Seminera
Asan’ny Apostoly 3


Asan’ny Apostoly 3

Ny fanasitranana ilay lehilahy nalemy tongotra

Sary
Noraisin’i Petera tamin’ny tanany ilay lehilahy malemy tongotra ary nandidy azy izy mba hitsangana ka handeha.

Nentina nankany amin’ny tempoly tao Jerosalema isan’andro ny lehilahy iray tsy afa-nandeha nandritra ny androm-piainany mba hahafahany mangataka vola. Nifanena tamin’i Petera sy i Jaona izy, izay nanome azy fanomezana lehibe lavitra noho ny vola nangatahany. Nanasitrana ilay lehilahy i Petera tamin’ny fampiasana ny fahefan’ny fisoronana sy tamin’ny anaran’i Jesoa Kristy. Izany zavatra niainana izany dia nanome an’i Petera sy ireo Apôstôly hafa fahafahana maro hijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanamafy orina ny finoanao fa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy dia afaka manampy anao handresy ireo olana atrehinao.

Fandraisana ny herin’ Andriamanitra manasitrana

  • Inona avy ireo olana na fahoriana ara-batana, na ara-panahy, na ara-pihetseham-po iainan’ny olona eo amin’ny fiainana?

Saintsaino ny olana na fahoriana atrehanao manokana izay tianao hikatsahana fanampiana sy tanjaka amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy mba handresena izany. Soraty ao anatin’ny diary fandalinanao izany, ary ampidiro ao koa ny valin-teninao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nataonao mba handraisana fanampiana ho an’io olana na fahoriana io?

  • Inona no efa fantatrao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka manome anao fahatokiana fa hanampy anao Izy Ireo?

  • Inona no fanontaniana na ahiahy anananao momba ny fandresena io olana na fahoriana io?

Nanasitrana lehilahy nalemy tongotra i Petera sy i Jaona

Ato amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana hianatra fahamarinana vitsivitsy ao amin’ny filazantsara ianao avy amin’ny tantara ao amin’ny Asan’ny Apostoly 3 momba an’i Petera sy i Jaona nanasitrana lehilahy nalemy tongotra iray. Rehefa mandalina ianao dia henoy tsara ireo fitaomam-panahy azonao. Katsaho ny hampatanjaka ny finoanao fa i Jesoa Kristy dia afaka manampy anao amin’ireo olana atrehinao eto amin’ny fiainana an-tany.

Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:1–3, ka mitadiava antsipiriany momba ity lehilahy ity, izay efa 40 taona mahery (jereo ny Asan’ny Apostoly 4:22). Mety hanampy ny fahafantarana fa ny “fiantrana” voalaza ao amin’ny andininy 2–3 dia zavatra natolotry ny olona ho an’ny mahantra.

  • Inona avy ireo teny sasany azonao ampiasaina hilazana ity lehilahy ity sy ny toe-javatra misy azy? Nahoana?

  • Inona avy ireo zavatra mahazatra mety hataon’ny olona eo anatrehan’ny olona iray anatin’io toe-javatra io?

Vakio ny Asan’ny Apostoly 3:4–8, ka tadiavo ireo fahamarinana azonao ianarana mikasika ny fandresena ireo olana na fahoriana atrehantsika avy amin’ity tantara ity. Azonao atao koa ny mijery ny horonantsary “Pierre et Jean guérissent un homme boiteux de naissance” (3:21), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no hitanao fa nisongadina tamin’io tantara io?

  • Inona no anampian’io traikefa io anao amin’ny fianarana na fahatsapana momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Nampianatra ireo izay nanatri-maso ilay fahagagana i Petera fa natao tamin’ny alalan’ny finoana ny anaran’i Jesoa Kristy izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 3:16). Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe azo sitranina isika amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy.

  • Inona no azonao zaraina avy amin’ireo andininy ireo ka afaka manampy olona iray izay miaina ankehitriny ny iray amin’ireo olana na fahoriana ara-batana, ara-panahy, na ara-pihetseham-po izay hitanao tany am-piandohan’ny lesona?

  • Inona no azontsika atao mba handraisana ny herin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy mba hanampiana antsika amin’ireo olana ireo?

Jereo ny horonantsary “The Wounded Shall be Healed” (5:45), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Henoy ny fijoroana ho vavolombelona nataon’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, ary soraty ireo teny na andian-teny manan-danja aminao, na ireo fahatsapana izay tonga aminao rehefa nijery ilay horonantsary ianao.

Ny Loholona NeilL. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nijoro ho vavolombelona momba ny herin’ny Mpamonjy hanasitrana antsika:

Sary
Sary ôfisialin’ny Loholona Neil L. Andersen ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo, aogositra 2010.

