Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 12


Famerenana fifehezana fotopampianarana 12

Tadiavo ary asio marika ny: 1 Korintiana 6:19–20 hatramin’ny Apokalpsy 20:12

Sary
Tanana zatovolahy iray mitazona pensilihazo mena, mamaky sy mandalina soratra masina misokatra eo am-pofoany.

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hahita sy hanisy marika ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao anaty soratra masina ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ity lesona ity dia hanome fahafahana anao hitady sy hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 izay hita ao amin’ny tapany faharoan’ny Testamenta Vaovao.

Ireo toko sy andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina

Alaivo sary an-tsaina fa hitan’ny namanao mandalina sy nanisy marika ny soratra masinao ianao. Taorian’ny nahitany ireo pejy misy marika, dia nanontany anao ny namanao hoe nahoana no asianao marika ny soratra masinao.

  • Inona no havalinao ilay namanao?

Ny fanisiana marika na fanipihana soratra masina dia fomba mahomby entina manavaka ny andinin-tsoratra masina sasany amin’ny hafa, ary izany dia mamela anao hahita mora kokoa ireo andinin-tsoratra masina ireo amin’ny hoavy. Amin’ity lesona ity dia hanana fahafahana ianao hitady sy hanisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 izay hita ao amin’ny tapany faharoan’ny Testamenta Vaovao. Mba hanampiana anao hanao izany, dia hevero ny handika ity tabilao manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao.

Fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Testamenta Vaovao: 1 Korintiana–Apokalypsy

1 Korintiana 6:19–20

“Tempolin’ny Fanahy Masina ny vatanao.”

1 Korintiana 11:11

“Kanefa ao amin’ny Tompo, tsy misy vehivavy raha tsy misy lehilahy, ary tsy misy lehilahy raha tsy misy vehivavy.”

1 Korintiana 15:20–22

“Fa tahaka ny ahafatesan’ny olona rehetra ao amin’i Adama no ahaveloman’ny olona rehetra kosa ao amin’i Kristy.”

1 Korintiana 15:40–42

Amin’ny Fitsanganana amin’ny maty, dia misy ambaratongam-boninahitra telo.

Efesiana 1:10

“Amin’ny fotoampitantanan’ny fahafenoam-pahasoavana no hanangonany indray ny zavatra rehetra ho iray ao amin’i Kristy.”

Efesiana 2:19–20

Ny Fiangonana dia “natsangana teo ambonin’ny fanorenan’ny Apôstôly sy ny mpaminany, ary Jesoa Kristy no fehizoro indrindra.”

2 Tesaloniana 2:1–3

“Ny [fiavian’i Kristy] … [dia] tsy ho avy […] raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana.”

2 Timoty 3:15–17

“Ny soratra masina … izay mampahendry anareo ho amin’ny famonjena.”

Hebreo 12:9

Ny Ray any An-danitra dia “Rain’ny fanahintsika.”

Jakoba 1:5–6

“Ary raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra.”

Jakoba 2:17–18

“Ny finoana, raha tsy misy asa, dia maty mihitsy.”

1 Petera 4:6

“Fa noho izany [no] nitoriana ny filazantsara tamin’ireo izay maty.”

Apokalypsy 20:12

“Ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo anatin’ny boky … araka ny asany.”

Avereno jerena ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 13 sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, ary hevero ny hanisiana marika izany ao amin’ny soratra masinao.

1. Misafidiana andinin-tsoratra masina telo amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay tsapanao fa mety hanampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Vakio ireto andinin-tsoratra masina ireto, dia hazavao ity manaraka ity:

  • Inona no andinin-tsoratra masina mampianatra momba ny Ray any An-danitra na i Jesoa Kristy.

  • Fahamarinana avy amin’ilay andinin-tsoratra masina izay tsapanao fa mety hanan-danja aminao ny mahafantatra azy ary ny anton’izany.

Mandritra ny andro vitsivitsy manaraka, dia manomboha mitadidy ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao anatin’ny soratra masina avy ao amin’ilay tabilao. Saintsaino ny fomba hahafahan’ny fahafantarana ireo andinin-tsoratra masina ireo mitahy ny fiainanao sy ny fiainan’ireo olona izay fantatrao.