masina tamin’ireo izay nihazona ny fanalahidin’ny fisoronana. Nanambara fahamarinana tamin’ireo Apôstôly ny Fanahy Masina, ary avy eo dia izy ireo no nitarika sy nampianatra ny Fiangonana. Nanatanteraka fahagagana tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy ihany koa ireo Apôstôly.

Nanazava ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Ny Loholona Jeffrey R. Holland

Manomboka amin’ny andininy voalohany [amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly] dia nambara fa mbola hitohy hotarihin’ Andriamanitra hatrany ny Fiangonana fa tsy hotarihin’olombelona. … Raha ny marina dia lohateny feno kokoa azo nomena ny bokin’ny Asan’ny Apostoly sady mety tsara aminy ny hoe: “Ny Asan’ilay Kristy nitsangana tamin’ny maty amin’ny alalan’ny Fanahy Masina teo amin’ny fiainana sy ny asa fanompoana nataon’ireo Apôstôliny voatendry.”…

“Nitovy tamin’izany hatrany ny fomba fitarihana ny Fiangonana. Ny toerana misy ny Mpamonjy no niova fa ny fitarihana sy fitantanana ny Fiangonana dia mitovy tanteraka.”

(“Therefore, What?” [lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Departemantan’ny Fampianarana an’ny Fiangonana momba ny Testamenta Vaovao, 8 aog, 2000], 6, si.ChurchofJesusChrist.org)

Inona no atao hoe Apôstôly?

Raha hianatra bebe kokoa momba ny Apôstôly dia jereo ny horonantsary “What Is an Apostle?” (6:25), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Ahoana no fomba itarihan’ny Tompo ny Fiangonany ankehitriny?

Ny Loholona Quentin L. Cook avy ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Sary
Loholona Quentin L. Cook

Manàna fahatokiana fa ireo mpitarika efa ela nanompoana indrindra ato amin’ny Fiangonana izay miahy ireo tanjona masina nampandraiketina ny Fiangonana dia mandray fanampiana avy any an-danitra. Izany fitarihana izany dia avy amin’ny Fanahy ary indraindray dia avy amin’ny Mpamonjy mivantana. Samy omena ireo karazana fitarihana ara-panahy roa ireo. Feno fankasitrahana aho noho ny nandraisako fanampiana toy izany. Fa ny fitarihana dia omena araka ny fotoan’ny Tompo, andalana anampy andalana, fitsipika anampy fitsipika [jereo ny 2 Nefia 28:30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98:12; 128:21], rehefa “ninia nisafidy ny hampianatra antsika ny Tompo ilay manana ny fahalalana rehetra” [Neal A. Maxwell, All These Things Shall Give Thee Experience2007),31]. Ny fitarihana ho an’ny Fiangonana manontolo dia tsy omena afa-tsy amin’ny mpaminaniny ihany.

(Quentin L. Cook, “Miomàna hihaona amin’ Andriamanitra,” Liahoana, mey 2018, 117)

Jereo ny “Jesus Christ’s Church” (1:27) na ny “We Need Living Prophets” (2:44), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, raha hijery ohatra fanampiny.

Ahoana no iantsoana ireo apôstôly sy ireo mpaminany maoderina?

Jereo ny “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika” eo amin’ny mari-potoana 9:41 ka hatramin’ny 11:49 na ny “Ny fon’ny mpaminany” eo amin’ny mari-potoana 4:08 ka hatramin’ny 6:40, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, raha hijery ohatra hafa.