Ry rahalahy sy ranabavy, mampanantena anareo aho fa ny fampitomboana ny finoanareo an’i Jesoa Kristy Tompo dia hitondra hery bebe kokoa sy fanantenana lehibe kokoa ho anareo. Ho anareo, ry olo-marina, ilay Mpanasitrana ny fanahintsika no hanasitrana ny ratranareo rehetra amin’ny fotoany sy amin’ny fombany. Tsy misy tsy fahamarinana, fanoherana, fitsapana, alahelo, ratram-po, fijaliana, fery, na manao ahoana na manao ahoana halaliny, na manao ahoana na manao ahoana harariny, tsy ho tafiditra ao amin’ilay fampiononana sy fiadanana ary fanantenana maharitra omeny, Izy izay handray antsika indray eo anatrehany amin’ny sandriny mivelatra sy ny tanany maratra.

(Neil L. Andersen, “Maratra,” Liahona, nôv. 2018, 86)

  • Inona no nanaitra anao tamin’ny fampianarana nataon’ny Loholona Andersen?

  • Inona no zavatra niainanao na fantatrao momba ny hoe avy aiza no ahafahan’ny Mpamonjy manome tanjaka na fanasitranana?

1. Vitao ao anaty diary fandalinanao ireto sahanasa manaraka ireto:

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy androany ka tianao hotsaroana?

  • Inona no tsapanao fa nahazoanao fanentanam-panahy mba hatao noho ny zavatra nianaranao androany?

Tsy voatery atao: Te hianatra misimisy kokoa ve ianao?

Nahoana no tsy mahazo fanasitranana avy amin’ny Mpamonjy amin’ny fotoana sy amin’ny fomba aniriantsika izany isika?

Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Ekeko fa indraindray dia toa tsy voavaly izany ny sasany amin’ireo vavaka tena vokatry ny fo ataontsika. Manontany tena isika hoe: “Fa nahoana?” Fantatro izany fahatsapana izany! Fantatro ireo tahotra sy ireo ranomaso amin’ny fotoana toy izany. Saingy fantatro koa fa tsy mba tsinontsinoavina mihitsy ireo vavaka ataontsika. Tsy mba tsy ankasitrahana mihitsy ny finoana ananantsika. Fantatro fa ny fomba fijerin’ny Ray any An-danitra iray feno fahendrena dia mivelatra lavitra noho ny antsika. Na dia fantatsika aza ny olantsika sy ny fanaintainantsika eto an-tany, dia fantany kosa ny fivoarantsika sy ny fahafahantsika tsy mety maty. Raha mivavaka mba hahafantatra ny sitrapony isika ary manaiky izany amin’ny faharetana sy ny herim-po, dia hitranga amin’ny fombany sy ny fotoany manokana ny fanasitranana avy any an-danitra.

(Russell M. Nelson, “Jésus Christ—le Maître guérisseur,” Liahona,, nov. 2005, 86)

Nampianatra toy izao ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Sary
Ny Loholona David A. Bednar

Azo antoka tokoa fa ny fahamarinana sy ny finoana dia fitaovana ampiasaina amin’ny fanasitranana ny marary, ny marenina, na ny mandringa—raha ny fanasitranana toy izany no mahatanteraka ireo tanjon’ Andriamanitra ary mifanaraka amin’ny sitrapony. Noho izany, na dia manana finoana matanjaka aza isika, dia tendrombohitra maro no tsy hihetsika. Ary tsy ireo marary sy kilemaina rehetra no ho sitrana. Raha ny fifanoherana rehetra no ferana, raha ny aretina rehetra no esorina, dia ireo tanjona fototra tao anatin’ny drafitry ny Ray any An-danitra no ho simba.

David A. Bednar, “Accepter la volonté et le calendrier du Seigneur,” Liahona, Août. 2016, 22)

Ahoana no ahafahako mahazo ny hery manasitran’ny Mpamonjy rehefa miaina fahoriana ara-panahy aho?

Nampianatra toy izao ny Filoha Russell M. Nelson:

Sary
Filoha Russell M. Nelson

Mety misy noho ny antony ara-panahy na koa ara-batana ny fahoriana. Tsaroan’i Almà Zanany fa tena nampahory mafy azy ny fahotany ka naniry ny “ho fongana, na fanahy na vatana, mba tsy hahazoana mitondra azy hijoro eo anatrehan’ Andriamanitr[a] hotsaraina amin’ny natao[ny]” [[Almà 36:15]. Amin’ny fotoana toy izany, ahoana no hanasitranany antsika?

Afaka mibebaka tanteraka kokoa isika! Afaka ny hiova fo tanteraka kokoa isika! Amin’izay ny “Zanaky ny Fahamarinana” dia afaka mitahy antsika feno kokoa amin’ny alalan’ny tanany manasitrana.

… Ny finoana, fibebahana, batisa, ny fijoroana ho vavolombelona, ary ny fiovam-po maharitra dia mitondra mankamin’ny hery manasitran’ny Tompo.

(Russell M. Nelson, “Jésus Christ—le Maître guérisseur,” Liahona,, nov. 2005, 86)